Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2012
Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing
Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.
Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana
Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny...
“Don't Fear the Internet”: Fijoroana Vavolombelona Momba Ireo Anaran-tsehatra Sy Ny Fahalalahana Miteny
Lasa toeram-piadiana anaran-tsehatra momba ny fahalalahana miteny any Shily. Anatin'ity lahatsary iray vaovao avy amin'ny tetikasa “Don’t Fear the Internet”, manazava raharaha roa ny ONG 'Derechos Digitales' highlights : ny elmercuriomiente.cl sy ny estafadoscorfo.cl. Samy ohatry ny fikasan'ny fiadiana anaran-tsehatra mba hampangiana ny fitenenana ireo raharaha roa ireo.
Singapore: Law Society (Fikambanan'ny Mpisolovava) Miatrika Tsikera Avy Amin'ny Vondrom-piarahamonina Anaty Aterineto
Ao anaty ady mafana ny Fikambanan'ny mpisolovava (Law Society) any Singapore ao amin'ny sehatry ny haino aman-jery sosialy taorian'ny fiampangana natao azy ireo ho nikasa hanakanana an'i Madasamy Ravi mpisolovavan'ny zon'olombelona tsy hanohy ny fiarovana teny amin'ny fitsarana.
Bahamas: Fanamarihana Tamin'ny Fitifirana tao Colorado
Tsy dia nisy fanehoan-kevitra mivaingana loatra teny anivon'ny tontolon'ny bilaogy Caribbean mikasika ilay fifitirana tao aminà trano iray fandefasana sarimihetsika tao Colorado - izay lazaina ho ny tena nahafaty olona betsaka indrindra teo amin'ny tantaran'i Etazonia ankehitriny - notehirizin'ny bilaogera Bahamiana roa, izay ho azy ireo dia vaovao mahakasika akaiky ny taniny
Bolgaria: “Rehefa roahina ny olo-malazan'ny taona…”
Mandritra ny fahavaratra mahamay iny, rehefa mifamazivazy ny Bolgara fa fandripahan'olona ny fisiana fiara fitateram-bahoaka tsy manana famerana hafanana, teo anelanelan'ny horohrontany sy ny fiafaran'ny fanadinana eny amin'ny oniversite, dia nisy...
Lahatsary: Internet Society Miresaka Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Sivana Iraisam-pirenena Eny Anivon'ny Aterineto
Handresy manoloana ireo fitaovana fanaraha-maso vaovao ve ny teknolojian'ny tsy fitononana anarana? Ary hampiroborobo ny demaokrasia va re ny teknolojia finday - sa hitarika bebe kokoa ho any amin'ny fihazàna sy fanaraha-maso misimisy kokoa? Resadresaka iray teo Washington, DC ny 25 Jona 2012 niarahana taminà mafàna fo 6 avy any Syria, India, Burkina Faso, Kambodza, Venezoela sy Azerbaijan no niezaka hamaly ireo fanontaniana ireo.
Tonizia: Tambazotra An-tserasera Hanarahana Maso Ny Fanararaotana Diso Tafahoatra Ataon'ny Mpitandro Filaminana
Ny Yezzi dia tambajotra an-tserasera ahafahana maneho firaisan-kina eo amin'ny filazana vaovao na fanaovana tatitra mikasika ny fanararaotan'ny mpitandro filaminana sy ny fanaovan'izy ireo fomba ratsy. Nandritry ny taona maro, tsy nisy nahatsikaritra - ary tsy voasazy ny kolikoly aton'ny mpitandro filaminana ao Tonizia. Miresaka momba izany fomba ratsy izany ny vahoaka, nefa vitsy ireo sahy miresaka izany ampahibemaso, na koa mampahafantatra izany amin'ny Fitsarana. I Yezzi dia nanome fahafahana ireo izay efa sendra izany fanararaotan'ny mpitandro filaminana izany hanao tatitra ireny trangan-javatra ireny, ary afaka tsy mitonona anarana izy ireo raha tiany izany.
Kenya: Mau Mau Mpiady Ho Amin'ny Fahafahana Mitondra Ny Raharaha Eny Amin'ny Fitsaràna Britanika
Mau Mau telo fahiny mpiady ho amin'ny fahafahana no nitondra ny governemanta Britanika hiatrika ny Fitsarana Ambony ao Londona mitaky fifonana sy onitra noho ny habibiana nozakain-dry zareo nandritra ny fitonfdràna fanandevozan'ny Britanika an'i Kenya. Miraradraraka ireo bitsika mikasika ilay raharaha ho fanohanana ny tolona fikatsahan-dry zareo ny rariny. Mibitsika mivantana avy any an'efitrano fitsaràna i @JeromeTaylor sy @TandemLaw.
Korea Atsimo: Nakatona Ny Raharaha Taratasy Hosoka, Fiarovana Ny Filoha?
Manjaka ao Korea Atsimo indray ny fanambarana politika sy ny ahiahy, taoriana ny fahafahana nomen'ny mpampanoa lalàna ireo olona voarohirohy tamin'ilay raharaha “taratasy Hosoka” nahabe adihevitra tamin'ity herinandro ity, mandeha ny...