· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Mey, 2012

Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter

  30 Mey 2012

Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.

Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

GV Mpisolovava  29 Mey 2012

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."

Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona

  29 Mey 2012

Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.

Ejipta: Tafatsangana Indray I Ahmed Shafiq

Navoakan'ny sombim-bokatra valim-pifidianana filoham-pirenena ejipsiana fiodinana voalohany fa ny kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana Mohamed Morsi sy ny Praiminisitra teo aloha Ahmed Shafiq no hifanandrina amin'ny fiodinana faharoa hotontosaina amin'ny 16 sy 17 Jona. Niteraka hatairana tamin'ny maro tokoa ny fisongadinan'i Shafiq, iray amin'ny “feloul” na “sisa tavela” tamin'ny fitondrana Mubarak. Tarataratra ihany fa ny ankamaroan'ny...

India: Fifandonana tao Tamil Nadu Noho Ny Fanoherana Ilay Orinasa Mpamokatra Nokleary

  20 Mey 2012

Nampitombo ny ahiahin’ny vahoaka ny fametrahana ny  Kudankulam Nuclear Power Project (KKNPP) (Tetikasa Nokleary Matanjaka), ao amin’ny distrikan’i Tirunelvel ao Tamil Nadu, ao India, izay eo am-panamboarana ankehitriny, satria mety hiteraka voka-dratsy tahaka ny  fipoahan’ilay orinasa mpamokatra nokleary  Fukushima  ao Japana izany. Manahy  ny mpikatroka fa rehefa misy  horohoron-tany arahinà  tsunami ao...

Korea Atsimo: Moines Tratra Niloka, Nigoka Ary Nifoka

  17 Mey 2012

Tao Korea Atsimo, mpitarika enina avy amin0ny holafitry ny Bodista goavana indrindra ao amin'ny firenena no tratra nilalao Poker niaraka taminà tontona avo dia avo, no sady nisotro sy nifoka ihany koa. Ilay tranga dia niparitaka tamin'ny alàlan'ny lahatsary iray nivoaka an-tsokosoko, nampiseho ireto 'moines' mitana toerana ambony ireto niloka tao aminà hotely mihaja lehibe iray manamorona ny renirano, andro vitsy monja nialoha ny fety fankalazan'ny iray firenena ny nahaterahan'i Buddha.

Armenia: Fandresen'ny Mpikatroka Miaro Ny Tontolo Iainana

Taorian'ny telo volana nisian'ny fihetsiketsehana sy sit-ins tsy ankiato nokarakarain'ireo mpikatroka ho amin'ny tolona hanavotana ny zaridainan'i Mashtots, nanome baiko ny hanesorana hatramin'ny fakany ny foto-drafitrasa efa tafaorina noho ny faharatsian'endriny ny filoha Armeniana, Serzh Sargsyan, antony iray tsy tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireo mpitolona manohitra ny fananganana tsy ara-dalàna atao amin'ny iray...

Pakistana: Fihetseham-pon'ny Olona Manoloana Ny Didim-pitsarana Manafintohina Azon'ny Praiminisitra

  07 Mey 2012

Nifarana ihany ny toe-draharaham-pitsarana nahavoarohirohy an'ny Praiminisitra Pakistaney Yousuf Raza Gilani. Didim-pitsarana sarintsariny 37 segondra fotsiny no sazy navoakan'ny fitsarana ho an'ny Praiministra, ho famaranana ny raharaham-pitsarana naharitra tao anatin'ny telo volana. Nilaza ny mpandinika fa tsy hamaha ny olana momba lalampanorenana efa misafotofoto  ny didy navoaka, fa vao maika hampitombo olana...

Kolombia: Zazalahy 12 Taona Maty Noho Ny Vono Nahazo Azy Tany Am-pianarana

  01 Mey 2012

Zazalahy kely 12 taona no maty herinandro lasa izay noho ny vono nahazo azy tamin'ny fiarovany ny mpiara-mianatra taminy. Na dia nanambara aza ny mpitsabo mpahay lalàna fa aretin'ny taolana no nahafaty azy, nandà izany fanapahan-kevitra izany ny reniny [es] sy ireo manam-pahaizana vitsy [es] ary nilaza fa ilay fidarohana azy no antony tena niteraka ny fahafatesany. Mihetsi-po amin'ny fahafatesan'ity zazalahy ity ireo Kolombiana mpampiasa aterineto.