Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jona, 2013
Voasakana Tany Etazonia dia Nipoitra Tao Rosia Indray Ilay Lalàna SOPA
Niverina ny lalàna Amerikana "Stop Online Piracy Act" (Ajanony ny Fijirihana Anaty Aterneto) - ary efa hihatra afaka herinandro eo ho eo. Tsy ao Etazonia anefa ny SOPA no hivoaka, toerana izay nahitàna fihetsiketseham-bahoaka notontosain'ny fikambanan'ireo orinasa misahana ny aterineto, fikambanana Mpiaro ny Zon'olombelona, ary ireo mpampiasa aterneto mba hitsipahana ny lalàna tamin'ny volana Janoary 2012. Lalàna iray mamolavola sazy henjana ho an'ireo izay manitsakitsaka anaty Aterneto ny zon'ny mpamorona no eo an-dalam-panantanterahana ao Rosia.
Mandroso Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety Rosiana ny Lakozian'ny Kremlin
Novaya Gazeta, iray amin'ireo gazety mpanohitra antitra indrindra ao Rosia, dia nampiditra ny tompon'ilay trano fisakafoanana tena ankafizin'i Vladimir Putin, tanatina raharaha hafahafa mba handisoana ireo sehom-baovao maro mavesa-danja indrindra any amin'ny firenena. Araka ny nolazain'i Novaya, ny "Concord" an'i Prigozhin, orinasa mpikarakara sakafo mifandraika amin'ny Kremlin [ru] dia tafiditra anatina firaisana tsikombakomba avo lenta mba hanaparitahana vaovao tsy marina any amin'ireo gazety maro ao Rosia, miendrika dokambarotra, mba handresena lahatra ny vahoaka fa ahofa ilay vaovao.
Herisetra Be Tamin'ireo Mpifakatia Mitovy Fananahana Sy Ireo Mpanohana Any Rosia
Ny fotoana laninao nanohanana ireo zon'ny LGBT, dia hitondra anao haka aina eny amin'ny toby fitsaboana.
Vietnam: Mpitoraka Bilaogy Voasambotra, Voampanga Ho Nanaparitaka Fampielezan-kevitra “Manohitra Ny Fitondrana”
Mpitoraka bilaogy telo avy any amin'ny mpanohitra ao Vietnam no nosamborina tanatin'ny iray volana latsaka. Samy voampanga ho nanaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana avokoa izy telo ireo.
Saodiana Mafana Fo Voampanga Hiditra An-tranomaizina Mandritra Ny Valo Taona
Abdulkareem al-Khadar, mpikambana mpamorona ny fikambanana miaro ny zon'olombelona mpanohitra ny Fanjakana, ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Politika Sy Sivily (ACPRA), dia notsaraina ary nosaziana valo taona am-ponja noho ny fanairany ny hevi-bahoaka sy ny fametrahany fikambanana miaro ny zon'olombelona tsy nahazo alàlana, ankaoatr'ireo fiampangana hafa, izay ny dimy taona dia nahantona sy tsy ampiharina raha toa tsy manatrika fivoriana na miditra anatinà fikambanana tsy ara-dalàna io mafana fo io aorian'ny famoahana azy.
Pavel Durov, Tsy Hiditra Am-Ponja Ny Mpamorona Ny Tambajotra Sosialy #1 Any Rosia (Hatreto Aloha)
Toa tahàka ny afaka miverina any Rosia tsy misy didy famonjàna mandindondindona azy i Pavel Durov. Tahàka ny marina aloha izany hatramin'izao, raha nanakatona ny fanadihadina [ru] ireo mpitsongodia ao St. Petersburg mikasika ny filazàna ho nahatafidiran'i Durov tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny 5 Aprily izay nanery ilay "Zuckerberg-n'i Rosia" handositra ny fireneny, roa volana lasa izay.
Rosiana Sy Ny Sigara : Mafy Ny Fisarahana
Tian'ny governemanta Rosiana ho faranana ny fitiavan'i Rosia sigara ka dia nisy lalàna vaovao navoaka ny 1 Jona teo ho fandraràna ny fifohana amin'ny toerana ifaneraseran'ny daholobe, izay manokatra ny làlana ho amin'ny lalàna henjana ho avy. Tsy ny rehetra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana no faly amin'izany.
Trinidad & Tobago : Izay Mety No Ataovy
Na ahoana na ahoana no tianao hamaritana azy - ny foto-kevitra, ny fitsipika moraly, ny toetra - no mamehy ny fitsipi-pitondrantena amin'ny fanaovana izay mety. Miaraka amin'ny fitsingidingidinan'i Trinidad sy Tobago ho any amin'ny laharana faha-80 amin'ny Fandaharan'ny Transparency International tamin'ny taona 2012 mikasika ny Fomba fahitàny ny Kolikoly, bilaogera vitsivitsy avy ao an-toerana no nifanakalo hevitra momba ny resaka fahamendrehana.
Tsy misy vavolombelona? Tsy misy fanolanana izany, hoy ny Filan-kevitra Silamo any Pakistà
Nahazo tsikera betsaka avy tamin'ireo mahery fo any an-toerana ny fanapahankevitry ny Filan-kevitry ny Ideolojia Silamo (CII) izay nandà ny ADN ho porofo voalohany amin'ny tranga fanolanana. Manana ny mpanohana azy anefa io fanapahan-kevitra io, ny sasany faly fa misy fikambanana goavana ara-dalàna mandinika ireo olana ara-pivavahana any Pakistà.
Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata
Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona ho tany masina ny Vedanta.