Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Septambra, 2011
Jordana : Adin'ny MP (Mambran'ny Parlemanta) Amin'ny Tanora
Ny fivorian'ny Antenimiera tao Amman, Jordana tamin'ity herinandro ity, no niatombohan'ny tsy fahafalian'ny mponina, indrindra teny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny tanora. Ireo tanora Jordaniana dia romotra be tao anatin'ilay adihevitra. Nanazava i Nadine Toukans.
Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy
Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Noraisin'ny mponina an-kafaliana ilay fanapahan-kevitra.
Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka
Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana. Andro...
Arabia Saodita : Mpiaro Ny Zon'olombelona Niakatra Fitsarana
Niatrika fitsarana nasionaly tao Jeddah noho ny "faniratsirana ny fitsarana" ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona, Waleed Abu Alkhair (@abualkhair) . Saodiana maro mpandefa tweet no niresaka ilay raharaha tao amin'ny Twitter mba hanehoana ny fanohanany sy hanakianana ny fomba fiasan'ny manampahefana manoloana ireo mafàna fo.
Makedonia: Tsy nigadra ireo nandray anjara tamin'ny herisetra nandritra ny adim-poko
Nahazo sazy mihantona ireo rehetra fantatra fa nandray anjara tamin'ny herisetra nandritra ny adim-poko tamin'ny volana febroary 2011, tao amin'ny lapa-manda tao Skopje (Kale), nandritra ny fitsarana natao an-tsokosoko. Tanora...
Iran: Vehivavy Iray Mpitoraka Bilaogy Voakaravasy in-50
Ireto ireo teny nosoratan'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Somayeh Tohidloo[fa] tanatin'ny bilaoginy taorian'ny nikaravasiana azy in-50 tany amin'ny fonjan'i Evin ny 14 Septambra 2011: Mifalia, satria raha ny hanala baraka ahy no tanjonareo, ambarako fa mararin'izany famerezan-jo izany ny tenako iray manontolo
Makedonia : Mbola Tsy Miraharaha Ny Fangatahan'ireo mpanao Fihetsiketsehana Ny Manampahefana
Ny rantsana mpanao lalàna sy mpanantanteraka ao amin'ny governemantan'i Makedonia dia mbola manohy tsy miraharaha ny fangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny herisetran'ny mpitandro filaminana, ireo olona nandray anjara tamin'ilay hetsika nandritra ny telo volana dia nangataka ny mba hitohizan'ilay hetsika.
Kazakhstan: Nitory Ny Fiverimberenan'ny Sakana Atao Amin'ny LiveJournal Ireo Bilaogera
Ny 19 Aogositra, ny sehatra fitorahana bilaogy lehibe indrindra amin'ny teny Rosiana, Livejournal, dia voasakana tao Kazakhstan, herintaona latsaka taorian'ny namerenana nanokatra indray ny fahafahana miditra tao aminy tany amin'ny faran'ny taona 2010.
Ao anatin'ny Fonjan'i Kambodza
Miha ratsy hatrany ny fahateren"ny fonja miohatra amin'ny habetsahan'ny olona ao amin'y fonjan'i Kambodza, araka ny fanadihadihana iray navoakan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona. Nisy ny famoronana sarin-tany ahitana ny toerana be gadra indrindra. Etsy ankilany, bilaoginà voafonja iray no namoaka ny fiainan'ny gadra ao amin'ny fonjan'i Kambodza .
Ejipta: Gidragidra niseho na tanaty na ivelan'ny efitra itsarana an'i Mubarak
Fitantarana manokana mikasika ny Revolisiona Ejipta taona 2011 ity lahatsoratra ity. Notontosaina omaly ny fitsarana ny filoha Ejipsiana voaongana Hosni Mubarak noho ny famonoana nataony tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny...