Tantara misongadina tamin'ny Avrily 2023
Tantara tamin'ny Avrily, 2023
Toko nosoratan'i Kelly Chaib De Mares momba an'i Azerbaijan ao amin'ny “Boky fanao an-tanan'ny Fisantaran'andraikitra Famahana olan'ny fifandiram-paritra ilabolantany atsimo”
Mampiditra odidina ara-jeopolitika sy ara-jeo-ekonomika ao Azerbaijan amin'ny fahatakarana ny tsy fiandaniana sy ny diplaomasia telolafy ho fomba iray hisorohana ny fifandirana ao amin'ny faritra[...].
Mety tsy ho voamarika izahay, fa misy olona manana fahasembanana tsy hita maso‘
Ny olona manana aretina toy ny aotisma ny fahaketrahana, ny androbe, ny endometriozy, na ny diabeta dia samy manana ny zavatra iombonany: fahasembanana tsy hita maso.
Tantaran'ny Okraniana iray tompon'andraikitra tao amin'ny faritra tsy azo aleha ao Chornobyl, teo ambany fibodoana Rosiana
Hitany sy fantany fa mikisaka mankao anatin'ilay faritra tsy azo aleha ireo Rosiana ka tandindonin-doza. Afaka nilaza tamin'izy ireo izy, saingy tsy nisy nanontany.
Asehon'ny fiafaran'ny Ramadan ao Taipei ny anjara toeran'ny Islamo ao amin'ny diplaomasian'i Taiwan
Na dia mandrafitra monja ny iray isanjaton'ny mponina aza, ny vondrom-piarahamonina miozolomana ao Taiwan no maneho ny maha-loharanonkarena azy ho hita sy hiroboka bebe kokoa amin'i Afovoany Atsinanana izay manjakazaka i Shina.
Ampy ho an'ny hetsika soca roa lehibe ve ny ‘Zoma mahafinaritra rehefa ‘ Fetiben'i Trinidad & Tobago ?
Nanambara ny hisian'ny fampisehoana amin'ny Zoman'ny Karnavaly 2023 i Machel Montano, mifandona amin'ny hetsika International Soca Monarch izay atao tamin'io andro io ihany. Mandanjalanja ireo mpankafy Soca.
Sarimihetsika enina momba ireo vondrom-piarahamonina ao Azia-Pasifika miatrika ny olan'ny toetrandro
Asongadin'ireto sarimihetsika ireto ny tantaran'ireo vondrom-piarahamonina miady amin'ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro, sy ny fanaingàny fanahy hanana fanantenana hiatrehana ny olan'ny toetrandro amin'ny alàlan'ny ezaka ataony sy ny firaisankinan-dry zareo
Taratasim-baovaon'ny RV : “Whose Voices” Feon'iza? Anidiana podcast momba ny rariny amin'ny fiteny
Podcasts, famatsiambola, vatsimpianarana sy ny maro hafa koa !
Mafy ny adin'ireo mpiompy mpifindrafindra toerana ao Avaratr'i Nizera (Niger), noho ny haintany
Ao Nizera, miatrika ny fitomboan'ny tany hay izay loza mitatao ho an'ny andiam-biby fiompiny sy ny fomba fiainana nentindrazany ireo mpifindrafindra toerana.
Mpihazakazaka Trinbagoniana maka fotoana hakana sary ny hazo poui
Iray amin'ireo endrika mahafinaritra indrindra amin'ny vanin-taona maina ao Trinite sy Tobago ny famonin'ny poui.
‘Tantaram-pitiavana ao amin'ny firenena feno fankahalana’: mpikatroka nogadraina tany Rosia noho ny ‘propagandy’ LGBTQ
Ankoatra ny sivana miely patrana, mitarika teritery tsy mbola nisy toy izany amin'ny olona LGBTQ+ sy ireo fikambanana manampy azy ireo ny lalàna Rosiana momba ny “fampielezan-kevitra iadiana amin'ny LGBT”.