· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Janoary, 2018

Madagasikara: “Tsapako Ho Toy Ny Any Anaty Sarimihetsika Miresaka Ady Aho”

  12 Janoary 2018

Nandray kihon-dàlana hafa indray ny olana politika misy ao Madagasikara , efa nitarazoka hatramin'ny Janoary lasa eo, miaraka amin'ny feom-basysy entona mandatsa-dranomaso, satria nifandona nanerana an'Antananarivo renivohitra ny polisy sy ireo mpanao hetsi-panoherana. Fijoroana vavolombelon'ireo nanatrika, tao amin'ny Facebook sy Twitter.

RDC, Belzika: Fihetsiketsehana Manohitra an'i Kabila

  11 Janoary 2018

Ho fialohavana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ho atao amin'ny alahady 29 oktobra ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo, izay ahitana an'ireo mpifanandrina: Jean-Pierre Bemba sy Joseph Kabila, nisy fihetsiketsehana natao tany Bruxelles, Belzika tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ho fanohanana an'i Bemba saingy indrindra indrindra ho fanoherana an'i Kabila.

Lahatsary : Ireo Famakiamboky Entina Mandehandeha Misy Manerantany

  01 Janoary 2018

Amin'ny ankamaroan'ny rafitry ny famakiam-boky, nanjary tena ilaina ny famakiamboky mandehandeha, mitondra boky ho an'ireo tsy afaka miditra any amin'ny trano famakiamboky. Fa na izany aza, any amin'ny toerana maro, noho ny faharatsian'ny làlana na tsy fahampian'ny fitaovana dia tsy azo atao intsony ilay rafitra mahazatra, fitondràna izany amin'ny fiarabe fitaterana na kamiao. Noho izany dia nipoitra ho toy ny safidy mety hitondràna boky ho an'ireny vondrom-piarahamonina irenyny famakiamboky amin'ny saretin'omby, ny famakiamboky entin'ny ampondra ary ny famakiamboky entin'ny môtô.