Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Febroary, 2018

28 Febroary 2018

Polonina: Nisy Nangalatra Tao Auschwitz Ny Famantarana ‘Arbeit Macht Frei’

Nisy nangalatra teo amin'ny vavahadin'ny tobim-pahafatesan'ny Nazia taloha tany Auschwitz, akaikin'i Krakow ny famantarana hoe Arbeit Macht Frei' ('Manafaka Anao ny Asa).

Eoropa Atsinanana : Lahatsary Maneho Fa Mihakatra Be ny Tahan’ny Fankahalàna Ny Fiarahan'ireo Mitovy Fananahana

Zon'olombelona an-tsary

Notanterahana ny 20 Sept 2006 tao Maosko ny hetsika farany mikasika ilay tantara mitohy ho fanoherana ny herisetra atao amin’ireo lahy samy lahy miaraka ary ny famoretan’ny fanjakana

Tatitry ny Mpisera: Anaty Antontan-taratasy Niporitsaka, Tenenin'ny Kaomisiona Eoropeana Mba Hifehy Ny Tenany Tsy Hanao Kabary Mandratra Ireo Orinasa Momba Ny Teknolojia

GV Mpisolovava

Ny tatitry ny mpisera Advox dia manolotra topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena, ary ireo fironana mipongatra momba ny zo amin'ny aterineto manerana izao tontolo izao.

27 Febroary 2018

Paragoay : Mba Hivelomana, Mibodo Ireo Tany Tsy Misy Mampiasa Ireo Taranaka Tantsaha

Nahita toerana hanorenana trano ho an'ny fianakaviany tamin'ny alàlan'ny fomban-drazana, fibodoana ny tanin'ireo voanjo taloha i Mariano Castro. Fa nivadika ho zava-doza izany ho an'ny zanany.

24 Febroary 2018

Noho Ny Fanangonam-bola Avy Amin'ny Mpamaky, Hampiakatra Ny Raharaha Nitorian'ny Orinasa Fitrandrahana Volamena Azy Ny Tranonkalam-baovao Malaysiakini

GV Mpisolovava

Mety hitarika ny haino aman-jery tsy hamotopototra sy hitatitra ny olana momba ny  tombontsoam-bahoaka izay mahakasika ireo orinasa lehibe izany. Fa vao mainka hampihena ny fahalalahan'ny media ao amin'ny firenena.

23 Febroary 2018

Voatsikera Ho Toy ny “Mifanohitra Amin'ny Zon'Olombelona ” ny Fanilihana Kandidà Amin'ny Fifidianana Solombavambahoaka ao Hong Kong

"...nampiasa ny hevitra politika na ny fiarahamiasa ho antony iray tsy anomezana azy ny zo hilatsaka ho fidiana ilay fanapahankevitra - izay tsy am-pisainana, tsy ara-dalàna ary tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana..."

22 Febroary 2018

Tatitry Ny Mpisera: Ny Sanda Lafon'ny Fanakatonana ny Aterineto ao Kamerona

GV Mpisolovava

Manome tatitra iraisam-pirenena momba ireo fanamby, ireo fandresena ary ireo fironana vao mipongatra momba ny zo amin'ny aterineto manerana ny tany ny Tatitry ny Mpisera ao amin'ny Advox.

20 Febroary 2018

Nahilik'i Aostralia ary Nomelohina Higadra ao Indonesia, Manohitra ny Fiainana Tsy Antany Tsy Amparafara Ny Mpitsoa-ponenana

Ny Tetezana - The Bridge

Nanameloka ity "Vahaolana Indoneziana" ity ireo fikambanana tsy miankina Aostraliana, milaza fa mandoa vola "an-jatony tapitrisa dolara ho an'i Jakarta ny governemantany mba hanagadrana sy hametrahana ireo mpangataka fialokalofana. Mamela ireo mpifindra monina mba hotazonina hatramin'ny 10 taona tsy misy fandinihana ara-pitsarana ny lalàna Indoneziana.

14 Febroary 2018

Lalàna Vaovao Ao Macao Momba Ny Fiarovana an-Tserasera, Ahoana Ny Ho Fiantraikany Amin’ny Fahalalahana Maneho Hevitra?

GV Mpisolovava

Nantsoin'ny ny Fikambanan’ireo Mpiasam-Mpanjakana ao Macao (MCSA) ho "tsy ara-drariny, miangatra, ary tsy ara-dalàna" ilay volavolan-dalàna natao hanaraha-maso amin'ny alalan'ny rafitra 'binary' ireo angon-drakitra ety anaty serasera

13 Febroary 2018

Hatramin'ny Taona 2016, Nohelohin'ny Fitsarana ao Myanmar Daholo Ny 100%-n'ny Olona Voampangan'ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra 66 (d)

GV Mpisolovava

"Samy nanome sazy an-tranomaizina ny fitsarana tsirairay ary tsy nisy nanome onitra."