· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Mey, 2017

Rosia: Voaheloka Hiditra Toby Fanasaziana Mandritra ny Roa Taona Latsaka ny Mpitoraka Blaogy Iray ao Tatarstan

Akon

Ny 12 Septambra 2008, nitoraka blaogy momba ireo tsaho milaza ny fahafatesan'i Mintimir Shaimiev, filohan'i Tatarstan, i Irek Murtazin, mpitoraka blaogy iray ao Tatarstan. Tamin'ny Novambra 2009, voaheloka ho nanala baraka sy nampirisika ny fankahalan'ny olona i Murtazin ka voasazy hiditra toby fanasaziana mandritra ny herintaona sy 9 volana.

31 Mey 2017

Tonizia: Ary Tratran'ny Sivana I Arabicca!

Nanapa-kevitra hanohy indray ny famahanana bilaogy tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Toniziana Fatma Arabicca izay voasambotra roa volana lasa izay. Tonga ireo manampahefana nanakana ny lahatsoratra iray monja tao amin'ny bilaoginy vaovao . Naneho hevitra momba ny fandrarana sy ny fanasivanana ireo bilaogy hafa ihany koa ireo bilaogera Toniziana .

29 Mey 2017

Pôrtô Rikô: Kolikoly Mameno Ny Departemantan'ny Polisy

Nisambotra olona 133 tao Pôrtô Rikô ny Birao Federaly mpanao Fanadihadiana (FBI), ka polisy ny 89 tamin'ireo, tao anatin'ilay antsoin'ny Departemantan'ny Fitsaràna Amerikana hoe "ny fanadihadiana goavana indrindra tamin'ny resaka kolikolin'ny polisy teo amin'ny tantaran'ny FBI".. Maneho hevitra ny tontolon'ny bilaogy.

29 Mey 2017

Arabia Saodita: Mihidy Ho An'ireo Vehivavy Mpihazakazaka Ireo Làlana

Vao haingana izay, noraràna ny fidiran'ireo vehivavy mpihazakazaka ny làlana iray any amin'ny Faritanin'i Asir (Arabia Saodita), satria heverin'ny Vaomieran'ny Fampiroboroboana ny Fahamaotinana sy ny Fisorohana ny Havetavetana ho mampidi-doza. Manopy maso ny sasantsasany amin'ireo tsikeran'ny mpitoraka blaogy mikasika ity raharaha ity i Katharine Ganly.

29 Mey 2017

Ejypta: Manaja ny Jirom-pifamoivoizana

Inona no toetra tokony hananan'ny olona rehefa miampita arabe, raha anisan'izao tontolo izao ny firenen'izy ireo? Bilaogera Ejypsiana Egyptian in the USA, mitondra antsika ny valinteny ao amin'ity dika-teny amin'ny teny Arabo ity

27 Mey 2017