Ahoana Ny Ataon'ny Mpanao Lalàna Rosiana Roa Te Handràra Ny “Fahapelahana” Imasom-bahoaka

Original photograph by Brett Sayer, January 21, 2009. CC 2.0. Edited by Kevin Rothrock.

Sary orizinaly avy amin'i Brett Sayer, 21 Janoary 2009. CC 2.0. Novain'i Kevin Rothrock.

Nalaza nisahirana ny Rosiana mpanao lalàna Rosiana tao anatin'ny taona vitsivitsy, nandany lalàna maromaro hatramin'ny taona 2012, raha niverina teo amin'ny fitondrana i Vladimir Putin ary nanitatra ny fahefan'ny polisy sy nametraka famerana vaovao amin'ny hetsiky ny olom-pirenena Rosiana.

Tamin'ny 29 Oktobra 2015, nanolo-kevitra hanitsy ny Fehezan-dalàna momba ny Heloka ara-pitantanam-panjakana ireo solombavambahoakan'ny Duma Rosiana avy ao amin'ny Antoko Komonista, Ivan Nikitchuk sy Nikolay Arefyev, izay mety hahatsangana lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Fomba fitenim-bahoaka amin'ny fifandraisana ara-nofo tsy nentim-paharazana.” Betsaka ny mampiasa ny teny “firaisana ara-nofo tsy nentim-paharazana” ho teny malefaka kokoa milaza ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana (homosexualité) ao amin'ny lalàna Rosiana. Mbola handatsa-bato volavolam-panitsiana, mbola eo am-pelatanan'ny Komitin'ny “Duma”-mpanjakana misahana ny Lalàmpanorenana sy ny Lapam-panjakana, ihany koa ny solombavambahoaka.

Zara raha nahatratra pejy roa monja ny volavolan-dalàna (№ 916716-6) – izay hametraka ny Andininy faha-6.12.1 ao amin'ny Fehezan-dalàna momba ny Heloka ara-pitantanam-panjakana, ahitana andinin-tsoratra roa monja:

  1. The public expression of nontraditional relationships, consisting of a public demonstration of these distorted sexual preferences in public places—if these actions do not contain a criminal offense–are punishable by a fine on citizens in the amount of 4,000 to 5,000 rubles [$60 to $76];

    Ny filazana imasom-bahoaka ny fiarahana tsy nentim-paharazana, miompana amin'ny fisehoam-bahoaka ireo fironana ara-nofo diso eny amin'ny toeram-bahoaka ireoraha tsy ahitana heloka bevava izany hetsika izany dia azo saziana onitra 4000 ka hatramin'ny 5000 robla [60 dolara amerikana ka hatramin'ny 76 dolara amerikana] ny olom-pirenena ;

  2. Actions envisaged in part 1 of this article—committed on the territory and premises intended for the provision of educational services, cultural institutions, and youth institutions, if these actions do not contain a criminal offense—are punishable by a fine of 4,000 to 5,000 rubles or administrative arrest of up to 15 days.

    Ny fihetsika nosainina amin'ny ampahany 1 amin'ity andininy itynatao tato anatin'ny sisintany firenena sady  anatin'ny faritra fampianarana, toerana ara-kolontsaina, toerana [falehan'ny] tanora, raha tsy ahitana heloka bevava ao amin'ireo fihetsika ireo – dia mahavoasazy lamandy 4000 ka hatramin'ny 5000 robla na fitazonana ara-panjakana hatramin'ny 15 andro.

Na dia tsy nahazo vahana tao amin'ny Duma aza ny volavolan-dalàna, dia mety hampisy olana eo amin'ny zon'ny LGBTI Rosiana ny fandalovany, izay nahitana lalàm-panakatsakanana marobe tao anatin'ny taona vitsivitsy mikendry hanakona ny zon'izy ireo noho ny fiarovana ny ankizy.

Na izany aza, dia ity volavolam-panitsiana ity no fanafihana amin'ny alalan'ny lalàna miharihary indrindra mihatra amin'ny  fiarahan'olon-droa mitovy taovam-panahana ao Rosia hatramin'izao. Na dia milaza fiarovana ny ankizy aza, tahaka ny lalàna 2013 voalaza ao amin'ny Andininy faha-6,21 ao amin'ny Fehezan-dalàna momba ny Heloka ara-pitantanam-panjakana (“lalàna 2013″), dia mandeha tsara mihoatra noho ny lalàna 2013 hatramin'izao ny fanitsiana naroson'i Nikitchuk sy Arefyev satria mandràra ny fanehoana sy ny fampisehoan-kevitra rehetra imasom-bahoaka ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana fa tsy hetsika miendrika “propagandy”  mikendry zaza tsy ampy taona fotsiny.

Raha lany, dia tsy azo ihodivirana ny olana aterak'ilay lalàna, mahatonga ny olana araka ny lalàmpanorenana tamin'ny lalàna 2013 ho manoro indrindra [ny tokony atao]. Amin'ity raharaha ity, nanamafy ny lalàna ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana satria natao hiarovana miharihary ny “soatoavina ara-dalàm-panorenana lehibe indrindra, tahaka ny fianakaviana sy ny fahazazana, ary misoroka koa ny loza ara-pahasalamana mety hahazo ny zaza tsy ampy taona, sy ny fivoarana ara-pitondran-tena sy ara-panahin'izy ireo.” Namoaka didy ihany koa ny fitsarana fa manaja ny lalàmpanorenana ny lalàna 2013 satria “tsy ahitana fitsabahana amin'ny tontolon'ny fizakantenan'ny tsirairay, anisan'izany ny fanapahan-kevitry ny tsirairay amin'ny fironana ara-nofo, [ary] tsy natao handrarana na hanasazy ny firaisana ara-nofo tsy nentim-paharazana amin'ny fomba ofisialy.” Ankoatra izany, nahita ny Fitsarana fa tsy mandrara ny “fitangoronana sy ny famoriam-bahoaka” ny lalàmpanorenana afa-tsy ireo mikendry hampiely vaovao ho an'ny zaza tsy ampy taona.

Amin'ny lafiny iray, ny natolotr'i Nikitchuk sy Arefyev dia mikendry hanasazy ny fahapelahana sy handràra ny zon'ny olona LGBTI tsy hivorivory imasom-bahoaka noho izy lazaina fa tsy misy fanajana zaza tsy ampy taona. Ny volavolan-dalàna, araka ny nanoratana azy, dia hita fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ao Rosia. Vokatr'izany, ny soso-kevitra mandràra ny fahapelahana imasom-bahoaka dia manala ny fiarovana ny fitovian-jon'ny LGBTI Rosiana eo ambanin'ny lalàna izay mandrara izany mazava tsara ao amin'ny Andininy faha 17 (1), 19 (1), ary ny 55 (1) – (2) amin'ny Lalàm-panorenana.

Raha lanian'ny parlemanta ary soniavin'ny Filoha Putin ho lalàna, dia hanandratra ny fandraràna ny fahapelahana imasom-bahoaka ve ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana ao Rosia? Maro no nanantena ny Fitsarana tsy hankatò ny lalàna mandràra antsoina hoe “fampielezan-kevitra pelaka” eo anatrehan'ny tsy ampy taona, saingy tsy nanao izany izy. Ny tolo-kevitra vaovao avy amin'i Nikitchuk sy Arefyev, mandritra izany fotoana izany, dia manohintohina kokoa ny zo fototra Rosiana. Mba hahazoany fiheverana kokoa, dia mila mitady lalana ivelan'ny komity sy ny bokin-dalàna ao Rosia ny tolo-kevitra.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy anefa, raha resahana ny rafitra mpanao lalàna Rosiana, no nitrangan'ny zavatra hafahafa maromaro.

James M. Slater dia mpisolovava ao amin'ny Kozyak Tropin & Throckmorton, LLP ao Miami, Florida. Manana traikefa lehibe tao amin'ny Federasiona Rosiana sy ny Fikambanan'ny Firenena Mahaleotena izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.