Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2013
Mpiaro Ny Zon'Olombelona Saodiana Niatrika Ny Haratsian'ny Mpanao Fanadihadiana Sy Ny Mpitsara
I Umar Al-Saeed no mpikambana tanora indrindra ao amin'ny ACPRA niatrika ny fitsarana sy voagadra noho ny heviny sy ny hafanam-pony. Any am-ponja izy satria tsy nety hanaovana fanadihadiana tsy miaraka amin'ny mpisolovava azy.
Bangladesh : Tsy Afaka Miatrika Fifidianana Ny Antoko Jamaat-e-Islami
Nataon'ny didim-pitsaràna miatrika tsikera misavovona be noho ny fanoheranay ny fahaleovantenan'i Bengladesh ny antoko, ary ireo mpitarika dia voampanga ho nanao heloka bevava tamin'ny ady.
Naato Ao amin'ny Tambajotra Fanaraha-maso ny Fanadiovam-bola i Madagasikara
Lambo T. no mitatitra [fr] ao amin'ny tranonkalan'ny La Gazette de La Grande Ile fa naato ao amin'ny Vondrom-pitsikilovana Egmont misahana ny fitantanam-bola ny Samifin [mg], sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny...
Ny Fanenjehan'ny Fitondrana Shinoa Ireo Tranonkala Mahaleotena “Tsy Ara-dalàna”
Maro ny habaka no nakatona satria tsy nahazo lisansa, na lazaina fa misoloky andrim-panjakana na manampahefana, amin'ny fampiasana voambolana tahaka ny hoe "Shina" na "vahoaka" amin'ny anarany.
Fanangona-Tsonia Hanitsiana Ny Lalàna Vietnamiana Mametra ny Fahafahan'ny Media
Bilaogera efa mihoatra ny 60 no nanao sonia ilay fanambaràna iraisana [en] handritsihana ny governemanta vietnamiana hanatsara ny lafiny zon'olombelona sy ny famitana ny adidiny raha eo ampametrahana ny firotsahany...
Miasa Hanova Ny Lalànan'ny Fitsapa-Kevi-Bahoaka ‘Tsy Ara-dRariny’ Ny Mpanohitra Ny Nokleary
Manome vahana izay vitsy an'isa manao ankivy ny fandrotsaham-bato ny lalàna momba ny referandaoma ao Taiwan, izay mitaky ny fandraisana anjaran'ny 50 isan-jaton'ny mpifidy voasoratra anarana.
Voaheloka Namono An-kerisetra Tovovavy Ilay Ramatoa Mitondra Vohoka Sy Ny Vadiny Tao Shina
Namoy ny ainy i Hu Yixuan, mpianatra mpanampy mpitsabo 17 taona raha iny namonjy ramatoa bevohoka niangavy hampiakatra azy any an-tranony.
Lehilahy Nitoraka Baomba Ny Seranam-Piaramanidin'i Beijing: Mpampihorohoro sa Niharam-boina ?
Nanapoahan'ny lehilahy iray baomba, lehilahy mandeha amin'ny seza natokana ho an'ny malemy, izay milaza fa kilemaina noho ny kapoka nataon'ny mpitandro filaminana azy tamin'ny 2005, ny seranam-piaramanidin'i Beijing.