Maro Ireo Angoley No Nihomehy Sady Naneso Taorian'ny Tsy Fetezana Nisy Tamin'ny Fandefasana Ilay Zanabolana Voalohany

Nalefan'ny  Televisão Pública  mivantana tao Angola ny fandefasana ny Angosat-1 . Pikantsary tao amin'ny Clubk Clubk/YouTube.

Ny 25 Desambra 2017, nalefa an'habakabaka ny zanabolana voalohany tao Angola, ary nankalazaina tamin'ny  alàlan'ny fandefasana  azy mivantana tamin'ny efijery lehibe tao Marginal de Luanda, iray amin'ireo lalambe lehibe indrindra ao an-tanàndehibe, niaraka tamin'ny afomanga ny fandefasana ity zanabolana ity.

Nomena anarana hoe Angosat-1, vita Rosiana ny zanabolana, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Rosiana-Angoley izay nanomboka tamin'ny taona 2009, ary natao hampiroborobo haingana ny aterineto sy ny onjampeo ary ny fandefasana ny fahitalavitra any amin'ny firenena samihafa any Afrika sy any amin'ny faritra Eoropa.

Na dia izany aza, ora vitsivitsy taorian'ny fandefasana azy avy any Kazakhstan, tapaka ny fifandraisana tety an-tany tamin'ilay  zanabolana ary nangina nandritra ny ora maromaro.

Niresaka momba ilay fandefasana sy ny tsy fetezana nisy niaraka tamin'ny hatsikana ireo Angoley, sady nanararaotra ihany koa ny nanontany momba ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao manerantany sy ny fandaniam-bola tamin'ilay zanabolana raha mbola tena mahantra tokoa amin'ny fampandrosoana ny vahoaka.ny firenena.

Feno fanehoan-kevitra mahatsikaiky ny media sosialy rehefa nipoaka ny vaovao momba ny tsy fetezana vetivety ara-teknika nisy teo amin'ilay zanabolana:

Haingana sy maranitra ireo mpamorona hatsikana [soratra-sy-sary]. “Ny zanabolana dia nampiasa ‘puce’ Movicel , izany no nahatonga azy ho tapaka fifandraisana” [mpandraharaha ara-telefaona finday any Angola ny Movicel ]; “Hita tany amin'ny toerana any Kwanza-Sul [faritanin'i Angola] ny zanabolana, nopotehiny ireo fiaran'ny soba [vondrom-piarahamonina mpitarika ] sy ny mpitantana”

Omaly, nandefa afomanga ny Angoley ho fankalazana ny fandefasana ny zanabolana Angoley voalohany. Tapaka ny fifandraisan'ny ny sampan-draharaha an'habakabaka Rosiana  tamin'ny satelita androany.

“Tapaka ny fifandraisan'i Moskoa tamin'ny zanabolana Angoley”, tsy misy amin'izao fotoana izao ny sarimihetsika mamoafady.

Tsy nisy rafitra angamba izany…
Ankoatra izany, Angoley ny zanabolana

Nanakiana ny tatitra betsaka natao noho ny tsy fetezana tamin'ilay zanabolana kosa ny olona sasany- izay niverina ihany ny fifandraisana roa andro taorian'izay, araka ny nambaran'ny orinasa Rosiana RSC Energia.

Liana tampoka tamin'ny tsy fahatomombanan'ny zanabolana Angoley ny fampitam-baovao iraisampirenena … tena lehibe tokoa ny fankahalàna sy ny finiavana tsy hahita firenena Afrikana mba hijoro.

Angola no firenena Afrikana fahafito, miaraka amin'i Alzeria, Afrika Atsimo, Egypta, Maraoka, Nizeria, ary Tonizia, manana zanabolana amin'ny serasera an'habakabaka.

Nitatitra ny governemanta Angoley fa vola mitentina 320 tapitrisa dolara amerikana no nanaovana izany tetikasa izany, izay notombatombanana fa ho tafaverina ao anatin'ny roa taona. Araka ny nambaran'ny Minisi-panjakana Carvalho da Rocha, mpandraharahan'ny fifandraisandavitra Angoley dia nandany vola mitentina 15 ka hatramin'ny 20 tapitrisa dolara amerikana isam-bolana ny fanofana ny habakabaky ny zanabolana hafa ho an'ny faritra.

Ankoatra izay, nilaza ny minisitra fa efa 40%-n'ny fatra zakan'ny zanabolana no efa lafo, izay ampiasain'ireo mpandraharahan'ny fifandraisandavitra nasionaly, raha ny ambiny kosa dia hofain'ireo mpandraharaha hafa any Afrika sy ny faritra any Eoropa. Hijanona eny an'habakabaka mandritra ny 15 taona i Angosat-1 .

Sary tsy ananan'ny hafa mampiseho an'i Angosat.
Halefa amin'ny volana manaraka ny zanabolana Angoley. Manao fizahana farany amin'ny fiomanan'ny Angosat ireo teknisiana.

Na izany aza, nisy ny olona sasany no niahiahy , toy ilay mpikatroka Pedrowski Teca :

Pergunto:
1 – O que é que a bandeira russa ?? está a fazer no nosso satélite?
2 – Por que que a bandeira da Rússia ?? está em primeiro plano e a de Angola ?? em segundo lugar?
3 – Por que que as escritas no satélite ? estão em língua estranha (parecendo russo)?

Hoy aho nanontany hoe:
1 – Inona ny ataon'ny sainam-pirenena Rosiana eo amin'ny zanabolantsika?
2 – Nahoana ny sainam-pirenena Rosiana no amin'ny toerana voalohany ary ny an'i Angola no eo amin'ny toerana faharoa?
3 – Nahoana ny soratra eo amin'ny zanabolana no amin'ny teny vahiny (toa Rosiana)?

Tsy laharam-pahamehana noho ny olom-pirenena Angoley ny zanabolana ho an'i Raúl Danda, :

[…] Se é um motivo de orgulho, porque não é qualquer país que leva um satélite próprio ao espaço, o episódio lembra-me o CAN 2010: muita banga para nada ou quase nada. Muitos dos estádios que custaram milhões e milhões de dólares (de custo “custado” e de custo roubado) andam aí com o capim a crescer para pasto de cabritos. Naquele momento, o Executivo do Presidente Eduardo dos Santos (agora “ex”) pretendia apenas mostrar que “nós também podemos”! Desta vez a coisa repete-se. Lançar um satélite é uma coisa boa, super boa até. Mas é preciso primeiro fazer outras realizações. Comprar um BMW quando, em casa, os filhos não têm pão, mais do que absurdo é irracional. Lançar satélite no espaço quando no chão não há medicamentos, comida, educação de qualidade, saúde digna desse nome, saneamento básico…. e outras coisas realmente básicas, parece-me ser de uma irracionalidade terrível…

[…] Raha mampieboebo izany, satria tsy ny firenena rehetra no mandefa ny zanabolany eny an'habakabaka dia mampahatsiahy ahy ny Fiadiana ny Amboara ny Firenena Afrikana 2010 ity tantara ity; ny fampisehoana no betsaka kanefa tsy misy dikany. Maro amin'ireo kianja izay nandaniana vola an-tapitrisany sy dolara an-tapitrisany (ny “vidiny” lafo ary ny vidiny halatra) dia mijanona ao miaraka amin'ny bozaka maniry ho sakafon'ny osy. Tamin'izany fotoana izany, nikasa ny hampiseho fotsiny ny governemantan'ny Filoha Eduardo dos Santos (“teo aloha”) fa hoe “afaka manao izany ihany koa izahay”! Niverina indray izany tamin'ity indray mitoraka ity. Zavatra tsara ny fandefasana zanabolana, tena tsara mihitsy aza. Saingy ilaina aloha ny mamita zavatra hafa. Ny fividianana BMW, ao an-trano kanefa tsy manan-kohanina ny ankizy dia hadalana, ary zava-poana. Ny fametrahana zanabolana an'habakabaka kanefa tsy misy ny fanafody, ny sakafo, ny fanabeazana manara-penitra, ny fitsaboana mendrika ho an'izany anarana izany, ny fanadiovana fototra….sy ireo zava-dehibe hafa, dia toa zava-poana raha ho ahy…

Nanontany ny antony nahatonga ny governemanta hitondra mpivavaka hanatrika ilay lanonana fanombohana ny mpikatroka Angoley iray hafa :

Inona no ataon'ireo “mpitondra fivavahana” izay nentina tany Moskoa-Rosia, tamin'ny fandefasana ny zanabolana izay efa tsy hita intsony eo? Toa tsy nijanona tamin'ny fandaniany vola amin'ny tsy misy dikany ny governemanta, sa ve nandoa ny saran-dalany izy ireo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.