Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Novambra, 2018
Fanaovana Topimaso Blaogy: Ny Fisamborana An'i Radovan Karadzic
Na teo aza ny valisoa 5 tapitrisa dolara [teny anglisy] nokasain'i Etazonia homena ho an'izay manome vaovao marina hahafahana misambotra azy, ireo didy iraisam-pirenena fampisamborana nalefan'ny Interpol sy ny tetika nataon'ireo sampam-pitsikilovana miafina sasantsasany, vitan'i Karadžić hatrany ny niàla tamin'ireo fisamborana nandritra ny 13 taona. Namoaka betsaka, naneho hevitra ary nifanakalo vaovao mikasika ny antsipirihan'io tantara mampivanaka io, ireo blaogera ao Balkana.
Kambodza: Fimailo tsy maintsy ampiasaina ary famoretana manoloana ny fivarotantena
Nampiasa ny Aterineto mba hampahafantarana ny toe-piainany sy ny ady atrehany hitakiana ny zony ireo kambodziana mpivarotena.
Sahara Andrefana: Adihevitra mikasika ny sarintanin'i McDonald
Niatrika adihevitra ny sampan'ny McDonald Maraokana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny namoahany kilalaon'ankizy "Happy Meal" izay ahitana sarintanin'i Maraoka. Ny sisintany eo amin'ny sarintany dia manasaraka an'i Sahara Andrefana amin'i Maraoka; Faritany ifandiran'i Maraoka sy ny Front Polisario tohanan'ny Alzeriana i Sahara Andrefana.
#QanoonSabKayLiye: Hetsika amin'ny media sosialy mampiroborobo ny fanentanana momba ny lalàna ao Pakistan
Andianà lahatsoratra Facebook sy Twitter manazava ny zo sy ny adidin'ny olom-pirenena ao amin'ny Lalàmpanorenan'i Pakistana ny fanentanana #QanoonSabKayLiye. Tafiditra ao anatin'ny fanentanana ny lalàna mifandraika amin'ny fanambadiana, ny fanorisorenana ara-nofo, ny fifamoivoizana, ny kolikoly sns.
Misy Mony? Hampandoa Hetra amin'ny Fitsaboanao izany i Korea Atsimo
Andoavana hetra ny fipoiran'ny mony amin'ny tarehinao? Tena fomba hafa kely marina hanangonana hetra izy ity.
Japana: Ny Ankizy amin'izao Fotoana
Inona no ataonao rehefa mankaleo anao ireo ankizivavy tanora manao toy ny any an-tranony anatin'ny fiarandalamby nefa ianao reraka avy any am-piasàna ary mba te hiaina fotsiny? Tofoka tanteraka ity lehilahy iray 35 taona tao Yokohama ka nandaka ankizivavy 17 taona iray nipetraka sy niresaka tamin'ny namany teo akaikin'ity rangahy.
Sahara Andrefana: Mpianatra notànana
Mpianatra notànana ary navotsotra taorian'ny adiny folo
‘Nivonona ny higadra aho': Manolotra fanantenana mialoha ny fitsarana azy ny mpanorina ny Hetsika Elo tao Hong Kong
"Efa nivonona ny ho any am-ponja aho... Raha mbola tsy potipotiky ny fitsarana sy ny didy mankany amponja isika, ary tsy kivy na tezitra, dia hivoaka matanjaka kokoa isika."
Iza moa i Sergio Moro, ilay mpitsara nanameloka an'i Lula ary ho “super”-minisitr'i Jaïr Bolsonaro ?
Niteraka fifandirana goavana tao amin'ny firenena ny fanendrena ny mpitsara mpandrindra ny bemidina Lava-Jato miady amin'ny kolikoly, ao amin'ny governemantan'ny filoha avy amin'ny farany havanana.
Tsy hisy intsony ve ireo sarin'ny solombavambahoaka matory ? Mametra ny zavatra avoakan'ny fampitam-baovao ao amin'ny Parlemanta ao Tasmania ny lalàna vaovao
"Mihevitra ny tenany ho iza ireo mpanao politika ireo? Ny vahoaka no nifidy azy ireo, ary manan-jo hahita ny fomba fitondrantenany ny vahoaka."