Jamaika : Maty Ny Jiro Amin'ny Alina ; Afaka Madiodio Ireo Mpanao Politika Voarohirohy Aminà Kolikoly

Nadaboka ilay vesatra fanenjehana ny minisitry ny angovo Jamaikana teo aloha, Kern Spencer (sy ny mpanampy azy ramin'izany fotoana izany, Colleen Wright), mikasika ilay hosoka sy famotsiam-bola rehefa nohamafisin'ny Mpitsara ao an-toerana, Judith Pusey ny fangatahana fanafoanana fitoriana nataon'ny mpisolovava azy ireo. Ity raharaha ity dia vokatr'ilay antsoina hoe Tantara Maloton'ny Takamoa Kiobàna  izay niafara tamin'ny fivarotana tamin'ny vidiny JA$276 tapitrisa (eo ho eo amin'ny 2,5 tapitrisa dolara Amerikana) ireo takamoa mitsitsy nomen'ny fitondrana Kiobana izay tokony ho nozaraina.

Nisy lahatsary azon'ny rehetra nojerena tamin'ny 2007 mampiseho an'i Kern Spencer gina tsy nahateny tao amin'ny parlemanta, fony mbola ny Jamaica Labour Party no teo amin'ny fitondrana tamin'izany fotoana, izay nanery azy hamaly ny momba ny fandaharan'asa amin'ny fizarana ireo takamoa :

 

Bitsihin'ny mpanao gazety Emily Crooks ny fivoaran'ny zava-mitranga :

Vaovao tselatra- notazonin'ny RM ilay fangatahana fanafoanana fitoriana nataon'ny mpisolovava Mpiaro – #KERNSPENCERFREED

Nifarana ny vesatra nanenjehana an'i Kern Spencer momba ilay famotsiam-bola sy ny firaisana tsikombakomba. Namoaka didy ny RM Judith Pusey fa TSY MISY raharaha ho valiana INTSONY

Kern Spencer – Voaheloka tamin'ny Feb 2008; naraha-maso 2 alina ; niatrika fitsaràna nandritra ny 6 taona; navotsotra ny 24 Martsa 2014

Nisintona ny fisainan'ny maro ny fanapahan-kevitry ny mpisara, tsy noho ny fisiana vesatra nanenjehana mpanao politika ihany fa noho ilay raharaha  mampitombo ny ady hevitra momba ny rafi-pitsarana Jamaikana. Maro amin'ireo mpanao fanadihadiana no mampitaha io raharaha io amin'ilay didim-pitsaranan'ny Vybz Kartel vao haingana. Nanontany tena ny mpitoraka bilaogy ao amin'ny Yardflex raha toa ka misy ny lalàna modely roa:

I Spencer, ilay minisitra tanoran'ny angovo [sady] Mpikambana amin'ny Parlemanta avy any avaratra atsinanan'i St Elisabeth, izay nikiakiaka tao amin'ny Antenimiera rehefa naseho ampahibe maso voalohany ilay fanalam-baraka, dia sarinà fanamaivanana taorian'ilay didy.

Nolazain'i K.D. Knight sy Deborah Martin, mpisolovava mpiaro, ao amin'ny fanambaràny fa nitanila ny fitsaràna an'i Spencer sy Wright noho ny tsy fandehanan'ny fiampangana araka ny tokony ho izy sy ny fahelan'ny raharaha ary ny tsy fahampian'ny porofo hanohanana ilay fiampangàna. Toe-draharaha mitovy amin'ny an'i Kartel. Nahoana izy no lazaina fa meloka ?

Tsy tokony hiantsampy amin'ny fangalàna tsoa-kevitra momba ny rafi-pitsarana Jamaikana aminà tranga tokana ny olona hoy i Dee Nadz Tine :

Roa herinandro izay, nankasitrahana ny fitsarana an'i Kartel Murder, ankehitriny ireo olona ireo ihany no diso fanantenana sy mitomanin'ny henatra amin'io rafi-pitsarana io… Aza avela hitarika antsika haka tsoa-kevitra ny zava-mitranga sy ny vokany ; aza omena alàlana akory ny fankahalàna, ny hatezerana, ny fitiavana, ny halemem-panahy, ny fanekena ny hevitra politika hamoahantsika didy #‎ourjusticesystemisbroken‬ ‪#‎admitit‬ ‪#‎itcouldfailyoudirectly‬

Tsy nahasakana ireo mpisera amin'ny Twitter tsy hampitaha ireo tranga roa ireo anefa izany :

Aza anontaniana akory hoe natao ho an'iza ny fitsarana @iamthekartel, Indrisy !  tsy natao ho anao izany #KERNSPENCERFREED

Mandeha amin-kalalahana i Kern ary tsy ho any am-ponja ny deba noho izy be mpahalàla sy lava tnan'akanjo..tsy misy rafi-pitsaràna.

Raha afaka mivezivezy malalaka i kern …. dia tokony ho tahaka izany ihany koa i kartel

Mitovy daholo ny biby rehetra fa misy sasany mitovy kokoa noho ny hafa.” #KERNSPENCERFREED

Tsy azon'ity mpisera amin'ny Twitter ity ny antony nifaranan'ilay raharaha fotsiny tahaka izao nefa efa nanaovana fanadihadiana 6 taona…

Araka izany dia 6 taona ve ry zareo vao nahatsapa fa tsy nisy vesatra fitoriana ho an'i Kern Spencer?

…raha ity olona iray ity kosa mihevitra fa azon'i Spencer atao ny manadio ny anarany any amin'ny fitsarana :

Nanao ny TSY RARINY GOAVANA i Kern Spencer tamin'ny fandrenesana fa TSY MISY ANTONY ANENJEHANA azy taorian'ny 6 TAONA NIAMPANGANA azy @emilynationwide @nemsfrancis

Nolazain'ny sasany fa fandaniana andro daholo ireny zavatra natao rehetra ireny:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.