Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Febroary, 2021
Lalàna vaovao momba ny fitsaboana any Hongria: mety hahatezitra ireo ho renim-pianakaviana nametraka drafitra momba ny fiterahana
Raha lany ilay didim-pitsarana mifehy manokana ny fikarakarana mialoha ny fiterahana sy ny fiterahana, dia mety ho voaràra tsy hahazo misafidy ireo vehivavy mitondra vohoka.
Manenjika ireo mpanohitra ara-politika i Hong Kong amin'ny alàlan'ny fanakatsoana ny kaonty any amin'ny banky.
Inoan'ireo mpikatroka mpandala ny demokrasia fa ny rafitry ny banky dia ampiasan'ny polisin'ny fiarovam-pirenena hamoretana ireo mpikatroka sy ONG mpanohana ny demokrasia.
WATCH: resadresaka nifanaovana tamin'i Jillian C. York momba ny bokiny izay hivoaka “Silicon Values”
Tsy naharaka ny fandefasana mivantana ny resadresaka tao amin'ny Global Voices Insights nifanaovana tamin'ny mpanoratra sady mpikatroka Jillian C. York? Indro ny famerenana azy.
Inona no miandry an'i Hong Kong amin'ny 2021?
Fisamborana faobe, fibahanana tranonkala aterineto, fahataperan'ny fahalalàhan'ny fitsaràna, ankoatra ny zavatra hafa, no toa manangasanga ao Hong Kong ho an'ity taona ity.
Ao Trinidad & Tobago, tratran'ny fahirano ny vehivavy, indraindray na ny voambolana aza tsy misy heriny
Ny tiako dia tontolo izay tsy mety ahafahana mamono antsika. Ny tiako dia nosy izay ifohazantsika sy idirantsika taxis izay ahazoana antoka feno fa tsy ho alaina ankeriny isika.'
Rosia: Mitady fialokalofana any Géorgie ilay [zazavao] voantso ho miaramila
Nangataka fialokalofana any amin'ny Repoblikan'i Géorgie mba handosirana ireo “fepetra tsy zaka” ao amin'ny tafika Rosiana i Aleksandr Glukhov, tanora Rosiana 21 taona voantso ho miaramila. Tao amin'ny toerana fisakafoana McDonald's any Tbilisi no iray tamin'ireo fisehoan'i Glukhov tamin'ny fampitam-baovao.
Miatrika fanoherana ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany ao Islamabad
Najanona ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany tao Islamabad taorian'ny hetsi-panoherana avy amin'ny faritra samihafa, saingy manantena ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanao politika vitsy an'isa fa hatsangana ilay tempoly.
Natombok'i Hong Kong ny tsy maintsy hiraketana ny tena anaran'ireo mpampiasa karatra SIM amin'ny finday
Raha ankatoavina izy io, tsy maintsy ataon'ireo orinasa mpanome tolotra finday ny fametrahana angondrakitra iray misy ny torohay mahakasika ireo mpanjifany. Voatery ihany koa izy ireo hitahiry ireo rakitra mandritra ny taona iray raha kely indrindra aorian'ny tsy fampiasàna intsony ilay karatra SIM.