Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2014
Aza Lazaina Aman'Olona Fa Miady Amin'ny Sivana Ho Avy Ny LiveJournal

Ireo goavana sasantsasany amin'ny RuNet dia efa mandefa valinkafatra sahady amin'ilay lalàna mety ho ampiasaina hanivànana ireo bilaogera mpanohitra.
Nolavin'ny Fitsarana Shinoa Ny Fitoriana Mikasika Ny Loton-drano Ao Lanzhou
Nolavin'ny fitsarana Shinoa ny fitoriana ilay orinasa mpamatsy rano ao Lanzhou izay napetrak'ireo mponina miisa dimy noho ny fisiana benzène miteraka homamiadana tafahoatra amin'ny rano amin'ny paompy.
Tsy Mila Sivana Aterineto Hoy Ny Tambajotra Sosialy Rosiana Lehibe Indrindra

Nampiasain'i Pavel Durov, mpanorina sady talen'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte, indray ny kaontiny ho toy ny sehatra iray hikiahana hanoherana ny fanivànana ny aterineto
Minisitra Manolotra Valisoa Mitentina $2000 Mba Hanalàna Ny Sarontavan'ireo Tonian-dahatsoratry Ny Zambian Watchdog

Mitosaka ny tsolotra anatin'ny fizarana farany mikasika ny ady eo amin'ny governemanta Zambiana sy ny Zambian Watchdog, vohikala mahaleotena misahana ny fampahalalam-baovao.
Fampiasana Filazam-Pahaizana Hosoka : Mpiasa 300 Avy Ao Amin'ny ‘Pakistan International Airlines’ No Voaroaka
Tsy savorovoro voalohany amin'ity karazany ity mba hanozongozonana an'i Pakistana izao, eny fa na dia ny fitànana ireo mpanao lalàna mampiasa filazam-pahaizana hosoka aza.
Mahomby Ve Ny Fanasaziana Ara-Toekarena ?
Matetika atolotra hamaizana ireo firenena tsy mahomby amin'ny fitantanana ny fanasaziana ara-toekarena. Nahatrarana izany tanjona izany ve anefa ve izany fanasaziana izany?
Jamaika : Maty Ny Jiro Amin'ny Alina ; Afaka Madiodio Ireo Mpanao Politika Voarohirohy Aminà Kolikoly
Mampiady hevitra ny Jamaikana ny fironanan'ny rafi-pitsarana noho ny fanafoanana ny fanenjehana ilay minisitry ny Parlemanta taloha taminà kolikoly manala baraka, isan'izany ilay fizaràna takamoa
Notsipahin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana #CongressOccupied Ny Tolo-kevitry ny Filoha Taiwaney
Nolazain'ny mpikambana ao amin'ny Hetsika #CongressOccupied ho "babangoana, tsy mazavazava ary mandiso fanantenana" ny drafitry ny Filoha Ma momba ny rafitra mpanaramaso ny fifanarahana ara-barotra.
Hataon'i Mozambika Ho Heloka Ny Hafatra, Ny Mailaka Ary Ny Votoaty An'Aterineto ‘Manevateva’
Hampandalovina ny parlemanta holaniana ny tolo-dalàna hanameloka ny hafatra an-tsoratra, imailaka sy karazam-botoaty an-tserasera hafa mety "manohintohina ny filaminam-panjakana".
Mitantara Ny Fiainany Ao Amin'ny Twitter Ny Vehivavy Kyrgyz Iray Nalaina An-keriny Ho Vadiana
Vehivavy iray no nalaina an-keriny vao tsy ela akory izay tao Bishkek. Rehefa navotan'ny polisy tany amin'ireo mpaka an-keriny ity vehivevy ity dia nitantara ny "nofy ratsiny" tao amin'ny Twitter.