Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Septambra, 2014
Fifandonana Henjana Teo Amin'ny Polisin'i Hong Kong Sy Ireo Mpianatra Nanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana
Anjatony ireo mpianatra mpanao hetsi-panoherana no nanangana ny tànany hanehoany fa tsy mitondra fitaovam-piadiana ry zareo ary nanao ampinga olombelona mba hisakanana ireo polisy mpandrava korontana. Saingy nasian'ny polisy tamin'ny tsifotra tsiperifery izy ireo ary ampolony no voasambotra.
Fa Maninona Ireo Maoista Mpikatroka Mafàna Fo No Manafika Ireo Andrim-pifandraisana Finday Ao India
Milaza ireo manampahefana fa nandoro andrim-pifandraisana finday telo tao ambanivohitr'i India ireo Maoista. Ireo no farany tamin'ireo andry lehibe maherin'ny 200 notafihin'ireo Maoista nandritra izay taona maro lasa izay.
Navotsotra Tany Am-ponja Ilay Bahrainita Mpikatroka Zon'olombelona Fa Mbola Miandry Fotoam-pitsarana
Taorian'ny fanerena iraisam-pirenena, navotsotr'i Bahrain ilay mpikatroka zon'Olombelona Maryam Al Khawaja omaly alina.
Navotsotra Ilay Bilaogera Ejyptiana Alaa Abd El Fattah Rehefa Nandòa Onitra
Navotsotra ilay mpikatroka sady bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah rehefa nandòa onitra saingy mbola lava sy mikitoantoana ny lalana amin'ny raharaham-pitsarana hoy ny mpiserasera.
Jamaika: Tian'ny ‘Nuh Guh Deh’ Ho Lasa Toerana Iray Tsy Anekena Ny Fanararaotana Ara-Pananahana Atao Amin'ny Vehivavy
Mihevitra ny Jamaikàna sasany, indrindra ny lehilahy, fa ekena ny fampiharana ny fampianarana ara-pananahana amin'ny vehivavy dieny izy mbola kely taona. Hifanojo amin'ny Andro Iraisam-Pirenena Ho an'ny Ankizy Vavy ny fanombohan'ny fanentanana.
Niteraka Fahatezerana Ny Volavolan-dalàna “Anti-Selfie” Ao Filipina
Volavolan-dalàna ao Filipina mandràra fakàna sary olona - na sarina manampahefam-panjakana tsy nahazoan-dalana avy amin'izy ireo.
Mampitodika Any Amin'ny Fitombon'ny Tsy Fandriampahalemana Any Bahamas Ny Namonoana Ny Sekretera Mpampita Vaovaon'ny Praiminisitra
Miha mahazo vahana ny asa ratsy mahery vaika eto amin'ny firenena. Tsy namoaka tarehimarika ofisialy momba ny tsy fandriampahalemana ny governemanta, izay tsy afa-bela amin'ny olana, nanomboka teo antenantenan'ny taona lasa.
Tsy Mahita Toerana Hitadiavam-bonjy Intsony Ireo Lasibatry Ny Herisetra An-tokantrano Ao Bermuda
Voatery nakatona ny toby tokana fampiantranoana ireo lasibatry ny herisetra an-tokantrano ao Bermuda satria tsy misy ny vola hampandehanana azy.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...