Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Oktobra, 2009
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
Arzantina: Lany ny lalàna vaovao hifehy ny Media
Nolanian'ny Loholona Arzantina ny lalàana vaovao hifehy ny media mampiasa haino aman-jery, izay ahitàna fepetra vaovao maromaro momba ny Onjam-peo, ny cable, ny fampielezam-peo sy fahitalavitra avy amin'ny satelita.
Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya
Nisy namono tamin'ny 7 Okt.2006 i Anna Politkovskay. Amin'ny Alarobia, hivondrona ireo olona any Moscou mba ho fahatsiaroana azy sy ireo mpanao gazety sy mafana fo hafa maty. Na izany aza, tsy dia faly loatra ireo mpitoraka blaogy sasany eo am-piresahana momba izany hetsika ho avy izany.
Costa Rica: Filoha teo aloha migadra 5 taona noho ny kolikoly
Kostarikana mihoatra ny 14000 tsy afa-nijery fahitalavitra androany [alatsinainy] no afaka nanaraka mivantana ny fitsarana ny filohany teo aloha Rafael Ángel Calderón nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro tamin'ny alalan'ny vohikala...