Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Mey, 2019
Tsy andriko izay hanambadiana: mpivady mitovy fananahana an-jatony maro no nankalaza ny mariaziny tany Taiwan
Manokatra ny vavahady ho an'ny fitoviana ara-panambadiana ho an'ny mpivady mitovy fananahana any Taiwan ny 24 Mey. Mpivady an-jatony no nanao fampakarambady tao amin'ny nosy, nankalaza ny fiafaran'ny fanavakavahana sy ny fankatoavana ara-tsosialy.
Shina, nisambotra mpanatontosa sarimihetsika namerina nibitsika sarinà tavoahangin-toaka miiresaka ny fandripahana tao Tiananmen
Hita eo amin'ny sary amin'ny taratasin'ilay tavoahangy ny sarin'i "Tank Man" arahan'ny famaritana hoe "Aza adinoina mandrakizay, Aza Milavo Lefona"
#NETmundial2014 : Mila Magna Carta Iray Ve Ny Tontolon'ny Tranonkala ?
Niresaka momba ny zon'olombelona sy ny aterneto ireo kintan'ny fikirakirana, ahitana ilay mpamorona ny Tranonkala, Tim Berners-Lee, Ilay mpihira sady Minisitry ny Kolontsaina Breziliana teo aloha Gilberto Gil ; ary ilay mpitarika ny Web We Want, Renata Avila izay .
Nankatoavin'ny parlemantan'i Singapaoro ny lalàna “miady amin'ny vaovao faikany” — hanakona ny fahalalahana miteny ve izany?
Fantatra amin'ny anarana hoe lalàna miady amin'ny vaovao hosoka, manome fahefana midadasika tsy voafaritra ho an'ireo minisitry ny governemanta ny POFMA mba hamaritra izay fampahalalam-baovao amin'ny aterineto "diso" ary mangataka azy mba ho sivanina na hahitsy.
Maninona ireo bilaogera no loza mitatao ho an'ny governemanta etiopiàna
"Ny loza mitatao hita vatana amin'ireo Etiopiàna bilaogera sy mpanao gazety ary fanahy malalaka hafa dia noho izy ireo mampiditra hevitra radikaly tena vaovao be, hoe firenena iray malalaka kokoa, demaokratika kokoa."
Lahatsoratra Facebook miteraka fisamborana any Bangladesh, mampiahiahy ny mpiserasera
Olona roa no voasambotra tamin'ny 14 sy 15 Mey noho ny fanehoan-kevitra nalefa tao amin'ny Facebook. Niteraka hatezerana sy ahiahy tao amin'ny fampitam-baovao sosialy ny fisamborana.
Na Teo Aza Ny Fanafahana ireo Mpanao Gazetin'ny Reuters, Mbola Tataovan-doza Hatrany Ny Fahafahana Maneho Hevitra Ao Myanmar
"...ny tranga mikasika an'i Wa Lone sy Kyaw Soe Oo no porofo fa noho ny faniriana hifikitra eo amin'ny fahefana dia mbola eo ambanin'ireo tsindry politika tsy miato ireo mpanao gazety."
Nahatonga fanadihadian'ny polisy ilay fanehoankevitra tanaty Facebook mikasika ilay fitorahana atody ny minisitr'i Singapaoro
"Ny tena marina, tsy manenina be loatra aho. Tsapako hoe resaka fahalalahana maneho hevitra ilay izy, ary manana zo hiteny ny fomba fijery toy izany isika"
Edward Snowden, ampamoaka 365 andro
Nanomboka ny 5 Jona 2013, betsaka ireo ampamoaka momba ny fanarahamaso erantany. Indro ny fitetezana ny sasany amin'ireo zavatra tena manandanja fantatray avy amin'ny ampamoaka nataon'i Snowden.
Fanafihana Anti-silamo mitarika fifandirana sy miteraka tahotra eo amin'ireo Sri Lankey misaona
Ny 13 mey, trano teo amin'ny 500, fivarotana, masikiriny sy foibe ara-pivavahana hafa no simba, olona ray no maty ary folo hafa no naratra mafy. Nametraka ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina manerana ny firenena hatramin'ny 14 may maraina ny manampahefana, tao anatin'ny tahotry ny fiparitahan'ny fanafihana .