Minisitra Manolotra Valisoa Mitentina $2000 Mba Hanalàna Ny Sarontavan'ireo Tonian-dahatsoratry Ny Zambian Watchdog

Nanome valisoa mitentina 2000 Dolara ny minisitry ny governemanta Zambiana ho an'izay olona afaka manome ny antsipirihan'ireo olona ao ambadiky ny Zambian Watchdog, ilay vohikala fanaovan-gazety tsy miankina noho ny fanoratana tantara sy famoahana sary mampiseho fampirafesana natao azy.

Tamina tolotra iray hafa ho setrin'io tolotra voaloany io dia nanome iPad sy solosaina maro hafa, ny mpiambina an'i Zambia, ho an'ireo olona manana “vaovao marim-pototra” momba ny raharaha mikasika ny fiainam-pitiavana ivelan'ny tokantranon'i Miles Sampa, Minisitra lefitry ny Varotra, Fifanakalozana ary Indostria ao Zambia. Nanenjika ilay vohikala tsy miankina fampahalalam-baovao sosialy Kachepa 360 (izay tsy hita ao anaty aterineto intsony) i Sampa, mpikambana iray manan-danja ao amin'ny “Front Patriotique” (PF) eo amin'ny fitondrana, noho ny fanalàm-baràka ary nomen'ny fitsarana iray ao Etazonia 50 000 Dolara ho setrin'ny fanohitohinana tamin'ny voalohandohan'ny taona lasa teo. 

Nanome ny tolony ny Minisitra taorian'ny namoahan'ny Zambian Watchdog tantara iray milaza fa vao haingana izay dia nitsidika ny vohitr'i Kasama any amin'ny faritra Avaratra ny tenany mba hizara vola ho an'ireo olona mitàna toerana ambony ao amin'ny antoko hiantsiana disadisa taorian'ny nanambaran'i Geoffrey Bwalya Mwamba, loholona iray ao an-toerana, ny fialàny tsy ho Minisitry ny Fiarovana.                           

Nanonona ny anaran'i Sampa ny Watchdog raha nilaza hoe:

Tsy raharahiko na miafina any Londra izy ireo na aiza na aiza no misy azy ireo. Vao tsy ela izay no nahazoako onitra noho ny fanohitohinana avy any Etazonia aho ary tsy mitsitsy aina aho amin'ny fanenjehana olona manaparitaka lainga [miresaka momba ny Watchdog]

Nanohy ny tsikerany i Sampa tao amin'ny Pejy Facebook-ny, izay nilaza fa endrikà “heloka bevava anaty aterineto” ireo singam-baovao ireo:

Manao antso avo ho an'ny vahoaka mahitsy sy manam-boninahitra rehetra aho. Raha misy na iza na iza mahafantatra ny anarana sy ny toeram-ponenanà lehilahy na vehivavy, aty an-toerana na any ivelany, izay manoratra na mpiasan'ireo Mpamoaka lainga na koa tafiditra anatin'ny fanalam-baraka ao anaty Aterineto na Facebook ho an'ny tombontsoa politika na ho an'ny mpankafy [fahafinaretana] fotsiny ihany, dia miangavy anareo handefa amiko ireo antsipirihany ireo na koa handefa hafatra ao amin'ny [nomerao nomena]

Hisy marim-pankasitrahana K10,000(navaozina) [vao haingana no nanavao ny sandam-bolany i Zambia tamin'ny alalan'ny fanaisorana haotra telo tao aminy] na koa $2000 raha any ivelany ho an'ireo mpandefa antsipirihany ampahitsim-panahy.

Azo antoka ny tsiambaratelo ho an'ireo mpanome vaovao rehetra ary hatao amin'ny alalan'ny Western Union ny fanomezana ireo marim-pankasitrahana raha tsy atao mivantana. Ny fialam-boliko amin'ity 2014 sy amin'ny anaran'ireo rehetra mahatsiaro fa iharan'ny heloka bevava anaty aterineto izy ireo, dia ny hamantatra ny toerana misy ireo mpanararaotra ireo mba hahafahan'izy ireo mahita ny atin'ny lapam-pitsarana akaiky ny trano fonenany na aiza na aiza eto amin'ity tany ity.

Nanampy i Sampa hoe:

Tokony ho sahisahy tsara ireo mankafy ny fanalàm-baràka ny olon-kafa na mpanao politika aza, hanamarina ny tantarany eny amin'ny fitsarana.

Namerina ny lahatsoratra navoakan'i Sampa tao amin'ny pejy Facebook-ny miaraka amin'ny valinteniny ny Zambian Watchdog, toy izao:

Izahay (Zambian Watchdog) ihany koa dia manao antso avo ho an'ny rehetra, na iza na iza mahafantatra ireo vadikelin'i Miles Sampa amin'izao mba hilaza izany aminay. Afaka “mandefa hafatra” aminay eto ianareo na koa mandefa mailaka any amin'ny editor@zambiawatchdog

Raha mandefa vaovao marim-pototra ho anay ianareo, dia handefa Ipad na Kindle ho anareo izahay mba hanohizanareo ny fanarahana ny Watchdog. Saingy aza asiana diso, hisy mpitondra hafatra hanome ilay Ipad na Kindle ho anao saingy tsy ho fantatrao mihitsy ny toerana niaviany.

Ary ho anao ry Sampa, fantaro fa [miaraka] aminao izahay.

Nanome sosokevitra an'i Sampa hiala ny ady atao amin'io vohikala fanomezam-baovao io i Kaluku Musumadi raha nitsikera ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook-ny Zambian Watchdog:

Tsy ho voafehy intsony ity fangalampiery (Tom & Jerry) misy eo amin'i Miles sy ny ZW Dog ity. Tsy maintsy mianatra manome lamosina ny tranga tahaka izao i Miles satria arakaraky ny “hamoretany ny tànan'akanjony hanome totohondry” no hitsambikinan'ny alika ihany koa hanaikitra azy indray. Mianàra tsy mivaky loha amin'ny resaka tsy misy fotony ataon'ny media sasany dia hifindra aminà fotodresaka mafàna hafa ny fahalinany aminao.

Zambiana maro mpanao gazety no efa voasambotra taloha noho ireo fiampangana tsara voatra noho ny fiahiahiana azy ireo ho misy fifandraisany amin'ny Zambian Watchdog.

 

Tantara mifandraika amin'ito, izay an'i Gershom Ndhlovu avokoa

Minister Ridiculed Over Website Closure Statement

Mpanao gazety iray hafa nosamborina tao Zambia

Journalist Charged With Sedition in Zambia

Zambia: ISP Faces Backlash Over Blocked News Site

Zambia: VP “Would Celebrate” Shutdown of News Site

Zambia: Minister Threatens Editors of Online Watchdog with Treason Charge

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.