Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Septambra, 2010

28 Septambra 2010

Mpitantana vohikala manohitra ny sivana amin'ny aterineto, voasambotra tany Thailand

Nosamborina androany tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Bangkok ny mpitantana ny vohikalan'ny gazety tsy miankina iray any Thailand, noho ny fanompàna mpanjaka. Nangingiana ny haino aman-jery mahazatra tany an-toerana momba izany fa ireo mpampiasa twitter kosa namatsy torolàlana sy fanampim-baovao hanampiana ny fanohanana ny hetsika ho fangatahana ny famotsorana ilay mafana fo...

Arabia Saodita: Fahazoan-dalana hitoraka blaogy!

Nanambara drafitra hanarahamaso ireo mpamoaka zavatra sy ny media ao amin'ny aterineto aloha i Arabia Saodita, anatin'izany ireo blaogy sy ireo sehatra fifanakalozan-dresaka, mba ho oarakitra ofisialy ao anatin'ny lisitry ny Governemanta. Ny Ampitson'iny, niteraka fanehoan-kevitra marobe izany, izay milaza fa ireo gazety ao amin'ny aterineto ihany no voakasik'izany. Manana...

26 Septambra 2010

Inde: hilefitra ve i Kashmir? Sa mety hisy ny fampihavanana ?

Nandefa delegasiona matanjaka ahitana mpanao lalàna avy amin'ny antoko politika maro an'isa ny governemanta Indiana afovoany mba hanamaivana ny fandatsahan-drà sy ny fifanoherana any amin'ny faritr'i Jammu sy i Kashmir . Taitra ihany koa ny tontolon'ny bilaogy Indiana taty afara mikasika ity olana ity ary mizara ireo hafany mikasika ny...

22 Septambra 2010

Sina: Zo hitokona

Ny taona lasa iny no nahitana fihamaroan'ny isn'ireo Sinoa mpiasa mitaky ny zony tamin'ny alalan'ny fitokonana nanerana ny firenena; hetsika tsy ela akory nitakian'ireo mpiasa Sinoa ny zon-dry zareo amin'ny asa tany Rosia no nahatonga resa-be na tao anatiny izany na tany ivelan'ny sisintany.

19 Septambra 2010

Sina: Mpampianatra lalàna iray amidy …

"Yang Zhizhu no anarako ary teo aloha aho dia mpampianatra mpisolo toerana tao amin'ny Anjerimanontolo Fianarana ny Siansa Politika ho an'ny tanora any Sina. Bevohoka tsy nahy ny vadiko ary tsy marisika ny hanala zaza. Tamin'ny 21 Desambra 2009 izy no niteraka ny zanakay vavy faharoa."

16 Septambra 2010

India: Mirehitra indray i Kashmir…

Ny korontana misy amin'izao fotoana any amin'ny faritra Kashmir Indiana dia nateraky ny fanoherana mahery setra nipoitra taorian'ny nivoahan'ny tatitra momba ny fanivaivana ny Korany tany Michigan, Etazonia. 18 raha kely no olona maty ary marobe ny naratra. Mipetraka ny fanontanian'ny olona hoe firy amin'ireny hetsi-panoherana ireny no tena nateraky...

15 Septambra 2010

Korea atsimo: Niteraka adihevitra nafana teo amin'ny mponina ny drafitry ny governemanta ho fampakarana ny vidin'ny sigara

Nanambara mikasika ny fampiakarana avo telo heny ny vidin'ny sigara ny sampana misahana ny fahafalaman'i Korea atsimo mba hanenana ny tahan'ny fifohan'ny mponina manerana ny firenena sigara izay avo dia avo, izany dia niteraka adihevitra haingana teo amin'ny aterineto izay mihodinkodina eo amin'ny vidin'ny sigara. Maro ireo Koreana no mankasitraka...

11 Septambra 2010

Sina: Mendrika ny hahita masoandro mihiratra i Tian Xi

I Tian Xi, 23 taona dia mararin'ny SIDA izay tratran'ny VIH tamin'ny taona 1996 rehefa nampiana rà tany amin'ny tobim-pitsaboana iray any amin'ny faritr'i Xincai, faritanin'i Henan. Noho ny fanaraha-maso ny filaminana, nosamborina izy ny 17 Aogositra ary nafindra tany amin'ny Tobim-pitazonana ireo voampanga tamin'ny 25 Aogositra.

10 Septambra 2010

Ejipta: horohoro vaovao indray ho an'ny fahalalahan'ny aterineto

GV Mpisolovava

Ao anatin’ny andrana vaovao hametraka sakantsakana amin’ny aterineto ao Ejipta lazaina fa hoe hanaovana izay hiarovana araka ny lalàna ny fizaka-manana ara-tsaina dia namoaka fanapahan-kevi-panjakana ny Ministeran’ny kolontsaina Ejiptiana tamin’ny 31 Aogositra 2010 mba hamafàna ireo tranonkala rehetra mamoaka sary sy feo tsy mifanaraka amin’ny lalàna (lah:28) mifehy ny fizaka-manana...

08 Septambra 2010

Venezoela: Nodimandry i Franklin Brito taorian'ny fitokonana tsy hihinan-kanina maromaro nataony

Maty noho ny tsy fahafahany miaina intsony tany amin'ny hopitaly miaramila ny alin'ny Alatsinainy i Franklin Brito Tantsaha Venezoeliana raha nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina izy tamin'ny Jolay 2009 . Niaina tanaty fitokonana tsy mihinan-kanina maro i Brito nanohitra ny fakan'ny fanjakana ny taniny. Manao hetsika noho ity filazana mikasika ny...