Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2010
Ejipta: Manampy trotraka ny olam-pirenena ny tsy fisian'ny Hashish
Ankoatry ny sakafo, ny solika, ary ny entona fandrehitra, ny hashish (cannabis) koa izao dia tafiditra anatin'ny lisitr'ireo zava-mampahory ny Ejyptiana ny tsy fisiany. Mitantara ny antony mahatonga ity zava-mahadomelina ity hanjary isan'ny iray tena karohana ireo mpitoraka blaogy, na dia tsy mitsaha-mitombo aza ny fahantrana sy ny vidim-piainana.
Rwanda: nampiato gazety
Nametraka rohy amina tantara vitsivitsy mahaliana avy any RD Kôngô i Jason : “* Nampiato gazety roa mpitsikera tsy hivoaka mandritra ny enim-bolana i Rwanda, izany hoe tsy afa-mitatitra ny...
Qatar: Manohitra ny politika vaovao mikasika ny fahazoan-dàlana raisina eo am-pahatongavana ireo mpiasa mpifindra monina
Manankery manomboka ny 1 May, Qatar dia miomana hanafoana ny fahazoan-dàlana alaina eo am-pahatongavana ho ana firenena ampolony maro mampiasa io fomba io. Sorena ireo mpiasa mpifindra monina mieritreritra ny amin'ny fianakavian'izy ireo ary milaza sahady fa mety hanimba ny reska fizahantany ao amin'ity firenena kely ao amin'i Gulf ity io.
Brezila: Ny tontolon'ny fitorahana blaogy mankasitraka ny tolo-dalàna iadiana amin'ny kolikoly
Mandady toy ny trambo any Brezila ny tolo-dalàna manakana ny firotsahan-kofidian'ireo mpanao politika nahavanona heloka be, miaraka amina sonia manodidina ny 2 tapitrisa anatina fanangonan-tsonia iray.
Rosia: Eritreritra manodidina ny politika sy baomba nipoaka t@ metro
Herinandro izay no lasa taorian'ireo baomba nipoaka tamin'ny 29 Marsa tany amin'ny metrô-n'i Moskoa, izay nahafatesana olona 40 sy naharatrana olona mihoatra ny 100. Indreto apetraka eto ambany eto ny singa...