Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Janoary, 2011
Polonina: Mpamaham-bolongana voampanga fa nitsikera nataony ny Ben'ny tanàna iray
Nanoratra momba an'i Łukasz Kaprowicz mpanao gazety sady mpamaham-bolongana Poloney nomelohina ho nanao fanaratsiana noho ny tsikera nataony tamin'ny Ben'ny tanànan'i Mosina tao amin'ny bolongany i Jakub Górnicki.
Meksika: Nandefa tweet mba hiarovan-tena ilay mpihira voaendrikendrika ho nanolana zazavavikely tsy ampy taona
Nampiasa Twitter ilay mpihira ny gadon-kira 'pop' iray, teratany Meksikana ary 28 taona mba hiarovany ny tenany tamin'ny fanendrikendrehana azy ho nanolana zazavavikely tsy ampy taona anankiroa. Nanohana azy tamin'ny fandefasana tweet ireo mpankafy azy, fa ireo hafa kosa dia nanakiana ny haino aman-jery sy ny vahoaka nohon'ny fandraisan'izy ireo am-po an'iny toe-javatra nitranga iny.
Haiti: Fisamborana tsy ho ela an'i Duvalier?
Efa talohan'ny tamin'ny iraikambinifolo ora io maraina io, rakotry ny sahoan-dresaka ny Twitter fa hoe i Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, ilay mpanao jadona taloha voaozona nitsoak nialokaloka tany Frantsa ary niverina tampoka tany an-tanindrazany tamin'ny Alahady alina, dia tratry ny fepetra fampisamborana.
Gresy: Monomonona manoloana ny tetikasa fananganana fefy sy ny fandroahana mpifindra monina
Ny harivan'ny andro niandrasana ny taona vaovao dia niteraka fanehoan-kevitra kahery vaika ny fanambarana nataon'ny ministra Grika ho Fiarovana ny olom-pirenena, Christos Papoutsis, mikasika ny tsy fsisian'ny indrafo ao anatin'ny politikan'ny governemantany amin'ny resaka fifindra-monina.
Hongria: Fanentanana ho fanamaizinana manerantany
Ireo olon-tsotra mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra dia miezaka mitazona ny haavon'ny fandrakofana iraisampirenena amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana ao amin'ny aterineto. Vondrona iray antsoina hoe Blackout for Hungary (Haizina ho an'i Hongria) no nanainga fanentanana iray maharitra 24 ora nanomboka tamin'ny 5 Janoary teo hanoherana ilay lalàna vaovao momba ny media nampidirina tamin'ny 1 Janoary. Mitatitra i Marietta Le.
Japana: Ny herintaona nitorahana bilaogy
Satria voafidy ny tarehin-tsoratra 暑 (sho) izay midika 'mamay na hafanana' hanehoana ny taona 2010 tamin'ny fankalazàna isan-taona [en] tao Kyoto, ndeha isika hijery fantina "lohahevitra mamay" izay norakofan'ny Global Voices tamin'ity taona ity.
Azerbaijan: nampidirina any an-tsekoly ny fandraràna ny Hijab (voaly fitondran'ny silamo)
Tamin'ny herinandro lasa dia an-jatony ny mpanao fihetsiketsehana nifamory nanoloana ny Ministeran'ny Fampianarana tao Baku, Azerbaijan, naneho ny hatezerany manohitra ny fepetra vaovao mandràra ny fisalobonana hijab any an-tsekoly. Mihetsika ireo mpitoraka bilaogy.
Hongria: Ice-T sy ny lalàna Hongroa vaovao mifehy ny Media
Marietta Le dia mitatitra ny fisian'ny fanadihadiana atao amina foibena fampielezam-peo iray nandefa hiran'ilay mpiangaly gadona rap Ice-T ataon'ny National Media and Infocommunication Authority (Manampahefana miandraikitra ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana) any Hongria.
Tonizia: Mpisolovava voadaroka noho izy ireo mijoro ho an'i Sidi Bouzid
Nijoro ireo mpisolovava Toniziana nanomboka tamin'ny trangan'i Sidi Bouzid - ary dia nanefa ny sandan'izany. Tsy nitsahatra ny nanohitra izy ireo mba hanoherana ny zava-mitranga any. Ary isan'andro, vaovao mikasika fangalàna an-keriny, fisamborana, na fanafihana mpisolovava no mivoaka amin'ny vohikalan'ireo tambajotra sosialy.