Ilay Fahafatesana Tsy Voafaritry ny Fotoana An'ilay Mpanao Gazety Ethiopiana Tany An-tsesitany

Ibrahim Shafi. Sary nozarain'i Abiye Teklemariam Megenta tao amin'ny Twitter.

Tamin'ny iray tamin'ireo fanehoan-keviny farany tamin'ny vahoaka, nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook ilay mpanao gazety Ethiopiana Ibrahim Shafi hoe: “Fohazy aho rehefa manana fanjakana.”

Tsy ampy tapa bolana taty aoriana, maty tany Nairobi, Kenya i Shafi. Nanasongadina ny fiantraika lalina manokan'ny krizy ara-politika maharitra ao Ethiopia izay nahazo ny firenena nandritra ny telo taona farany sy nandefa an'i Ibrahim tany an-tsesitany ny fanehoan-keviny.

Niasa ho mpanao gazety ara-panatanjahantena sy ny politika nandritra ny efa ho folo taona i Ibrahim, raha tsy hoe voatery nandositra izy tamin'ny taona 2014. Tsy irery i Ibrahim, izay namoy ny ainy teo amin'ny faha-40 taonany. Namonjy an'i Nairobi, Kenya izy tamin'ny volana Jiona 2014,  làlana noraisin'ireo mpanao gazety Ethiopiana an-jatony nandritra ny roapolo taona farany.

Araka ny tahiry avy amin'ny Komity fiarovana ny mpanao gazety, nitarika mpanao gazety marobe hiala ny firenena ny governemanta Ethiopiana, tsy mba tahaka ny firenena hafa rehetra aty Afrika.

Matetika mandositra ny fireneny ireo mpanao gazety Ethiopiana noho ny tahotra higadra sy ny herisetra. Talohan'ny fifidianana tamin'ny taona 2016 tany Ethiopia, nisambotra sy niampanga mpanao gazety sy bilaogera tamin'ny heloka fampihorohoroana, indraindray tamin'ny alàlan'ny lahatsoratr'izy ireo, na ny fanehoan-kevitra nalefan'izy ireo tao amin'ny Facebook na Twitter ny antokon'ny fitondrana, Manda Revolisionera Demaokratikam-bahoaka Ethiopiana (EPRDF). Mety hiatrika fandrahonana sy fampijaliana ivelan'ny fitsarana ihany koa izy ireo.

Ho an'i Ibrahim, nahazatra azy ny fandrahonana tahaka izany. Efa ho folo taona talohan'ny nialàny ny tanindrazany, nosamborina sy nodarohan'ny polisy nandritra ny korontana taorian'ny fifidianana Ethiopiana tamin'ny taona 2005 izy. Nilaza ny namany fa nampijaly mafy azy ny polisy ka nahatonga ny tongony iray nalemy tanteraka.

Ibrahim Shafi. Sarin'ny diplaoma avy amin'ny departemantan'ny Siansa politika sy ny Fifandraisana Irasaim-pirenena, Oniversiten'i Addis Ababa.

Talohan'ny nifindrany tany Kenya, niaina fiainana feno fahaiza-mamorona tao Addis Ababa, renivohitr'i Ethiopia, toerana nahaterahany tamin'ny Septambra 1977 i Ibrahim. Taorian'ny nahazoany mari-pahaizana tao amin'ny Departemantan'ny Siansa Politika, Oniversite Addis Ababa tamin'ny taona 2001, nampianatra taranja fahaiza-miaina ho an'ny mpianatry ny lisea izy ary nohajain'ny mpianany noho ny asa mafy nataony sy ny fanoloran-tenany.

Nahazo laza koa izy amin'ny maha mpanao gazety mahaleotena be mpanaja sy misandratra azy. Izy no tale lefitry ny famoahana tao amin'ny iray amin'ireo gazety ara-panatanjahantena lehibe indrindra ao Ethiopia izay nahatonga azy ho feo mitsikera ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena Ethiopiana. Izy no kintana tamin'ny fandaharana tamin'ny radio momba ny fanatanjahan-tena nandroso haingana tao Addis Ababa. Ankoatra ny asany mahomby amin'ny maha mpanao gazety ara-panatanjahantena azy, mpanao famakafakana tao amin'ny Addis Guday, gazetibokim-baovao mpivoaka isan-kerinandro izay efa tsy misy intsony ihany koa izy. Taorian'io, niasa ho tale lefitry ny famoahana tao ihany koa izy.

Tao Nairobi, niaraka tamin'ireo Ethiopiana tsy tambo isaina izay voatery nandao ny tanindrazany, nandositra ny fanenjehana ara-politika i Ibrahim.

Raha loharanom-pahoriana ny sesitany, fantatra amin'ny fampahoriana bebe kokoa azy ireo ny governemanta Ethiopiana amin'ny fandefasana mpiasan'ny fitsikilovana miafina mba hanampim-bava ireo mpikambana ao amin'ny vondrona Ethiopiana an-tsesitany mpanohitra .

Na dia teo aza ireo zava-tsarotra ireo, nanazava i Ibrahim fa tsy afaka ny hangina izy. Nijanona nifandray tamin'ny fiainana tany Ethiopia izy izay toa hita fa lavitra loatra indraindray. Nizara ny fahadisoam-panantenany sy ny hafaliany tao amin'ny pejiny Facebook izy.

Tamin'ny 3 Janoary 2018, tapa-bolana taorian'ny nanoratany izany fanamarihana maminany izany tao amin'ny Facebook, nodimandry tany Nairobi, Kenya i Ibrahim Shafi. Tsy nampahafantarina ny daholobe ny antony nahafatesany, saingy nilaza ireo namany akaiky any Kenya fa nisy fiantraikany ratsy tamin'ny fahasalamany ny fiainana an-tsesitany. Nilaza kosa ny sasany fa mety nisy ifandraisany tamin'ny fahafatesany ny ratra nahazo azy tamin'ny teo am-pelatanan'ny polisy Ethiopiana.

Tamin'ny fotoana nahafatesany, vao haingana i Ibrahim no nahavita ny dingana lavabe sy mandreraka momba ny fifantenana mba ho afindra any Etazonia ho mpitsoa-ponenana, alohan'ny nanafoanan’ ny fitondrana Trump izany, ary nahatonga ny fahafatesany mialoha ho mampalahelo kokoa.

Nitabataba momba ny fahafatesan'i Ibrahim hatramin'ny herinandro lasa ireo mpiserasera aterineto Ethiopiana, ary nanjary lohahevitra malaza teo an-toerana izy. Maro ireo manerana ny firenena izay nahafantatra an'i Ibrahim ary naneho hevitra mikasika ny vaovao fahafatesany, nanome ny teny fampiononan'izy ireo ny namana mpanao gazety any an-tsesitany.

Mahavaky fo ny nandre ny fahafatesan'ny namako, Ibrahim Shafi. Tsy ho hitako intsony ny heriny, ny fitiavana miady hevitra, ny eritreriny, ny lalaony fetsifetsy, ny hafanany sy ny fankahalany ny didy jadona. Fampijaliana sy fahafatesana any an-tsesitany ny valisoany noho ny fananana feon'ny fieritreretana ao amin'ny firenena izay manameloka izany.

Mpanao gazety sady mpikambana taloha tao amin'ny Komity ny Fiarovana ny Mpanao gazety, Tom Rhoades nanoratra hoe:

It is with a heavy heart that I learn my friend Ibrahim Shafi from Ethiopia has passed away. Last time I saw him was a couple years ago at my house…we had a small party…no clue what we were celebrating. My final memories of Ibrahim were jovial –but I knew he and many other Ethiopian journalists in exile were experiencing huge challenges. The lack of work / opportunities, the constant harassment from local police and fear of Ethiopian security –many colleagues that I knew via email whose projects and words suggested a vibrant, active life grew listless and disconsolate while in exile. The journalist I would meet from Addis, forced to flee a hypersensitive oligarchy, would appear very different from the correspondences we previously shared from their home. I daresay colleagues told me Shafi was struggling here and I kept telling myself that “I must catch up with this guy”. Now it's too late. If only I had done more. R.I.P. Ibrahim Shafi Ahmed. You are greatly missed..

Tamin'alahelom-po no nandrenesako fa maty i Ibrahim Shafi namako avy any Ethiopia. Roa taona izay no nahitako azy farany tany an-tranoko … nanao fety kely izahay … tsy fantatra ny antony nanaovanay fety. Miramirana no fahatsiarovako farany an'i Ibrahim – saingy fantatro fa niaina fanamby goavana izy sy ireo mpanao gazety Ethiopiana maro hafa tany an-tsesitany. Ny tsy fisian'ny asa/fahafahana, ny fanorisorenana tsy an-kiato avy amin'ny mpitandro filaminana ao an-toerana sy ny fatahorana ny fiarovana Ethiopiana – nanjary tsy re sy tsy hay tonena tany an-tsesitany ireo mpiara-miasa marobe izay fantatro tamin'ny alàlan'ny mailaka izay nilaza fiainana mavitrika sy mampihetsi-po ny tetikasa sy ny tenin'izy ireo. Ilay mpanao gazety nihaona tamiko avy any Addis, izay voatery nandositra fahefan'olom-bitsy diso sarotiny, dia toa tsy mitovy mhitsy amin'ireo mpitati-baovao niray trano taminay teo aloha. Mino aho fa nilaza tamiko ireo mpiara-miasa fa niady mafy teto i Shafi ary nilaza tamin'ny tenako hatrany aho hoe “tsy maintsy mahatratra ity lehilahy ity aho”. Ankehitriny, tara loatra. Raha mba nanao zavatra bebe kokoa aho.  Mandria am-piadanana Ibrahim Shafi Ahmed. Tena malahelo mafy anao..

Mpanao gazety ara-panatanjahatena malaza, Mensur Abdulkeni nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook:

Words fall short of expressing my sorrow for your loss! Those hard days we shared together will never be forgotten. Goodbye the humble one, my beloved colleague and friend! Rest in peace Ibro!

Tsy mahita teny hanehoana ny alaheloko noho ny fahalasananao! Tsy hohadinoina mihitsy ireo andro sarotra niarahantsika. Veloma ry manetry tena, ry mpiara-miasa mamiko sady namana! Mandria am-piadanana Ibro!

Nahangona vola 10.000 dolara Amerikana mahery tao anatin'ny andro vitsivitsy ho an'ny renin'i Ibrahim, izay mijanona ao Addis Abab ny tranonkala fanangonam-bola fahatsiarovana noforonina tao amin'ny GoFundMe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.