Manome Tsirim-Panantenana Ireo Mpikatroka Mpanohana ny Demaokrasia Indray Ny Fiarahaba ‘Hunger Games’

Ao amin'ny sary iray mampahatsiahy ny sarimihetsika mpivoaka ao Hollywood, nanao fiarahaba amin'ny rantsa-tanana telo tamin'ny praiminisitry ny firenena teo aloha Yingluck Shinawatra ireo mpanatrika ny fandoroana ny fatin'ny lefitry ny mpitondra tenin'ny Antenimiera, ary izany fihetsika izany dia toa hafatra mangina mitondra fanantenana ho an'i Thailandy.

Fantaro anie azafady : mbola maro ireo Thailandey manohitra ny fanonganam-panjakana mandà ny hogejain'ny miaramila

Io sary nivoaka voalohany tao amin'ny pejy Facebook-n'ny BBC Thailand io dia nisy nizara nihoatra ny in-650 tao amin'io sehatra io ihany ary nihoatra ny in-70 tao amin'ny Twitter, ka ao anatin'izany ny re-tweets avy amin'ireo Thailandey manana mpanjohy betsaka tahaka an'i @toyubomm. Nanangana io pejy Facebook io ny BBC mba hidifiana ny famelezana tsy mitsahatra mahazo ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahafahana taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny volana mey, ka tafiditra amin'izany ny fandrarana ny fivoriana politika sy ny famonjana ireo politisiana sy mpikatroka anjatony manohitra ny fanonganam-panjakana.

Ny fiarahaba mananga-tanana, azo aingam-panahy tamin'ilay horonan-tsarimihetsika “The Hunger Games,” io no noraisin'ny hetsika mpanohana ny demaokrasia ho mari-pamantarana tsy ofisialin'ny mpikatroka manohitra ny fanonganam-panjakana.

Nitranga ity raharaha tao amin'ny Facebook sy Twitter ity tao anatin'ny fotoana nampihenjana ny toe-draharaha tao amin'ny firenena, raha mangeja ny resaka an-tserasera sy ny fahalalaham-pitenenan'ny tsirairay ny fitondrana miaramila. Noraisina ny fepetra hanivanana ny olom-pirenena ao amin'ny tambajotram-pifandraisana sy hibahanana ireo tranonkala manohintohina an-jatony, ka tafiditra amin'izany ny tranonkala Daily Mail, avy ao Angletera, tamin'ny herinandro teo, nanambara ny blaogy politika iray ao amin'ny tranonkala ifanoratana aziatika, Bangkok Pundit, fa hiato noho ny “toe-draharaha mahalatsaka an-katerena tsy ahafahana maneho hevitra ny politika thailandey ampahibemaso taorian'ny fanonganam-panjakana.”

Raha fihemorana indray eo amin'ny jery ara-pahalalaham-pitenenan'ny vahoaka thailandey ny fanakatonana blaogy tsy manondro ny tompony, dia manome tsirim-panantenana amin'ny hoavin'ny firenena izay efa nandalo tamin'ny fisokafana sy ny demaokrasia indray ny fampielezana sarim-piarahabana amin'ny rantsa-tanana telo tahaka izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.