Mahomby Ve Ny Fanasaziana Ara-Toekarena ?

Taorian'ny firotsahan'ny miaramila Rosiana an-tsehatra tao Krimea, dia nisy nilaza fa famaizana ny governemantan'i Vladimir Putin ireo fandrahonana sazy ara-toekarena. Efa nanambara fandraràna tsy hiditra ao amin'ny sisintany sy ny fanagiazana ny fananan'ireo olona marobe akaikin'i Kremlin ny Trano Fotsy ary eo am-pandinihana sazy mitovy amin'izany ihany koa ny Vondrona Eoropeana.

Na izany aza, mbola tsara fariparitana ny fahombiazan'izany sazy izany. Efa diso fantatry ny kaontinanta Afrikanina tsara ireo fepetra fampiharana sazy ara-toekarena ao amin'ny firenena tsy manaja ny fijoroam-panjakana tan-dalàna. Ohatra amin'izany ny Repoblikan'ny Afrika Afovoany , Mali, Maoritania ary Madagasikara izay niharan'ny sazy tao anatin'izany taona vitsy izay noho ny fakàna fahefana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana. Niharitra ny mafy sy nisedra olana marobe ireo firenena ireo mba hivoahana amin'ny olana ara-politika sy hiverenana indray ao anatin'ny sehatra iraisam-pirenena. Misy fiantraikany mankany amin'ny fiverenana any amin'ny lamina araka ny lalàmpanorenana ve anefa ireo sazy ara-toekarena?

Christian Chavagneux, lehibe lefitry ny tonian-dahatsoratra  ao amin'ny Alternatives Economiques, nampatsiahy fa sarotra ny mampahomby ireo sazy ara-toekarena :

Enfin, les leçons de l’histoire font douter de l’efficacité de sanctions économiques. Rappelons-nous que le boycott militaire de l’Afrique du Sud de l’apartheid ne l’a jamais empêché d’acheter des armes, que les campagnes de désinvestissements et les boycotts de produits de consommation n’ont pas fait s’effondrer sa classe dirigeante et que les grandes banques y sont largement toujours resté présentes.

Ny leson'ny tantara no miteraka fisalasalana amin'ny fahombiazan'ireo sazy ara-toekarena. Aoka hotadidintsika fa fa tsy nanakana an'i Afrika Atsimo tsy hividy fitaovam-piadiana velively ny nanaovana ankivy ara-miaramila azy, ary tsy nampihontsina ny sarangan'ny mpitondra ny fanentanana tsy hanangana fandraharahana sy ny fanaovana ankivy ny vokatra fanjifa ary mbola niori-ponenana soa aman-tsara ireo banky lehibe

Ny Raharaha Madagasikara

Teto Madagasikara, nilatsaka ny sazy ara-toekarena taorian'ny fakàna fahefana nataon'i Andry Rajoelina izay nampian'ireo andianà miaramila tamin'ny marsa 2009. Taorian'ny fihantonan'ny fifanekena ara-barotra miaraka amin'i Etazonia tamin'ny alalan'ny AGOA, sy ny fihantonan'ny fanampiana avy amin'ny Vondrona Eoropeana ary ireo sampan-draharaham-pampandrosoana samihafa, nikororosy fahana haingana dia haingana ny harinkarena anatiny ka nahatratra tanatin'ny fotoana fohy ny fanambaniny indrindra hatramin'ny taona 2002 :

le PIB de Madagascar entre 2001 et 2011 - Domaine public

Ny harinkarena anatin'i Madagasikara teo anelanelan'ny taona 2001 sy 2011 – Sary azon'ny rehetra ampiasaina

Naneho hevitra mikasika ny fanesorana ny AGOA ilay mpahay toekarena William Easterly izay nilaza fa ny mponina efa marefo no lasibatry ny sazy fa tsy ireo mpitondra tompon'andraikitra  :

The US pulled the plug on AGOA at the end of December and import duties of up to 34 percent were reintroduced. Now we are starting to see the effects in the formal and informal economy:

  • Factories closing and factory jobs lost
  • Increased competition among street traders now that former factory workers are pushed out to sell goods in overly crowded street markets
  • Knock-on effects in neighboring countries (Mauritius, Swaziland, Lesotho, South Africa) which made inputs like zippers to Madagascar’s factories.

Among the effects we are NOT seeing: signs of increased interest in arriving at a power-sharing agreement or instating democratic governance on the part of Rajoelina’s government. 

Nahanton'i Etazonia tampoka ny AGOA tamin'ny Desambra ary nampidirina indray ny haban-tseranana 34 isan-jato. Hitantsika ankehitriny ny voka-dratsin'izany eo amin'ny toekarena manara-dalàna sy ny tsy manara-dalàna:

    • Nikatona ireo orinasa ary very asa ny mpiasa.
    • Miha-henjana ny fifaninanana eo amin'ireo mpivarotra an-dalambe satria voaraoka ireo mpiasa ka lasa mivarotra entana eny an-dalambe.
    • Nirohotra tany amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina (Nosy Maorisy, Swaziland, Lesotho, Afrika Atsimo) ireo orinasa teto Madagasikara.

Anisan'ireo voka-dratsy TSY hitantsika: tsy hita izay firosoana avy amin'ny fitondran'i Rajoelina mankany amin'ny fizaram-pahefana sy ny fametrahana fitantanana demaokratika.

Manome rariny an'ny Eastery ny tohin'ny zava-nitranga. Tafalatsaka anaty krizy ara-toekarena lalina i Madagasikara kanefa tsy iharan'izany ireo tompon'andraikitra tamin'ny krizy politika ary mbola eo amin'ny fahefana ry zareo 5 taona taorian'ny fanonganam-panjakana. Hita mifamahofaho eny an-tanàndehibe sasany ny fiara tsy mataho-dalana nomena ireo olom-bitsy kanefa miha-mahantra haingana ny ankamaroan'ny mponina. Tamin'ny 2013, miaina amin'ny 2 dolara isan'andro ny 90%n'ny Malagasy.

Sazy ara-toekarena sy firotsahan'ny miaramila an-tsehatra tao Mali

Taorian'ny fakàm-pahefana nataon'ny Kapiteny Sanogo sy ny tafiny  tamin'ny taona 2012, nanambara sazy avy hatrany ny fiarahamonina iraisam-pirenena ary nanaisotra ny fanampiany amin'ny fampandrosoana an'i Mali. Saingy miharatsy haingana dia haingana ny toe-draharaha noho ny fisintahan'ny avaratry ny firenena nataon'ireo vondrona mpikomy sy ny fanombohan'ny firotsahan'ny miaramila iraisam-pirenena an-tsehatra, notarihin'i Frantsa.

distribution de nourriture pour les réfugiés maliens - via wikimédia commons CC-BY-NC

fizarana sakafo hoan'ireo mpitsoa-ponenana Maliana  – tao amin'ny wikimédia commons CC-BY-NC

Tsy misy adihevitra ny tatitra farany avy amin'ny PNUD sy ny minisiteran'ny fanampiana maha-olona Maliana milaza ny fiantraikan'ireo sazy amin'ny toekarena ao amin'ny firenena sy ny fiankinan'ny firenena amin'ny fanampiana hoan'ny fampandrosoana :

Ireo sazy ara-toekarena dia hita amin'ny alalan'ny fiatoan'ny fanampiana ho amin'ny fampandrosoana avy amin'ireo Mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy Ara-bola etsy ankilany, ary amin'ny fanaovana ankivy ara-toekarena sy ara-bola avy amin'ny CEDEAO etsy andaniny.

La manifestation des conséquences de ces évènements a été perçue à travers les aspects suivants :
– la suspension de la coopération avec les partenaires ;
– la baisse de l’activité (investissement, production, bancaire, commerciale, import/export, inflation) ;
– la détérioration du pouvoir d’achat des populations à travers la hausse de l’indice des prix à la consommation, la dégradation de la confiance des agents économiques (incertitudes) ;
– la baisse des recettes budgétaires (révision du budget, etc… ) ;
– la baisse des dépenses en faveur des secteurs sociaux (CSCRP, OMD, etc.).

[..] Un des enseignements clés de la crise politique et sécuritaire réside dans la très grande dépendance du Mali vis-à-vis de ses relations extérieures. [..]

Hita tamin'ny alalan'ireto endrika manaraka ireto ny fisehoan'ireo voka-dratsin'ny zava-niseho:

-Ny fiatoan'ny fiarahamiasa miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka

-Fihenàn'ny (famatsiam-bola, famokarana, banky, varotra, fanondranana/fanafarana entana, fihevahevan'ny fiharian-karena);

-Fitontongan'ny fahefa-mividin'ny mponina noho ny fiakaran'ny vidin'entana fanjifa, fihenandanjan'ny fitokisan'ireo mpandray anjara ara-toekarena (fisalasalana) ;

-Fihenàn'ny vola miditra amin'ny tetibola (fanitsiana ny tetibola;…);

-Fihenàn'ny fandaniana hoan'ny sehatra ara-tsosialy (CSCRP, OMD, etc.).

[..] Iray amin'ireo lakilen'ny fampianarana momba ny krizy politika sy ara-piarovana ny fiankinan-dohan'i Mali tanteraka amin'ny fifandraisana amin'ny any ivelany.

Mbola hita indray eto, fa nanasazy indray ny mponina efa marefo ireo sazy nampiharina ary tsy nahafahana niverina tamin'ny fitantanana mahomby akory ny fanasaziana satria mbola nisy sy nilaina ny firotsahan'ny miaramila vahiny an-tsehatra mba hametraka filaminana ao amin'ny firenena.

Toa hita fa nanatsoaka lesona tamin'ireo zava-nitranga ny firaisamonina iraisampirenena. Satria toa mikendry ireo mpitondra tompon'andraikitra ankehitriny ireo fepetra noraisina vao haingana, araka ny hita tamin'ny sazy nampiharina amin'i Rosia.

Misy anefa ireo fanontaniana tsy nahitam-baliny mikasika ny antony hampiharana sazy amin'ireo firenena sasany. Tsikaritra fa masontsivana tsy azo tsinontsinoavina amin'ny fandraisan'ny fiarahamonina iraisampirenena ny fanapahan-kevitra ny tombontsoa ara-toekarena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.