Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Novambra, 2020
Lasibatra kokoa mihoatra noho ny hafa ve ny olompirenena sasany ao Trinidad-sy-Tobago raha resaka lalàna momba ny COVID-19 no resahana?
Betsaka no manahy hoe hitatra ho lasa fanampin'ny fanitsakitsahana ny lalàna misy ny fifanoheran-javatra momba ireo olona nentina hiatrika fitsaràna noho ny tsy nanarahany ny fepetra momba ny COVID-19
Porofo vaovao mampiseho fa nampian'ny polisin'i Hokg Kong i Shina hisambotra ireo mpikatroka 12 nandositra tany Taiwan
Ny 23 Aogositra, nandositra tamin'ny alàlan'ny sambo haingam-pandeha niala an'i Hong Kong ho any Taiwan ireo mpikatroka, toerana tokony nahazoany fialokalofana, saingy nosamborin'ireo mpiandry morontsiraka shinoa ary ankehitriny tazonina ao Shenzen.
Vondrona mpianatra Maleziana miatrika fanadihadiana vokatry ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook nanentana ny mpanjaka tsy hitsabaka resaka politika
"Tsy afaka miroborobo ao anatin'ny tontolon'ny sivana sy ny famerana ny fitenenana ary ny fanehoan-kevitra tsy mifandanja ny fandalinana akademika sy ny fampiroboroboana ny zon'olombelona."
Dokambarotra indiàna nanasongadina ankohonana iray miozolmàna Hindo, nesorina taorian'ny valibontan'ny elatra havanana
Asehon'ilay dokambarotry ny Tanishq ny vehivavy iray hindo mitafy sari sy firavaka notarihan'ny rafozambaviny miozolmàna hamonjy fety nentindrazana hindo fanao amin'ny fampandroana zazamena.
Ho an'ny fitsaràna Eorôpeàna dia tsy manantsiny amin'ny resaka fanalàna baràka nanenjehana azy tamin'ny 2010 ilay Makedôniàna mpanao gazety
Manandanja ho an'ireo Makedôniàna mpanao gazety sy mpikirakira vaovao io fanapahankevitra io, ary ho an'ny olona rehetra miseho vahoaka amin'ny ankapobeny, satria manosika azy ireo hanana fotokevitra, hitazona ny teniny, hijoro ho sahy sy hanana faharetana
Lasibatry ny manampahefana ao Hong Kong ny fanabeazana ka manivana ny tenany ireo mpampianatra
Nanoratra tamin'ny fanadihadiana ny mpamaly iray fa nametraka fitoriana ny ray aman-drenin'ny mpianatra iray noho ny antony fotsiny hoe nanao sarontava mainty tany an-dakilasy izy.