Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jona, 2019
Azon'ny Kamerà: Lahatsary momba ny Zon'olombelona ato amin'ny GV
Herinandro vitsivitsy miavaka ho an'ny lahatsary GV momba ny zon'olombelona iny, koa ndeha isika hiditra avy hatrany amin'izany...
Lok Sabha 2019 ao India : Valin'ny fifidianana taorian'ny dingana naharitra herinandro
Nankao amin'ny Twitter ny olona hnamoaka ny zavatra novinavinainy mialoha. Maro no naka ny vokatry ny fitsapankevitra teo am-pivoahana ny birao ary nanomboka niarahaba an'i Narendra Modi tamin'ny fendresena azony
Noho ny hetsibahoaka, voatery nosintonin'ny governemanta ao Trinidad & Tobago ilay volavolam-panitsiana ny lalàna momba ny Fahalalahana Hahazo Torohay / Vaovao
"...tena hireharehan'ny vahoaka ny fananany demaokrasia izay hita mibaribary hoe salama tsara— hoe nalaky tonga niaraka sy araka ny tokony ho izy ireo fikambanana sivily, ary dia namaly tamin'ny fomba feno sy ampy tokoa ny governemanta."
Sambany teo amin’ny tantaran’i Brezila no nisy vehivavy indizeny tafiditra tao amin’ny Kongresy nasionaly
I Joênia ihany koa no vehivavy Breziliana vazimba voalohany lasa mpisolovava ary niaro ny vahoakany tany amin'ny fitsarana ambony federaly tao Brezila.
Hong Kong: An'aliny maro ireo mpanao hetsipanoherana ilay lalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka no tonga nibahana ny làlana mankao amin'ny foiben-toeran'ny governemanta
Ny marainan'ny 12 Jona, vitan'ireo mpanao hetsianoherana ny nanemotra ny fandinihana ilay volavolan-dalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka saika hataon'ny Filankevitra mpanao lalàna
Tao Hong Kong, nosamborin'ireo manampahefana ny mpitantana ny vondrom-panoherana iray tao amin'ny Telegram – noterena izy hanolotra ny lisitra misy ireo mpikambana ao aminy
Eo ampela-tanan'ny polisy avokoa ny lisitra manontolo misy ireo mpikambana ao amin'ny vondrona -- izay misy olona 20.000 hatramin'ny 30.000 eo ho eo -- hatramin'ireo hafatra nifanakalozana tany anatin'ireo seha-piresahana voaaro
Miantso ny fametraham-pialàn'ny minisitry ny fitsarana vaovao ry zareo Tseky tao anatin'ny fanamby nasionaly ho an'ny Praiminisitra Andrej Babiš
Nilaza ireo mpanao hetsi-panoherana fa mikasa ny hitsabaka amin'ny raharaha fanenjehana azy i Babiš. Mitaky ny fialan'i Benešová izy ireo sy ny fepetra vaovao ho fiarovana ny fahaleovantenan'ny fitsarana ihany koa.
Manolo-kevitra hifehezana ny media sosialy ny praiministra ao Papoà Neo Ginea, satria mila hatsahatra ny “vaovao faikany” hoy izy
Nametraka ny fomba fijeriny mikasika ny fanarahamaso ny media sosialy ny governemanta Papoà-Neo-Ginea mba hiadiana amin'ny fielezan'ny vaovao tsaho sy vaovao faikany amin'ny aterineto. Nampitandrina ireo mpitsikera sy ny mpanao gazety fa mety hitarika ho amin'ny fanakonana ny fahalalahana miteny izany.
‘Fiarovana fa tsy ny zo iombonana ve’ ? Voaràra ny jono ao Bangladesh
Natao hampitomboana ny tahiry ireo fandraràna mandritra ny volana roa, saingy mety hidika hanoanana sy fifindran-toerana ho an'ireo vohitra eny imorona izany