Any Okinawa Ka Hatrany Amin'ny Firenena Mikambana, Mbola Mitohy Hatrany Ny Hetsika Manohitra Ny Toby Miaramila Amerikana

Fifampiarahaban'i Governoran'i Okinawa Takeshi Onaga sy ny Lietnà Jeneraly. John Wissler
Notoherin'ireo vahoakan'i Okinawa sy ny governorany, Takeshi Onaga, mafy ny drafitra efa elan'ny Amerikana hanamboatra toby miaramila vaovao any amin'ny faritra iray lavitra an'i Japana. Ny 13 Oktobra 2015, nampiasa ny zony amin'ny maha governora azy i Onaga mba handavana ny taratasy iray fangatahana fahazoandàlana ilain'ny miaramila Amerikana mba hanamboarany ilay toby vaovao, mamarana tanteraka ny fanorenanana ilay toby.
Nipoitra ny fibahanan'ny governoran'i Okinawa ilay fanorenana ny toby, taorian'ny 21 Septambra nitenenan'i Onaga tamin'ny Filankevitra momba ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana tany Zeneva , teo anoloan'ireo mpanao gazety Japoney sy mpanaramaso maro mikasika ny fandàvan'ireo mponin'i Okinawa amin'ilay tetikasa.
Io no niresahan'ny governoran'ny prefektiora Japoney voalohany tamin'io filankevitra io, ary niseho taoriana kely fotsiny ny nampitandreman'ny tomponandrakitra ofisialin'ny Firenena Mikambana an'i Japana momba ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona, tany Okinawa indrindra.
‘Mampaneno lakolosy’ momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona
Nanatrika ny resaka an-databatra momban'ny zon'olombelona nataon'ny Firenena Mikambana tany Zeneva i Onaga, mba “hampaneno lakolosy” mikasika ny famindràna ny Toby an'Habakabaky ny Hery an-Dranomasin'ny Amerikana Futenma any Okinawa ho ao Henoko, toerana any avaratra kokoa ao anatin'ny prefektiora, izay vondronosy kely eny amin'ny atsimo andrefana lavidavitr'i Japana.
Nilaza i Onaga fa tsy noraharahian'ny governemanta foiben'i Japana any Tokyo, izay nifampiraharaha tamin'ny Hery an-Dranomasin'ny Amerikana momba ny hamindràna ilay toby, ny zon'ireo Okinawana handray fanapahankevitra irery.
Misy ny ahiahy fatratra momba izay ho voka-dratsy henjana be haterak'io fanorenana toby miaramila Amerikana io amin'ilay toerana manana tontolo iainana (zava-maniry sy biby) tsy azo sandaina vola. Fantatra amin'ireo biby efa ho lany tamingana i Henoko Bay, sahala amin'ny dugong, biby an-dranomasina tsy hita na aiza na aiza any Japana, ary haran-dranomasina manga izay tsy fahita firy (Heliopora coerulea).
Manohitra ilay tetikasa ny ankamaroan'ireo mponina, araka ny fitsapankevitra maro nandritra ny taona maro, fa misy ihany koa ireo Okinawana vitsy manohana ny fanorenana ilay toby vaovao. Na hoe 0,6% amin'ny tanin'i Japana aza izy, toerana ho an'ireo fanorenana miaramila Amerikana maherin'ny 70 % any Japana i Okinawa. Mibahana ny 18% farahafakelin'ny toerana amin'ny nosin'i Okinawa ireo toby miaramila Amerikana.
米兵少女暴行事件抗議集会から20年。翁長知事の辺野古基地移設反対を支持する沖縄県民は8割になった。 https://t.co/J8DRiExeQK pic.twitter.com/mVu5watwW4
— 宮武嶺 (@raymiyatake) octubre 20, 2015
20 taona hatramin'ny fivoriana fihetsiketsehana nanohitra ny trangan'ny fanolanan'ny tafika Amerikana. Ankehitriny, 80% n'ireo Okinawana no manohana ny fanoheran'ny Governora Onaga ny famindràna ny toby Amerikana ho any Henoko
Nandritra ny 17 taona, vitan'ireo Okinawana ny nanohitra ny famindràna toerana ilay toby, hatramin'n'ny nanomezan'ny politikan'ny fiarovana ny soso-kevitra hanaovana ilay famindràna, ny taona 1996, ary mbola mitohy re mafy ao Okinawa ny fisian'ny Amerikana. Taorian'ny fanapahankevitra hamindra toerana any Henoko, ny taona 2013, nisy hetsi-panoherana efa ho tsy an-kiato nanoloana ireo toby miaramila.
Maneho ‘fanavakavahana’ ireo Okinawana ireo toby miaramila
Tonga taorian'ny fitsidihana ny Aogositra 2015 tany Okinawa, nataon'i Victoria Tauli Corpuz, mpitatitra manokana an'ny Firenena Mikambana momba ny zon'ireo vahoaka vazimba teratany, ny fandraisam-pitenenan'i Onaga tao amin'ny Filankevitra momba ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana tamin'ny volana Septambra. Fony tany Okinawa, nilaza i Corpuz fa maneho fanavakavahana an'ireo vahoakan'i Okinawa ny fisian'ireo toby miaramila Amerikana maro tokoa ao aminà prefektiora kely sy alavitra toy io.
Hatry ny nahalany azy ho governoran'i Okinawa ny Novambra 2014, nanao ireo fomba maro hisorohana ny hamindràna ilay toby miaramila i Onaga, toby izay mitoetra ao afovoan'ny tanànan'i Ginowan, any amin'ny farany atsimo andrefan'ny nosin'i Okinawa. Nahatsapa fa na ireo governemanta Amerikana na ny Japoney, samy tsy hisy hilaza io olan'ireo Okinawana io, nanapaka hevitra i Onaga, ny volana Septambra, handeha ho any amin'ny fivondronambe iraisam-pirenena mba hampahafantatra bebe kokoa ilay olana:

Niresaka tamin'ny Firenena Mikambana ny Governoran'i Okinawa, Takeshi Onaga, tany Zeneva, Soisa ny 21 Septambra 2015. Dikasary nomen'i Sanae Fujita maimaim-poana.
Taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, nalain'ny miaramila Amerikana an-keriny ny taninay, ary nanorenany ireo toby miaramila tao Okinawa. Tsy nanome an-tsitrapo ny taninay mihitsy izahay. 0,6 % n-i Japana fotsiny i Okinawa, kanefa, ao Okinawa no misy ireo 73.8% n'ireo toby Amerikana any Japana […] […] Tsy noraharahiana ireo zonay haneho hevitra sy handà, ary ireo zon'olombelona. Ny firenena iray ve afaka mizara soatoavina toy ny fahafahana, fitoviana, zon'olombelona, ary demôkrasia miaraka amin'ireo fanjakana hafa, raha tsy afaka miantoka ireny soatoavina ireny ho an'ny vahoakany akory io firenena io?
Afaka jerena ato ny fandraisam-pitenenana manontolon'i Onaga, amin'ny teny Anglisy.
Noderain'ireo mpikatroka mafana fo ny kabarin'ny Governora rehefa tafaverina tany an-tanàna
Nahazo tehaka tamin'ireo mpikatroka mafana fo ny kabarin'i Onaga tao amin'ny Filankveitra momba ny Zon'olombelona tao amin'ny Firenena Mikambana, fony niverina tany Okinawa. Jinshiro Motoyama, mpianatra Okinawana, manaraka ny SEALDs an'i Japana, hetsiky ny mpianatra, nilaza izao:
翁長さんのスピーチ、良かった。ありがとう。 #翁長県知事がんばれ — じんしろ (@Jin46o) septiembre 21, 2015
Tsara ny kabarin'i Andriamatoa Onaga. Misaotra betsaka! Alefa Governora Onaga
SEALDs Ryuku, rantsamangaika ao an-toerana ho an'ny hetsika nasiônalin'ny mpianatra mpikatroka mafana fo, nandefa izao bitsika izao ihany koa:
あ、翁長知事、明日外国特派員協会でも会見するんだ。どんどん国際社会へ発信して欲しい。 「自己決定権と人権をないがしろにしているのは基地の存在が一番大きい。人権と関係ないというのは本当に残念だ。」 翁長知事 国連への働きかけ継続へ: http://t.co/KrZ2tAXfoO
— SEALDs RYUKYU (@SEALDs_RYUKYU) septiembre 23, 2015
Tsara kosa an, hihaona amin'ny kilioban'ny mpisolotena any ivelany ny Governora Onaga rahampitso [any Tokyo, taorian'ny fiverenany ao Japana avy tany Zeneva]. Tiako raha mbola tohizan'i Onaga ampitaina amin'ny fivondronambe iraisam-pirenena ny hafatr'i Okinawa.
“Ny fisian'ireo toby miaramila Amerikana no antony lehibe indrindra amin'ny tsy firaharahiana ireo zon'olombelona sy ny zo hanapaka hevitra irery. Tena mahatohina mihitsy ny naheno ny governemanta Japoney nilaza fa tsy misy idiran'ireo toby miaramila ny resaka zon'olombelona.” – Manohy manery ny Firenena Mikambana hatrany moa ny Governora Onaga.
Fahasimbàna nandritry ny fitopolo taona noho ny fisian'ny miaramila Amerikana
Niresaka tamin'ireo mpitatitra vaovao tany Zeneva, nanipika i Onaga fa nandritra ny 27 taona nahateo ambany fifehezana mivantan'ny miaramila Amerikana an'i Okinawa, taorian'ny fahataperan'ny Ady Lehibe Faharoa, tompon'andraikitra taminà olana maro ireo tafika Amerikana, anisan'izany ny fanolanana ireo tovovavy kely, fianjeran'ny fiaramanidina taminà sekoly ambaratonga voalohany sy ireo tranga midaroka-dia-mandositra.
Taorian'ny namerenana ny fitantanana an'i Okinawa ho an'i Japana, ny taona 1971, nipoitra nibaribary ireo vokatra mampidi-doza maro navelan'ny miaramila Amerikana, fa tsy afaka nanao na inona na inona mikasika io i Okinawa noho ny Fifanarahana Ara-tafika nisy teo amin'i Japana sy Etazonia.
Mbola misidina ny fiaramanidina Amerikana na aorian'ny 10 ora alina aza, mifanohitra amin'ireo fifanarahana nifanaovan'ny governemanta roa tonta, hoy i Onaga. Taorian'ilay fitaranana mikasika ny tabataban'ny fiaramanidina napetraka tany amin'ny Minisitry ny Fiarovana Japoney any Okinawa, sy ireo birao hafa an'ny governemanta Japoney, nilaza i Onaga fa nolazaina fotsiny izy hoe ho taterina any amin'i Etazonia ireo.
Taorian'ny hetsika farany nataon'i Onaga, ny volana Oktobra, ho fanafoanana ilay taratasy fahazoandàlana ilain'ny miaramila Amerikana hanorenana ilay toby vaovao ao Henoko, misy ireo mpisolotena ny governemanta Japoney mitady ny hampiantona ny fanapahankevitr'i Onaga, amin'ny alalan'ny Didim-pitantanana fanaovana Fampakàrana .
Sanae Fujita dia mpikambana mpiray antoka ao amin'ny Ivon-toerana momba ny Zon'olombelona, Anjerimanontolon'i Essex, Angletera. Mitoetra ao Angletera, nandeha tany Zeneva i Fujita ny volana Septambra 2015 mba hitatitra ny hafatry ny Governoran'i Okinawa, Takeshi Onaga, tao amin'ny Filankevitra momba ny Zon'olombelona tao amin'ny Firenena Mikambana. Nanatrika ny famorianampanao gazety nataon'i Onaga taorian'ilay fandraisany fitenenana i Fujita.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...