Nibodo ireo toerana telo lehibe indrindra tao Hong Kong ireo mpanao hetsi-panoherana mpomba sy Demaokrasia, nandritry ny volana iray mahery izao, hitaky rafitra fanendrena malalaka ireo mpirotsaka hofidiana hitondra ny tanàna amin'ny 2017. Hatreto, tsy lasa lavitra ny fifampiresahana teo amin'ireo manampahefana sy solontenan'ny mpianatra mpikatroka mafàna fo — ny governemanta ao Hong Kong misisika amin'ny hoe tsy afaka hovàna ilay kaomity mpanendry natolotry ny manampahefana avy any amin'ny tanibe ary mpomba an'i Beijing no betsaka ao aminy.
Ho fiomanana amin'ny fibodoana mandritry ny fotoana maharitra, navadik'ireo mpanao hetsi-panoherana ho toy ny tanàna kely voarindra sy misy rafitra manodina azy arry voahaingo taminà hafatra ara-politika avy amin'ny vahoaka sy ireo mpanakanto mpomba ny demaokrasia ilay fitorevahana.
Ny toerana misy ny hetsika ao Admiralty no natao ho toy ny foiben-toerana amin'ilay “Occupy Central”, toerana nanaingàna ny hetsika. Eto ireo mpikarakara no manao ny famoriam-bahoaka sy ny tatitra mikasika ny fivoaran-draharaha farany momba ilay hetsika ho an'ny demaokrasia. Tamin'ny fanisàna farany, tranolay maherin'ny 1.600 no voatsangan'ireo mpanao hetsi-panoherana.
Nanangana sarintany iray ny “Dash”, sehatra ho an'ireo mpianatra mpikatroka mafàna fo, (jereo ny sary ery ambony) anehoana ireo toerana manan-tantara ao amin'ny faritra isian'ny hetsi-panoherana ao Admiralty. Ito ambany ito ny fanazavana fohy momba ireo toerana manan-tantara ireo, arahana sary nalain'i Au Kalun, mpanao gazety fahiny no sady bilaogera malaza.
1. Umbrella Square (Kianjan'ny Elo) ao Harcourt Road
Arabe mahazaka fiara valo mitandahatra mamaky an'i Harcourt sy Connaught no nobodoin'ireo mpanao hetsi-panoherana, niaraka taminà tranolay maherin'ny 1.600 najoro teo. Sarivongana iray, Umbrella Man (Lehilahin'ny Elo), noforoninà mpianatra iray 22 taona avy eny amin'ny anjerimanontolo no mijoro eo amin'ilay nomena anarana hoe Umbrella Square.
2. Toerana Malalaka Fianarana
Mpianatra marobe no nanaraka ilay fibodoana lakilasy mba handray anjara tamin'ilay fitorevahana faobe. Mba hanampiana azy ireny hanohy ny fianarany na dia eny an-toerana aza, nasian'ireo mpandrafitra seza sy latabatra teny, ary mpampianatra nanolo-tena an-tsitrapo no manome ny fampianarana eo amin'ilay faritra malalaka natao ho solon'ny efitrano fianarana.
3. Ny Rindrina Lennon
Rakotry ny taratasy kely maroloko natao hamelàn-kafatra ny Lennon Wall (Rindrin'i Lennon) ao Admiralty. Manoratra ny faniriany sy ny nofinofiny eo ny olona, mikasika ny hoavin'i Hong Kong, ary dia mametaka azy ireny eraky ny rindrina.
4. Rindrin'ny Henatra
Ny “wall of shame” na “rindrin'ny henatra” dia ny vavahady vy eo ivelan'ny foiben-toeran'ny governemanta. Napetraka tamin'ny Aogositra ilay vavahady vy, taorian'ny hetsi-panoherana ny fampiroboroboana ny Zaratany Vaovao Any Avaratra Atsinanan'i Hong Kong. Avy eo dia nanome baiko ireo mpitandro filaminana ny mpitondra ambony tao an-tanàna, ny lehiben'ny mpanatanteraka, mba hanamafy ny fiarovana manodidina ilay tranobe amin'ny fametahana varavaram-by avobe mirefy 2 metatra hanakànana ny olona tsy hiditra ao an-kianja. Navadik'ireo mpanao hetsi-panoherana ho toy ny sehatra ifanakalozana fanehoankevitra sy kiana momba ny governemanta ilay rindrina.
5. Fambolena Ambony Tara
Mitohy amin'ny filazàny i Beijing hoe tsy ny Occupy Central no hitondra fanovàna amin'ny fivondronana ara-politika ao Hong Kong, fari-piadidiana iray manokana ao anatin'ny tanibe Shina. Kanefa, isisihan'ireo mpianatra hatrany ny “fanofinofisana ny tsy azo tanterahana.” Fanambaràna iray amin'ny endriny taokanto anehoany an'io fomba fisaina io ny fambolena zavamaniry teo ambony tara (lalambe).
6. Fibahanana Mendri-kaja
Hatramin'ny nandefasan-dry zareo entona mandatsa-dranomaso mba hamaizana ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana tamin'ny 28 Septambra dia tsy miala any amin'ireo polisy ny mason'ny vahoaka. Taty aoriana, ny 3 Oktobra, notafihan'ireo tsy mankasitraka ny hetsika “Occupy Central” ireo mpanao hetsi-panoherana tao Mongkok raha ry zareo polisy kosa mody nanao masobe tsy mahita tamin'ilay herisetra. Nolavin'ny polisy ny hoe ry zareo no namela na niara-niasa tamin'ireo jiolahimboto handio ilay faritra nisy ny hetsika ary notsindriany fa ny departemantan'ny polisy dia “Guang ming lei luo” (光明磊落) – fiteny Shinoa izay midika zavatra betsaka hamaritana ny toetran'olona iray manana ny toerany sy mendri-kaja, mamiratra ary tsotra, mahitsy sy misokatra amin'ny rehetra. Nanomboka nampiasain'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ireo mpisera ety anaty aterineto ilay fomba fiteny, nampiarahany tamin'ny esoeso, taorian'ny nivoahan'ilay lahatsary “dark corner” – Zoro Maizina .
7. Zoro Maizina
Ny 14 Oktobra, nanandrana nibahana ilay lalambe fototra tao an-tanàna ireo mpanao hetsi-panoherana, Lung Wo Road, izay mampifandray ny ilany atsinanana sy ny andrefana ao Hong Kong, ho setrin'ny fandiovan'ny polisy ny fanakànana nataony tamin'io andro io. Voapetaka rojo vy ny iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana ary nentina naka zoro maizimaizina ka tao ireo manamboninahitra polisy niisa fito no nidaroka azy. Voarakitry ny fakantsarin'ny fahitalavitra iray mpamoaka vaovao ho anaty lahatsary ilay fidarohana. Lasa teboka manan-daza ao Admiralty ilay toerana nitrangan'ny herisetra nataon'ny polisy.
8. Fotodrafitrasa
Ireo mpiasa amin'ny sehatry ny fanorenana kosa nametraka fotodrafitrasa, toy ny tohotra ohatra, mba hanampiana ireo olona miampita manapaka ilay lalambe ka hiditra ao amin'ny toerana misy ny hetsika. Ho an'ny trano fandroana natao ho an'ny rehetra eo akaikin'ny foiben-toeran'ny governemanta, nanolotra karazam-pitaovana sy vokatra fikojakojana vatana ny olona, toy ny savony, ny borosy nify, ny lamba famaohana, lamba tsotra mba hahafahan'ireo mpanao hetsi-panoherana mijanona ho madio hatrany mandritry ny filasiana ataony.
9. Arabe Sy Tonelina Foana
Ny Connaught Road no isan'ny arabe tototra indrindra ao Hong Kong. Nanova izany kosa ilay fitorevahana faobe ka foana ankehitriny ireo arabe migodàna sy tonelina ary tsy misy setroka avy amin'ny fiara ny rivotra iainana.
10. Tanànan'i Harcourt sy ny Fihodinana Umbrella
Tonga nankeny amin'ireo toerana nanaovana hetsika ihany koa ireo vondron'olon-tsotra izay manandratra ny fahafahana mifidy izay làlam-piainana tiana hizorana. Azonao atao ny mahita olona manenona lamba eny, manamboatra zavatra vita amin'ny hoditra, mandoko ary mamboly zavamaniry eny amin'ny arabe. Endrika maneho ny filàna mandinika ny làlan-kizoran'ny fandrosoan'ny fiarahamonina ny “umbrella roundabout”, na ilay “Fihodinana Elo”.