Very Noho ny Kolikoly ny 20-40%n'ny Famatsiam-bola Amin'ny Sehatry ny Rano aty Afrika

L’accès à l’eau est un droit fondamental. Photo tirée du site actionaid.org, publiée avec autorisation. Zo fototra mahaolona ny fisotroana rano madio. Sary nalaina tamin'ny tranonkala actionaid.org nahazoana alalana

Manazava  [amin'ny teny anglisy] ao amin'ny  tranonkalan'ny Tambajotram-Panao Gazety WASH Afrika Andrefana WASHi Mustapha Sesay, Ambasadaoron'ny fahadiovam-pitantanana amin'ny sehatry ny rano ao Afrika Andrefana, :

L’accès à l’eau potable à un prix abordable est un droit fondamental, mais celui-ci ne reçoit pas et de loin l’attention nécessaire. La corruption dans le secteur de l’eau est très importante et implique toutes les classes, du citoyen ordinaire aux politiciens en passant par les dirigeants des institutions et même des organisations non gouvernementales du secteur. Le rapport Corruption in the water sector [« Corruption dans le secteur de l’eau »] du Water Integrity Network, publié dans l’ouvrage Training Manual on Water Integrity [« Manuel de formation sur l’intégrité dans le secteur de l’eau »] indique qu’en Afrique subsaharienne, 44 % des pays n’atteindront probablement pas l’objectif du Millénaire pour le développement relatif à l’eau potable et 85 % des pays n’arriveront pas à réaliser l’aspect concernant l’assainissement. Selon les estimations de la Banque mondiale, 20 à 40 % du financement destiné au secteur de l’eau est perdu à cause de pratiques malhonnêtes.

Zo fototra mahaolona ny fisitrahana rano madio sy azo vidiana mora, saingy tsy omena ny lanja tokony hisy azy izany. Tena mibahan-toerana ny kolikoly ao amin'ny sehatry ny rano ary tsy afa miala amin'izany ny saranga rehetra, ny olom-pirenena tsotra, politisiana, lehiben'ny andrim-panjakana na ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana miasa ao amin'ity sehatra ity ihany koa aza. Manambara ny tatitra mitondra ny lohateny hoe Corruption in the water sector na “Kolikoly ao amin'ny sehatry ny rano” navoakan'ny Water Integrity Network ao amin'ny boky mitondra ny lohateny hoe “Fitantanana ny momba ny Rano” fa any Afrika atsimon'i Sahara dia efatra amby efapolo isan-jatony (44%) amin'ny firenena any no tsy mahatratra ny tanjon'ny taona arivo fahatelo ho an'ny fampandrosoana (objectif du Millénaire pour le développement) mikasika ny rano fisotro , dimy amby valopolo isan-jatony (85%) no tsy hahavita ny lafiny fanadiovana. Araka ny tombatomban'ny Banky Iraisam-pirenena, very noho ny fanaovana ny tsy marina ny 20 ka hatramin'ny 40 isan-jaton'ny famatsiam-bola ho an'ny sehatry ny rano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.