Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2019

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Desambra, 2019

Mitsikera ny fanararaotana ara-pitsarana ataon'ny Huawei amin'ireo mpiasany teo aloha ny mpiserasera Shinoa

Nosamborin'ny polisin'i Shenzhen i Li Hongyuan, mpiasan'ny Huawei teo aloha rehefa niampanga azy ho nanodikodim-bola ny Huawei. Nogadraina 251 andro izy.

Venezoelà: Volavolandalàna manasazy ny fanoherana an-tambajotra

Araka ny lalàna, mety ho voasazy an-tranomaizina herintaona ka hatramin'ny dimy taona ny olona rehetra mampiasa ireo fitaovana niomerika mba 'hampiroboroboana na hanafihana ny rindra napetraky ny lalàm-panorenana" na "manakorontana ny filaminambahoaka".

Mpanazava: Ahoana no hahafahan'ny Lalàna Amerikana momba ny zon'olombelona sy ny demokrasia hiaro ny fahalalahana ao Hong Kong

Nandany lalàna iray mitsinjo ny fiarovana ny Sata fizakantena ananan'i Hong Kong sy ireo zo sivilin'ireo mponina ao aminy ny antenimieram-doholona ao Etazonia.

Fitokonan'ilay dokotera Nepaley iray tsy hihinan-kanina nahatonga ny fanjakana hihetsika

Namarana ny fifadian-kaniny mandra-maty(fast-unto-death) faha-efatra tamin'ny 15 Febroary 2014 i Dr. Govinda KC, mpandidy taolana ela nihetezana ao amin'ny Hôpitaly OniversiteraTribhuvan ao Nepal izay voapetaka anaram-bositra Crusader KC. Dr. Govinda KC.

Zazavavy 11 taona nanomboka fanangonantsonia fitakiana ny fialàn'ny filoha meksikàna

Zazavavy meksikàna iray, 11 taona, nanapaka hevitra ny hanao fanangonantsonia hitakiana ny fametraham-pialàn'ny filoham-pireneny, Enrique Peña Nieto, noho izy tsy niraharaha ny fanjavonan'ireo 43 mpiofana ho mpampianatra .

Onja vaovaonà fametavetàna sy fanararaotana ankizy mahazo an'i Pakistàna

Na eo aza ireo sazy henjana ampiharina amin'ny heloka bevava (..) dia haingam-pitombo ny isan'ireo trangam-panararaotana ankizy any Pakistàna.

Tranga fanorisorenana ara-nofo ao Trinité & Tobago manasongadina fa ilaina ny politika tsara kokoa momba izany

Niteraka adihevitra momba ny politikan'ny fanorisorenana ara-nofo any amin'ny toeram-piasana ny tranga fanorisorenana ara-nofo vao haingana tany Trinite sy Tobago, indrindra rehefa misy fiantraikany amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona (LGBTQ) izany.