Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2022
Sri Lanka: Ny fivoaran'ny toeram-pihetsiketsehana Gotagogama sy ny manodidina azy, an-tsary
Mpaka sary Sri Lankey Sandesh Bartlett maka sary ny fomba nisian'ny fihetsiketsehana am-pilaminana manohitra ny governemanta Rajapaksa tao amin'ny Galle Face Green ao an-drenivohitra Colombo, nanomboka ny Marsa ka hatramin'ny Jolay 2022.
Inona ankehitriny no manjo ireo mpanao fihetsiketsehana tao Hong Kong telo taona taorian'ny famoretan'ny taona 2019?
Mihoatra ny 10.000 no nosamborina noho ny heloka misy ifandraisany amin'ny fanaovana fihetsiketsehana ka 4010 amin'ireo no mpianatra. Telo taona taty aoriana, miisa 2866 amin'ireo nosamborina — 28 isanjato — no notsaraina ary tokotokony ho 79 isanjato no nampangaina.
Polisin'i Trinidad & Tobago miisa valo no voahazona noho ny raharaha nahafatesana olona
Nolazain'ireo mpisolovava miaro ny fianakavian'ny roa tamin'ireo nodimandry fa “tsy ara-dalàna”, “an-tondromolotra” ary “famonoana tsotsotra izao” ny fahafatesan'izy ireo
Manamafy ny biraon-tsehatra Shinoa iray fa iharan'ny sivana ny rakitr'ireo mpiseran'ny lohamilina zavona (cloud) ao aminy
Takian'ny lalàna ny biraon-tsehatra zavona hijery sy hanivana ny antontan-taratasin'ireo mpisera amin'ny kapila zavona an-takonana ao Shina.
Mifandona amin'ny fitsarana tampony eoropeana amin'ny resaka zon'olombelona i Torkia
Tamin'ny 11 Jolay, nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona (ECtHR) fa tsy nahatanteraka ny andraikiny araka ny Andininy 46/1 amin'ny Fifanarahana Iraisampirenena Momba ny Zon'olombelona i Torkia tamin'ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana tamin'ny taona 2019 hamotsorana an'i Kavala.
Antigoa & Barboda: firenena farany indrindra ao Karaiba nanambara hoe tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ny lalàna “mandrara ny sôdômia”
Tamin'ny 5 Jolay, namoaka didy ny Fitsarana Avo tao amin'ny firenena fa mifanohitra amin'ny zo omen'ny lalàm-panorenana ny olompirenena ireo toko sy andininy ao anatin'ny Lalàna Manameloka ny Firaisana Ara-Nofo ataon'ny olona mitovy taovam-pananahana
Nahazo fampiantsoan'ny polisy ireo Mpahay lalàna Malayziana nanao ny ‘diaben'ny fahalalahana ara-pitsarana’
"Nametraka ohatra ratsy ho an’ny olom-pirenena ny fihetsiky ny polisy, satria mampita hafatra fa tsy afaka mampiasa ny zony araka ny lalàmpanorenana ny olom-pirenena na dia manaja ny lalàna aza ..."
Nangoro-mena i Hong Kong tamin'ny tsingerintaona faha-25 nanolorana azy ho an'i Shina
Mirentirenty ny sainam-pirenen'i Shina sy ny sainam-paritra Hong Kong ny tanàna ka nangoro-mena ny tanàna. Heverina hanatrika ny fotoan-dehibe ny Filoha Shinoa Xi Jinping
Shina: Mety ho fisian-trobaka tobindrakitra mandranty ny raki-piainan'olompirenena 1 miliara farafahakeliny
"...olana vao mafana ho an'ny mpanao didijadona ny fiporitsahan-drakitra: arakaraka ny hanangonanao azy no tsy ahafahanao mifehy azy."
Tranokalam-baovao roa nobahanan'i Torkia
Nosakanan'ny Filankevitra Ambonin'ny Radio sy Televiziona (RTÜK) ao Tiorkia tamin'ny 30 Jona ny fidirana amin'ny tranonkalan'ny Voice of America (VoA) amin'ny teny Tiorka sy ny DW amin'ny teny Tiorka rehefa tsy nety hanao fangatahana fahazoan-dalana hampiely (vaovao) ry zareo.