· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jona, 2018

Jordania: Mamolavola lalàna mitaky ny tenimiafin'ireo tranonkala ny solombavambahoaka

Nodinihana sy novolavolain'ny parlemanta Jordaniana ny lalàna vaovao mifehy ny tranonkala elektronika izay mitaky amin'ireo mpitantana ny tranonkala mba hanome ny tenimiafin'ny tranonkalan'izy ireo any amin'ny Lehiben-draharaham-panjakana misahana ny Famoahana sy Fanontana pirinty. Raha toa ka mandà izany ny mpitantana, hoy ny volavolan-dalàna, dia hakaton'ireo manampahefana tompon'andraikitra ny tranonkala.

23 Jona 2018

Tanzania: Fisamborana bilaogera noho ny hosoka tamin'ny sarin'ny filoham-pirenena

Hatramin'ny omaly [18 Jona], mandeha ny fifanakalozan-dresaka ao amin'ny tambajotran-tserasera Tanzaniana Jamii Forum. Nandefa vaovao sy ny sarin'ilay bilaogera nosamborina ny Swahili Time androany. Malecela Peter Lusinde, 39 taona, mpanolo-tsaina momba ny solosaina avy any amin'ny faritra Essex, Fanjakana Mitambatra izany.

22 Jona 2018

Fisamboran'i Vietnam mpisolovava sady mpanoratra malaza iray

Nosamborin'ny polisin'ny minisiteran'ny filaminam-pirenena ao Vietnam noho ny fandraisany anjara tamin'ny asa fanakorontanana i Le Cong Dinh. Io Dinh io dia mpisolovava iray malaza amin'ny fanohanana ny demaokrasia, fiarovana ny zon'olombelona ary amin'ny asa soratra. Vondrona famoaham-baovao sy mpampianatra ambony ao an-toerana maro no nanameloka ny fisamborana an'i Dinh.

21 Jona 2018