Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Febroary, 2009
Colombia: Tratra ny fitsikilovana ara-pifandraisana tsy manara-dalana
Tamin’ny herinandro lasa teo, nabaribarin’ny Semana news magazine fa ireo mpiasa sasany tao amin’ny birao misahana ny fiarovana (DAS ny raikipohy amin’ny teny Espaniola), « polisy miafina » an’i Colombia, dia efa nanao fandraisam-peo tsy ara-dalana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety, ny mpitsara, ireo manampahaizana, ary – tamin’ity indray toraka ity – dia ny mpiandraikitra ao amin’ny governemanta mihintsy izay tena akaiky an’i Filoha Alvaro Uribe, koa anisan’izany koa ny Sekreterany manokana ara-dalana sy ny mpiandraikitra avy ao amin’ny birao misahana ny fiambenana azy manokana. Ny ratsy indrindra, araka ny voalaza ao amin’ny boky mpiseho isan’andro (magasine), dia toa hoe namidin’ireto polisy sasantsasany tamin’ny « mpanera govana », antsoina amin’ny anarana hoe guerrillas, mpiantafika na mpanodikodina rongony, ireo loharanom-baovao azo avy tamin’ny horonam-peo an-telefonina tsy ara-dalana. Taitra ny mpamaham-bolongana manoloana ny fanambarana.
Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra
Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy...
Chili: namoaka fantsom-baovao ho an'olo-tsotra ny ONG ho an'ireo iharan'ny herisetra
Niorina ny NGO Víctimas de la Delincuencia [es] (ireo iharan’ny herisetran-jatovo)tao amin’ny renivohitry Chile ao Santiago ny 2006 mba hiarovana, hitarihana sy hanomezana toromarika ireo izay iharan’ny herisetran-jatovo ao an-drenivohitra. Ao anatin’ny tranok’alan’izy ireo, dia milaza fa nisedra ny fotoanan’ny herisetra ny olom-pirenenana (fisotrosotroana, fampitahorana, halatra, fanolanana sy fanararaotana), misy ny horonantsary nampidirina sy mijoro vavolombelona milaza hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no niharan’izany tamin’izy ireo. Mampihatra ny fiovan’ny lalana ao Chile ny tanjon’ny vaomiera, izay hatrami’izao aloha, araka ny feon’ny victimas de la Delincuencia, dia ohatrin’ny manome tombony/rariny ny mpiherisetra fa tsy ny iharan’ny herisetra.
Lebanona: fanambadiana sivily tamin'ny andron'ny mpifankatia
Nisy antso vaovao mba hanomezan'I Liban alalana ny fanambadiana sivily izay tontosaina amin'ny andron'ny mpifankatia tany amin'ny bara iray tany Beyrouth tamin'iny faran'ny herinandro iny. Mpifankatia maro avy amin'ny finoana...
Kambôja : nanokatra ny fitsarana manokana ny Khmer Rouge i Duch
I Kaing Guek Eav, fantatra amin'ny anarana hoe Duch no nitsangana nanoloana ny fitsarana manokana izay tohanan'ny Firenena Mikambana hitsarana ireo mpamono sy mpandripaka olona tao amin'ny Khmer Rouge ao...
USA: Manambady noho ny Fitiavana sy ny Firenena
Na ny fitiavana, na ny viza (visa), na ny fanapahan-kevitra ny hivady dia zavatra tsy moramora. Ao Etazonia izay isian’ny olona mpifindra monina “Tsy ara-dalana” miisa 12 lavitr’isa, dia ny firaiketam-pitia sy ny fampakaram-bady Amerikana no fomba iray ahafahana mamaha ny olana ho ara-dalana. Mitantara ireo mpitoraka blaogy mpifindra monina.
Hong Kong: Nihemotra ny volavolandalàna momba ny fifidianana…………. Resak'alika izany!
Raha toa ka ny fifanarahana tahaka ny filan-kevitry ny fifidianana no nanjary “adin’alika” eo imason’ireo ikoizan’ny lalana , Inona kosa ary izany no anjara asan’ny filan-kevitra momba ny fifidianana? Eny fa na dia ny tanjaky ny adin’alikan’ireo mpanao lalana LSD aza dia rava, mety hisy fanarenana mendrika ao amin’ny lamina tsy ara-demokratika ve ny ady hevitra eo amin’ny filan-kevitry ny fifidianana?