Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Febroary, 2019
Hetsik'ireo Makedoniàna Mpampanofa Vatana Mba Hitakiana Ny Tsy Hiheverana izany ho Heloka Bevava, ho Fanefitry ny Herisetra
Nandritra ny Andro Iraisam-pirenena hanoherana ny herisetra atao amin'ireo mpampanofa vatana, nidina andalam-be ireo Makedoniana mpampanofa vatana mba hitaky fomba fiasa ara-drariny sy araka ny maha-olona.
Mpikatroka Singapaoreana voasazy higadra 16 andro an-tranomaizina taorian'ny fampiantranoana lahatsarin'antsafa nifanaovana tamin'i Lee Wong tanora mpitarika ao Hong Kong
"Tsy misy sazy izay heveriko ho rariny, satria tsy tokony ho voampanga velively izy."
Bilaogera Birmana voaheloka higadra roapolo taona sy enimbolana an-tranomaizina
Nanameloka an'i Nay Phone Latt higadra roapolo taona sy enim-bolana an-tranomaizina ilay mpitsara Daw Soe noho ny fananana lahatsary voarara sy ny fananana bilaogy hanehoana ny ahiahiny mikasika ny zava-tsarotra tsy mitsaha-mitombo atrehin'ny vahoaka Birmana amin'ny fanehoana ny heviny hatramin'ny fihetsiketsehana ny taona (2007) .
Karatra SIM Roa tapitrisa Novonoina Tao Zambia
Miatrika olana ankehitriny ireo Zambiana tsy nahavita nanoratra ny karatra SIM amin'ny anarany -- milaza ireo mpanao gazety sy ireo mpitarika antoko mpanohitra fa fanitsakitsahana ny fianana manokana sy ny zon'ny olom-pirenena hifanerasera ilay famonoana karatra.
Zambia: ” Noho Ny Antony Ara-Piarovana No Hanoratana Ny karatra SIM Amin'ny Anarana Manokana”
Miteraka adihevitra be eo amin'ireo mpampiasa aterineto sy ny vahoaka ny fampidiran'ny sampandraharaha mpandrindra ny fifandraisana ao Zambia ny fampanoratana anarana ny karatra SIM mba ahafahana manangana angon-drakitra azo antoka ho an'ireo mpanjifa.
Iran: Nogadraina sy norahonana ireo mpanoratra antserasera ary an-tapitrisany ireo tranonkala nakatona
Miatrika fotoan-tsarotra ireo mpanoratra antserasera Iraniana. Fintinintsika amin'ny teny telo ny zava-misy ankehitriny ao Iran: Fonja, Sivana sy Fandrahonana.
Ejipta : Niakatra tribonaly miaramila ilay mpisera Facebook
Gaga sy tafintohina ny ankamaroan’ireo mpisera Facebook Ejipsiana rehefa niakatra fitsarana miaramila ny iray tamin’izy ireo ; Ahmad Hassan Bassiouny ; noho ny nananganany vondrona namoaka ny dingana arahina amin'ny raharaha miaramila tsy maintsy atao.
Mifototra Amin'ny Inona Ireo Fiampangana Ho Maniratsira Ao Afovoany-Atsinanana? (Tsy fivavahana fotsiny izany)
Voaheloka ho faty noho ireo zavatra nosoratany teo amin'ny Tranonkala i Mohamed Cheikh Ould Mohamed, maoritaniana blaogera , iray vaovao nidiran-doza noho ny nataon'ny governemanta izay mampiasa ny "fivadiham-pinoana" ho toy ny antony mba hamoretana ny lahateny politika rehetra.
Voampanga ho “nikasi-tanana zatovolahy” tao Kashmir ilay lehiben'ny tafika nomena mari-boninahitra
Resabe taorian'ny fiampangana ilay lehiben'ny tafika Indiana nomena mari-boninahitra ho nikasi-tanana zatovolahy iray tao Kashmir.
Voafetra ve ny asa fanaovan-gazety any Taiwan ?
(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza ny tatitra fa mametra ny asa fanaovan-gazety i Taiwan ary nahemotry ny Freedom House ny laharan'ity firenena nosy ity...