Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Septambra, 2020
Angola: mpanao fihetsiketsehana mitaky ny rariny momba ny nahafaty an'i Dr Sílvio Dala tany am-pitazonana azy
Toherin'ny Sendikàn'ny mpitsabo ao Angôlà ny fanazavàna naroson'ny pôlisy nilaza hoe naratra i Sílvio Dala rehefa avy tsy nahatsiaro tena ka nidaraboka.
Fotoana izao hanesorana an'i Sodàna tsy ho anatin'ny lisitr'i Etazonia manondro ireo firenena mpampihorohoro
Tamin'ny 1993 i Sodàna no tafiditra tao anatin'ilay SST, lisitr'i Etazonia ahitàna ireo firenena mpanohana ny asa fampihorohoroana, saingy tsy misy na iray aza amin'ireo antony naroso tamin'izany fotoana izany no mbola mitombina ankehitriny. Fotoana izao tokony hanesorana azy tsy ho ao anatin'ilay lisitra SST intsony
Fihetsiketseham-panoherana tarihin'ny tanora ao Thailandy mahazo fanohanana avy amin'ny olom-pirenena mitaky ‘demaokrasia tena izy’
"Fotoana izao ilaina ny fanovana. Amin'izao fotoana izao, tsorina, tsy ho tonga eto noho ny hoavinay izahay, fa ho an'ny hoavin'ny zanakay."
Antso firaisankina amin'ny fankalazana ny fahaleovantenan'i Trinite & Tobago
Nampivadika tanteraka an'i Trinite sy Tobago ny fifidianana ankapobeny ary nampiharihary izay azo hazavaina ho endriny ratsy amin'ny ambany foitrany[...] fa hita maso amin'izay ny fifanenjanana mikotrika eo amin'ny samy foko, indrindra fa eo amin'ny Indo-Trinbagonianina sy ny Afrô-Trinbagonianina.[...]
Poeta mpikatroka Myanmar voaheloka noho ny fanoherana ny fahatapahan'ny aterineto
Nisongadina tao amin'ny fihetsiketsehana ny sora-baventy manao hoe: “Nakatona ve ny aterineto hanafenana heloka an'ady sy hamonoana vahoaka?”
Farafahakeliny vehivavy mozambikana mpianatra polisy 15 no bevohokan'ny mpampianatra azy ireo, araka ny dosie ao anatiny
Mpiserasera maro no naneho ampahibemaso ny fahasorenany manoloana ny fanapahan-kevitry ny sekoly, ery nitaky ny rariny ho an'ireo vehivavy ireo.