Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2011

29 Aogositra 2011

Tokony Hanondrotra Ny Karama Farany Ambany Ve i Thailandy?

Zavatra anisan'ny nampanatenain'ny praiminisitra Yingluck Shinawatra sy ny Antoko Pheu Thai ny hanondrotana ny karama farany ambany ao Thailandy izay manodididina ny 160 baht ho lasa 300 Baht (US$10) ny andro iray. Araka ny efa nampoizina dia mandà izany fanondrotana ny karama farany ambany izany ny mpandraharaha. Ireto misy fihetseham-po...

25 Aogositra 2011

India : Mafàna fon'ny RTI sady Mpiaro Tontolo Iainana Novonoina Antoandro be Nanahary

Shehla Masood (39), mahery fo sy mpiasa ao amin'ny ONG Right To Information , na Zo hahazo Vaovao dia maty voatifitra teo anoloan'ny fonenany ao Bhopal ny Talata maraina. Fantatra tamin'ny fanentanana hiarovana ny tontolo iainana ihany koa izy. Maneho ny heviny ireo mpampiasa Twitter momba ity fahafatesana mampalahelo ity.

24 Aogositra 2011

Shina sy Hong Kong: Voasambotra noho ny fiakanjoana T-shirt politika

Nanao fitsidihana telo andro, izay nanomboka ny 16 aogositra 2011, tany Hong Kong i Li Keqiang, lefitry ny premier shinoa ankehitriny sady ny handimby ny premier [Lehiben'ny governemanta] ankehitriny. Ny andro voalohan'ny fitsidihana nataony dia niseho ho miahy [mijery] ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Hong Kong i Li tamin'ny famangiana trano...

21 Aogositra 2011

Tonizia: ” Mitaky Fitsarana Mahaleotena ny Vahoaka”

“Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka" io no hevi-dehibe nohindrahindraina tato ho ato teny amin'ny araben'i Tonizi. Afef Abrougui nijery ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera taorian'ilay famotsorana ireo minisitra roalahy sady namana akaiky an'ilay lehilahy matanjaka Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ary nahatonga antso hanaovana hetsi-panoherana maro hatrany ny famotsorana...

20 Aogositra 2011

Ejypta : Asmaa Mahfouz Nohadihadian'ny Fitsarana Ady Miramila

GV Mpisolovava

Mpitolona ejypsiana Asmaa Mahfouz , iray amin'ireo mpanorina ny Hetsika 6 aprily no nohadihadian'ny  fampanoavana ao  amin'ny fitsarana ady miaramila ny Alahady 14 aogositra lasa teo satria voalaza fa “nanevateva ny komandin'ny tafika ary niantso fikorontanana”. Voamarina tamin'ny resadresaka vao haingana tamin'ny finday nataony niaraka tamin'ny fahitalavitra Al-Nas mandeha amin'ny zanabolana ireo fiampangana an'i Asmaa ary...

18 Aogositra 2011

Pakistana: Nahazo Rariny Ny Tanora Taorian'ny Nivoahan'ny Lahatsarin'ilay Vono olona Tsy Nandalo Fitsaràna

Ny 8 Jona 2011, maty voatifitra ny tovolahy iray 19 taona, tena tfitra akaiky tokoa nataonà Rangers Pakistane iray tao Karachi. Nivoaka anefa ny lahatsary izay nahatonga ny maro hisaina fa tsy nitondra fitaovam-piadiana izany io tanora io. 2 volana monja taorian'ilay zava-nitranga, voaheloka ho faty ilay manamboninahitry ny rangers...

16 Aogositra 2011

Brezila: Reharehan'ny ‘Hétéro’ sa Tsy Fandeferana ny ‘Homo'?

Ny 2 Aogositra 2011, ny filankevitry ny tanànan'i Sao Paulo, Brezila, dia nametraka Andro Ho An'ny Tsy Mitovy Mifanambady, hetsika iray hankalazaina isaky ny Alahady fahatelo amin'ny volana Desambra. Manontany ireo mpampiasa aterineto sorena hoe: misy dikany ve ny hanokànana andro iray ho anà maro an'isa ara-tsosialy izay tsy nizaka...

Tontolo Arabo: Mijery an'i Londres “May” Amin'ny Valantserasera

Mizara ny heviny mahakasika ilay fandrobana misy ankehitriny ao Grande Bretagne ireo mpisiokantserasera Arabo, fandrobana izay nanomboka telo andro lasa izay taorian'ny namonoan'ny polisy ilay tovolahy 29 taona Mark Duggan tao Tottenham, avaratr'i Londre. Maro ireo tsy nankasitraka ny mpandroba sy ny fanimban-javatra nataon'izy ireo, izay nahahenika ny faritra maro...

15 Aogositra 2011

Bangladesh : Teratany Sa Tsy Teratany, Izany No Fanontaniana

Volana vitsivitsy izay, olona teratany Bangladeshi maro no nidina an-dalambe hanao fihaonana, rojon'olonmbelona sy fifamoriana, mitaky ny fankatoavan'ny lalàmpanorenana ny mponina any amin'izy ireo. Manambara ny heviny koa ireo Bilaogera momba ity raharaha ity.

11 Aogositra 2011

Moldova: Fidarohana Mpanao Gazety Nahatonga Resabe Tao Amin'ny Aterineto Momba Ny “Fomba Fiteny “

Nahatonga resabe tao amin'ny aterineto momba ny habibiana izay nizizotra ela loatra teo amin'ny Moldavy maro an'isa sy ireo Rosiana vitsy an'isa ao amin'ny firenena ny herisetra iray nianjady taminà mpanao gazety Moldavy iray.