Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2016
Niteraka Tahotra Isian'ny Sivana An-tserasera ao Bhutan Ny Fitoriana Lahatsoratra Iray Tao Amin'ny Facebook
Ny fitoriana an'i Zam dia mihodikodina manodidina ny fianakaviana iray manana fifandirana ara-pananantany amin'ny mpandraharaha iray antsoina hoe Ap Sonam Phuntsho manana fifandraisana maro, sady rafozandahin'ny Lehiben'ny Fitsarana ao Bhutan ihany koa.
Naato Tao Anatin'ny Fifidianana Mampiadi-hevitra Ny Fahilavitra Tsy Miankina Iray sy Radion'ny Fiarahamonina Iray Ao Zambia
"Manjary miha lasa efi-pitsarana miandalana i Zambia. Tokony ho mailo avokoa isika rehetra rehefa miteny momba ny olan'ny tombontsoam-pirenena."
Arahabao Ny Lalàmpanorenana Vaovaon'i Thailandy. Ary Arahabao Indray Ny Didy Miaramila Ao Thailandy
Miharihary fa ny lalàmpanorenana vaovao dia mampiroborobo ny fanjakazakan'ny miaramila, mandrahona hampijoro ara-dalàna kokoa ny kolontsain'ny sivana sy ny fanarahamaso ataon'ny fanjakana amin'ny haino aman-jery.
Ady Sarotra Ho An'ireo Vehivavy Karibeana Ny Fiarovana Ny Fitovian-jon'ny Vehivavy Sy Lehilahy
Sarotra ny fitsanganana miady ho an'ireo zon'ny vehivavy raha tsy mahantra, mainty, na voahilikilika. Misy bilaogy iray hiresaka ho an'ireo vehivavy Karibeana amin'ilay Karajian'ny Feminisma Mainty ho avy izao any Brezila.
Nahangona Sonia Hatramin'ny 1 Hetsy Ny Fanangonantsonia Amin'ny Tambajotra Manohitra Ireo Lalàna Jadona Fampitsaharana Ny Fampihorohoroana Ao Rosia
Naneho ny firaisankinany tamin'ireo FAI rosiana sy ireo mpanjifa ny tolotra amin'ny finday ireo nanao rangopohy tamin'ny tambajotra, izay nilaza fa ireo lalàna Yarovaya dia sady mamotika ny orinasa mpamokatra aterineto no mamotika ihany koa ireo mpampiasa ny RuNet.
‘Ramatoa Polisy’ Rosiana Iray: Fizaràna Voalohany
Tany ampiadohan'ity volana ity, nanoratra tamin'ny tambajotra Batenka.ru i Borisova mikasika ireo traikefany amin'ny maha-mpitandro filaminana azy. Mizara telo ny famoahanay ny lahatsorany. Ity no fizaràna voalohany.
Thailandy: Manamafy Sivana Arakaraka ny Anatonan'ny Fitsapankevibahoaka Momba ny Lalàmpanorenana
Raha tian'ny fitondrana miaramila ao Thailandy hojerena tahaka ny azo itokisana ny fitsapankevibahoaka ataony, tsy maintsy hajanony ny fandrahonana ireo mpanao gazety mandrakotra io hetsi-panentanana io ary havelany hikoriana malalaka mankany amin'ny vahoaka ny vaovao.
Sonita Ampolony No Voalaza Fa Novonoin'i Iran Hamoretana Ireo Gadra Noho Ny Fieritreretana
Nisy nitatitra fa nanatanteraka famonoana gadra sonita am-polony tao amin'ny fonjan'i Gohardasht ny governemanta Iraniana, ary anisan'izany ilay gadra malaza noho ny fieritreretana Shahram Ahmadi.
Mihamafy Ny Antso Fanaovana Fanadihadiana Amin'ny Faneriterena Atao Amin'ny Vondrom-piarahamonina Tharu Any Amin'ny Farany Andrefan'i Nepal
"Voalohany, nalaina ny tanin'izy ireo, avy eo ny fahalalahana miaina, ary izao, kendren'ireo vato nasondrotry ny tany mpanavakavaka ireo ho foanana ny Tharus"
Ny Fanehoankevitry Ny Vahoaka Vietnamiana Manoloana Ny Didy Momba Ny Ranomasina Atsimon'i Shina
Nivezivezy nanerana ny arabe ireo vondrona mpitaingina kodiarandroa, ka ny tsirairay dia misy olona iray mitàna ny soratra mivaky hoe “Shina Mialà ivelan'i Vietnam”.