· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2012

Malezia: Sakan'ny Temiar Sy Ny Zon'Ireo Vazimba Teratany

  03 Febroary 2012

Olona zanatany Temiar valo (fantatra koa amin'ny hoe Orang Asli) any Malaysia no voasambotry ny polisy noho ny fanandraman-dry zareohametraka sakana sy nandràra ireo mpitevy ala tsy hiditra ny tanànan-dry zareo ao Gua Musang, Kelantan. Toherin'ireo mponina ao an-tanàna ny tetikasam-pambolena noraisin'ny governemanta ao an-toerana izay ilàna fanapahana hazo ala ao amin'ny tany navelan'ny razamben-dry zareo. Mihetsika ny mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mafàna fo mpiondana aterineto.

Tanora Mpangalatra Tao Indonezia Ary ‘Tantara Ratsin'ny Kapakapa’

  03 Febroary 2012

An'arivony ireo mponina ao Indonezia no nametraka kapa teo anoloan'ny paositry ny polisy manerana ny faritra ao amin'ny firenena mba hanoherana ilay fidarohan'ny polisy ilay ankizy lahy kely vao 15 taona monja nolazaina fa nangalatra kapanà polisy iray. Ireo mponina anaty aterineto dia naneho ny heviny tamin'ilay 'Hetsi-panoheran'ny kapakapa'