· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2018

Nepal: Ny Fitokonan'ireo Madheshi, Ny Governemanta Vonjimaika

  30 Aogositra 2018

Ny olan'ireo Madheshi - olona mivelona ao amin'ireo lemaka meridionaly an'i Nepal - dia mbola vaovao malaza hatrany. Ny fivoriana mikasika ireo Zon'ny Mponina ao Madhesh, izay anton'ny fihetsiketsehana goavana tao atsimon'i Terai mitaky an'ireo tombontsoa mitovy sy ny tsy fanilikilihana, dia namerina indray koa ireo fitokonana.

Ejypta: Bilaogera hafa nosamborina

Mbola mahita famoretana bebe kokoa ataon'ny Fiarovam-panjakana amin'ireo bilaogera noho ny antony samihafa ny sehatry ny tontolon'ny bilaogy Ejypsiana. Ny tranga vao haingana indrindra tamin'ity herinandro ity dia ny fisamborana ilay bilaogera Ejypsiana Omar El Sharkawy.

Thaïlandy : Songkran Mainty

  19 Aogositra 2018

(2009) Songkran, ny fetin'ny taombaovao Thaï, izay ankalazaina ny 13 ka hatramin'ny 15 Aprily dia matetika no fotoana iray feno fifaliambe ao Thaïlandy. Antsoina hoe "Songkran mainty" ny Songkran amin'ity taona ity nanomboka tamin'ny nisian'ilay fifandonana teo amin'ny miaramila sy ireo mpanao hetsipanoherana ny fitondrana ankehitriny. Roa ireo mpanao fihetsiketsehana no maty, ary an-jatony ireo naratra nandritra ilay fifandonana teny amin'ny lalamben'i Bangkok.