Tantara tamin'ny Oktobra, 2023
Noresahan'i Filip Noubel tamin'ny DoubleThinkLab, mpiara-miasa amin’ny GV momba ny fitsidihana tany Kyiv tamin'ny volana Septambra teo
Ny 6 Oktobra teo i Filip Noubel, Tonia Mpitantana ato amin’ny GV, niresaka tamin'ny teny Shinoa tamin'ireo mpihaino Taiwaney ao amin'ny DoubleThinkLab, mpiara-miombon'antoka amin'ny GV, momba ny fitsidihana tany Kyiv tamin'ny volana Septambra.
Tantaran'ny fiaraha-miaina amin'ny fotoanan'ny ady.
Ny toerana sahala amin'i Marneuli dia manome vintana ho an'ny fandriampahalemana na farafaharatsiny hitarafana fa azo atao any ivelan'ny faritra fifandirana ny fitantarana ny fandriampahalemana.
Mitety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ao Zimbaboe mba hahatakarana ny toedraharaha ara-politika ankehitriny
Zimbaboe, sokajian'ny tatitry ny Freedom House ho sahala amin'ny "afaka amin'ny ampahany", amin'ny alalan'ny fanomezana naoty azy 28 amin'ny 100 noho ireo lalàna mangeja ny fampahalalam-baovao sy ny fitsipika mifehy ny fampiasana ny aterineto.
Fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena, mangataka amin'ireo orianasa teknôlôjika mba hanaja ireo zo nomerikan'ny Palestiniàna mandritra ny fotoanan'ny krizy
Tech companies must acknowledge their vital role and responsibility and adhere to business and human rights principles, along with international human rights laws, in upholding and protecting freedom of expression
Ahoana no iadian'ny Rosiana ny potinisma: Tahirin-kevitra iray
Tsy marina ny filazana fa tsy nanohitra ny fisandratan'ny Potinisma i Rosia — nanohitra izy. imbetsaka ary amin'ny fomba maro, na dia tsy nahomby aza.
‘Maty ve aho?': Fijoroana vavolombelon'ny nanatri-maso avy ao Gaza
'Sary mavesatra voasokitra ao an-tsaina, fahatsiarovana ho tsaroako mandra-maty no nentiko nody'
Nasain'ny Vondrona Eoropeana hiresahana zon'olombelona ny solontenan'ny jadona miaramila Myanmar
“Tsipahinay amin'ny teny mahery indrindra izaitratra ny ezaka rehetra mety haha-ara-drariny ny jadona miaramila.”
Sarin'ny sesitany: Iraniana ‘miaramilan'ny rariny’, Sholeh Pakravan
Nandritra ny fotoana iray mahavaky fo tany ambadiky ny rindrin'ny fonja iraniàna no nahafantaran'i Sholeh ny namonoana ny zanany vavy Reyhaneh noho ny famonoana mpiasa iray fahiny tao amin'ny ministeran'ny fanangonam-baovao nanandrana ny hanolana azy.
Fanentanana efatra hanairana ny saina momba ny fahasalaman'ny saina, tarihan'olom-pirenena ao Afrika sy India
Araka ny tatitra 2021 avy amin'ny Fikambanana Erantany misahana ny Fahasalamana, ampahefatry ny olona no tratry ny fikorontanana ara-tsaina na any amin'ny atidoha mandritra ny vanimpotoana iray eo amin'ny fiainany
Mitady mpitarika tetikasa Lingua ny Global Voices mba hitantana ny tetikasa sy ny asan'ny vondrom-piarahamonin'ny fandikan-teny
Mitady mpitarika ho an'ny tetikasa Lingua izahay, hitari-dalana ireo ekipa mpandika teny, hiantoka fa miseho amin'ny fiteny maro ary miaro ny aterineto amin'ny fiteny maro ny asa atao.