Tsy tian'ny mpitondra fahefana ity fanazavana an-tsary mampiseho ny tokony hanitsiana ny lalàna fanimbazimbana ny mpanjaka ao Thailandy ity

Summary of Lese Majeste cases in Thailand. Infographic from the Flickr page of Prachatai, a content partner of Global Voices

Fehin'ireo fanimbazimbana ny Manjaka ao Thailandy. Fanazavana an-tsary avy amin'ny pejy Flickr an'i Prachatai, mpiara-miombon'antoka amin'i Global Voices
INONA NO METY HAMPIDITRA ANAO AM-PONJA AO THAILANDY NOHO NY FANIMBAZIMBANA NY MPANJAKA?
1. Kisoratsoratra amin'ny rindrina any amin'ny efitra fidiovana/fivoahana
2. Tantara tsangana
3. Fihetsika amin'ny tanana
4. Famoahana lahatsoratra
5. Resadresaka anaty taxi
6. Tsy mijoro mandritra ny hiran'ny fanjakana [hiram-pirenena]
7. Mametraka dosie ao amin'ny fitehirizana virtoaly
8. Mandefa sms
9. Mandrovitra ny sarin'ny mpanjaka
10. Mivarotra CD [Kapila mangilatra]
11. Manitsaka ny sarin'ny mpanjaka
12. Mandika boky ho amin'ny fiteny hafa
13. Mizara trakitra

Misy fanazavana an-tsary iray navoakan'ny tranonkalam-baovao iray Prachatai mamehy ireo tranga Lese Majeste (fanimbazimbana ny mpanjaka) niseho tao anatin'ny taona vitsivitsy tao Thailandy nanaitra ny fifantohan'ny fitondra-miaramila tao amin'ny firenena, ka naniraka manamboninahitra 10 avy hatrany hanadihady ny toniam-baovao amin'ny teny anglisy an'io tranonkala io avy hatrany.

Nanamafy i Thaweeporn Kummetha, tonian'ny Prachatai amin'ny teny anglisy, fa tsy faly tamin'ilay fanazavana an-tsary ny tafika, satria “heverina ho malalaka loatra amin'ny famariparitana ny hahenjan'ny lalànan'ny fanalam-baraka ny fitondrana entim-panjaka tokana.” Nanampy ihany koa ny manampahefana fa “manajavozavo be loatra ilay sary ka mety hiteraka fahadisoam-pahazoana azy.”

Ankilan'ny fanasongadinana ny halavan'ny fotoana fanagadrana miaraka amin'ny fiampangana misy Lese Majeste, dia asehon'ny fanazavana an-tsary ihany koa ny fomba mety hampigadra ny olona heverina ho tsy manao na inona na inona akory ho fanafintohinana .

Ny lalànan'ny Lese Majeste ao Thailandy, na ny Andininy faha-112 amin'ny Ady Heloka Bevava, dia heverin'ny maro amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho iray amin'ny henjana indrindra eto ambonin'ny tany sady efa lany andro tanteraka. Efa taona maro izay ny mpampianatra sekoly ambony sy ny mpikatroka no efa nanao fanangona-tsonia ho an'ny governemanta hanavaozana ity lalàna ity.

Olomanga tiambahoaka ao Thailandy ny mpanjakany ary hery mampiray ny firenena. Mikiry ny governemanta fa ilaina tanteraka ny fametrahana ny lalànan'ny Lese Majeste hiarovana ny fitondrana entim-panjaka sy ny filaminan'i Thailandy.

Nandritra ny fotoana nandrombahan'ny tafika ny fahefana tamin'ny 2014, dia niakatra tampoka ny isan'ny raharaha mifandraika amin'ny Lese Majeste, izay mahatonga ny sasany hanondro ny teti-panoron'ny governemanta hampiasa ny lalàna ho fampanginana ny mpitsikera sy ireo mpitariky ny mpanohitra. Mbola nitohy ihany izany fironana izany na dia efa napetraka aza ny governemanta sivily notendren'ny miaramila.

Ilay fanazavana an-tsary dia nivoaka tao amin'ny lahatsoratra iray izay mifandrohy amn'ny raharahan'ny Lese Majeste manokana. Ohatra, ny laharana voalohany ao amin'ny fanazavana an-tsary dia manondro ilay mpitendry mozika iray nosamborina noho ny fanoratana graffiti mamely ny mpanjaka tao amin'ny efitra fandroan'ny tsenambarotra iray. Laharana faharoa indray miresaka tantara an-tsangana tao amin'ny oniversite izay ‘nanopa’ ny mpanjaka.

Saingy ny tranga Lese Majeste malaza indrindra dia ny laharana fahavalo ao amin'ny fanazavana an-tsary, izay manondro ilay olompirenena zokiolona iray izay nosamborina fa nandefa SMS iray heverina ho manohintohina ny fitondranm-panjaka tokana. Niteraka tsikera mamaivay sy adihevitra henjana ny didy fanagadrana azy 20 taona sy ny fahafatesany raha mbola tany am-ponja, tsy tao amin'ny fireneny tao Thailandy ihany fa tany amin'ny firenenkafa maro hafa ihany koa.

Na dia maro aza ny antso avy amin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, ny vondrona mpampita vaovao sy ireo governemanta hafa ny hiheverana indray ny fametrahana ity lalànan'ny Lese Majeste ity, dia nilaza i Thailandy fa iankinan'ny aindehibe ity lalàna ity hitandroana ny fiarovam-pirenena. Saingy mbola manohy ny fanentanana ireo mpiaro ny fahalalaham-pitenenana amin'ny ijerena indray sy ny hanesorana mihitsy ny lalàna aza, izay heverin-dry zareo ho ampiasain'ny fitondra-miaramila ho fitaovam-pangejana.

Thaweeporn Kummetha no mpanao gazety farany indrindra nampanantsoin'ny tafika noho ny famoahana lahatsoratra izay heverina ho manimba ny filaminam-bahoaka na manopa ny fitondra-mpanjaka tokana. Tsy misy ny vesatra iampangana an'i Thaweeporn Kummetha, saingy namepetra ny Prachatai ny tafika mba hitandrina bebe kokoa amin'ny famoahana lahatsoratra izay mety hiteraka fisavoritahana.

Nisento ihany satria raha voafelaky ny raharaha Lese Majeste tao i Thaweeporn Kummetha, dia tsy maintsy nanova ny fanazavana an-tsariny ny Prachatai — hanampy fa mety hampigadra ao Thailandy amin'ny resaka Lese Majeste ihany koa ny famoahana fanazavana an-tsary.

Image from the Flickr page of Prachatai

Sary avy amin'ny pejy Flickr an'ny Prachatai

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.