Fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena, mangataka amin'ireo orianasa teknôlôjika mba hanaja ireo zo nomerikan'ny Palestiniàna mandritra ny fotoanan'ny krizy

Palestiniàna mizaha ireo fatin-korontana tamin'ilay tilikambo Watan rava tamin'ny fanafihana an'habakabaka nataon'i Israely tao an-tanànan'i Gaza ny 8 Oktôbra 2023. Avy amin'ny Palestinian News & Information Agency (Wafa) manana fifanarahana sary amin'ny APA images, Wikimedia commons. CC BY-SA 3.0, CC BY-SA 3.0

Ireo zavamisy mitranga ao anatin'ny adin'i Isrealy sy Gaza dia nitarika nankany amin'ny fiakaran'ny fanampenam-bava ny feon'ireo Palestiniàna sy fitomboan'ny habibiana atao amin'ireo Palestiniàna eny anatin'ireo sehatra an-tambajotra isankarazany. Ny Global Voices dia nanatevina  ny laharan'ireo fikambanana miisa 56 avy ao amin'ny faritra sy eran'izao tontolo izao tao anatin'ny antso iray nalefa ho an'ireo orinasa misahana ny teknôlôjia, Nitakiana amin'izy ireny ny hanaovany hetsika haingana sy hentitra hanoherana ny firongatry ny fanavakavahana an-tserasera, ny fanavakavaham-bolonkoditra, ny fandranitana ary ny fandisoana vaovao natao hikendrena ireo Palestiniàna.

Ny 13 Oktôbra 2023 ity fanambaràna ity no nivoaka voalohany tao amin'ny 7amleh.org.

Izahay, fiarahamientan'ireo mpiaro zon'olombelona sy fiarahamonim-pirenena, dia miantso ireo orinasa teknôlôjika mba hihetsika avy hatrany handray fepetra hentitra hiarovana ny zon'ny mpampiasa azy ireo tsy ho tra-doza manoloana ireo tranga mirongatra ao amin'ny faritra. Tsy azo nihodivirana fa ireny tranga ireny dia nitarika nankany amin'ny fanavakavahana ireo votoaty avy amin'ny Palestiniàna sy ny fiakaran'ny fankahalàna Palestiniàna nanerana ireo sehatra an-tserasera isankarazany, ary mampiseho ny fifandrohizana saropady eo amin'ny tontolon'ny nomerika sy  ny zavamisy eny an-kianja.

Teo anelanelan'ny 7 sy 11 Oktôbra, ny 7amleh — Ivontoerana Arabo ho Fampandrosoana ny Media Sôsialy — dia naharakitra bitsika mahery setra niisa 19.000 tamin'ireo bitsika hebreo 23.000 tao amin'ny ‘X’ [ Twitter teo aloha]. Hita anatin'io votoaty mahery setra io, saingy tsy voafetra ho izay ihany, ny fandranitana, ny kabarim-pankahalàna ary ny fanavakavahana atao amin'ireo Palestiniàna. Etsy ankilany, sehatra media sôsialy marobe no  tondraky ny tsaho sy fandisoana vaovao, mandray anjara amin'ny fitsaratsaram-poana sy fanakilasiana ny Palestiniana ho tsy olombelona. Ankoatra izay, misy pejy ôfisialy israeliàna sasany manindrahindra ny herisetra sy manamarina ireo fanafihana atao amin'olonttsotra.

Noho izany indrindra, miray hina izahay androany miantso ireo orinasa teknôlôjika mba hijery malaky ny momba ireo trangana kabarim-pankahalàna ety an-tambajotra, ireo ffandranitana sy teny mahery setra natao hikendrena ny Palestiniàna, indrindra fa amin'ny fiteny hebreo. Miely haingana be eny anivon'ireo sehatra anaty aterineto ireo fihantsiana olona hanao herisetra amin'ny Palestiniàna ary ireo antso hanaovana famaizana faobe, indrindra fa ao amin'ny ‘X’ sy ny Telegram. Matetika no mahazo ny tsodranon'ireo manampahefana ambony israeliàna ireo fanitsakitsahana zon'olombelona sy ireo antso hanaovana fanafihana. Mivoaka ny tontolo virtoaly io fihantsiana io ary mitera-doza mahafaty.

Fanampin'izay, ilain'ireo orinasa ny mandray fepetra hentitra avy hatrany manoloana ny haavo mampiahiahin'ireo tsaho sy fandisoana vaovao izay naely be nandritra iny herinandro farany teo iny tety anatin'ireo sehatra an-tambajotra, na media sôsialy io na ireo fampiasa fandefasana hafatra. Io vaovao diso sy tsy mitombina io dia mitondra ambana goavana amin'ny fitantaràna momba ireo zava-mitranga eny an-kianja.

Tsy maintsy ataon'ireo orinasa misahana ny media sôsialy izay hiantohana ny fanajàna sy fiarovana ireo feon'ny Palestiniàna eny anatin'ny sehatr'izy ireo, sahala amin'ny tokony hanaovany izany amin'ireo olona rehetra manerana ny tany, indrindra fa amin'ireo izay mirakitra ny fanitsakitsahana zon'olombelona. Mampanahy anay ihany koa ny momba ny sivana goavana sy tsy mifandanja atao an'ireo feon'ny Palestiniàna, indrindra fa ny fanesorana ireo votoaty sy ny fanafenana ireo tenifototra, ankoatra ireo fanitsakitsahana hafa. Ireny teritery atao amin'ny mpikatroka, fiarahamonim-pirenena sy mpiaro ny zon'olombelona ireny dia loza goavana mananontanona ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahazoana vaovao, ny fahalalahana mifamory, ary ny fandraisana anjara amin'ny pôlitika. Voadona amin'io sivana io ihany koa ny fahafahan'ireo mpanao gazety manao ny asany ary miteraka vokany ratsy mandresy lahatra. Tena ilaina sy maika mihitsy ny hijeren'ireo orinasa io sivana io sy ny fandavantenany marina hanao izay hiantohana fa heno ny feon'ny rehetra.

Sehatra sivily saropady natao hizaràna ireo tantaran-dry zareo tsy voalaza any anatin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra no fahitan'ny vahoaka any amin'ireo firenena maro an'isa erantany, sy ireo ao amin'ny faritra, ny media sôsialy. Noho izany, tsy maintsy eken'ireo media sôsialy ny anjara toerana lehibe tanàn-dry zareo ao amin'ny faritra, amin'ny alàlan'ny fampiatiana bebe kokoa sy fametrahana fepetram-piarovana an'ireo mpampiasa an-dry zareo. Ny fiantohana fa tsy hisy fanavakavahana amin'ny sehatra media  sôsialy dia hitondra anjara biriky lehibe amin'ny fahatakarana tsara kokoa ny teodraharaha manodidina ireo tranga misy eny an-kianja. Io fanolorantena io dia hanamafy ny iraka tontosain-dry zareo hanome sehatra nomerika azo antoka hampita ny feon'ny rehetra.

Antsoinay ireo orinasa teknôlôjika mba hanaiky ny anjara toerana lehibe tànany sy ny andraikiny ao amin'ny faritra, ary hiditra amin'ny fanekena  ny fotokevitry ny fandraharahana sy ny zon'olombelona ary hatramin'ny lalàna erantany momba ny zon'olombelona amin'ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra.  Indrindra indrindra, ireo orinasa teknôlôjikka  dia tokony hisoroka ny fitsabahana mavitrika amin'ny fanampenam-bava sy ireo habibiana atao amin'ny vahoaka palestiniàna. Ny andraikitra iraisanay amin'ny maha-fikambanana fiarahamonim-pirenena sy mpiaro zon'olombelona dia ny mijoro manohitra ny kabarim-pankahalàna, ny fandranitana, ny fandisoana vaovao sy izay rehetra fahavoazana ara-teknôlôjia atao amin'ny vahoaka manerana izao tontolo izao.

Niaraka nanao sonia

7amleh – The Arab Center for the Advancement of Social Media

PAX For Peace

Jewish Voice for Peace (JVP)

International Media Support

ARTICLE 19: Global Campaign for Free Expression

The Palestine Institute for Public Diplomacy (PIPD)

Association for Progressive Communications

European Legal Support Center (ELSC)

SMEX

Access Now

Bloggers of Zambia (BloggersZM)

Open Knowledge Foundation

Digital Action

Al Mezan Center for Human Rights

The Palestinian Initiative for the Promotion of Global Dialogue and Democracy – MIFTAH

Al-Haq

Bisan Center for Research and Development

INSM Foundation for Digital Rights

Women’s Centre for Legal Aid and Counseling (WCLAC)

National Students for Justice in Palestine (NSJP)

American Muslims for Palestine (AMP)

Americans for Justice in Palestine Action (AJP Action)

Institute for Middle East Understanding (IMEU)

Kandoo

Adalah Legal Center for Arab Minority Rights

MPower Change

Adalah Justice Project

NOVACT Institute for Nonviolence

The Palestinian Center for Development and Media Freedoms (MADA)

Visualizing Palestine

Maharat Foundation

US Campaign for Palestinian Rights

WHAT TO FIX

Eticas

Mnemonic

Association Belgo-Palestinienne

Masaar – Technology and Law Community

AfroLeadership

Uplift, Ireland

Forces of Renewal Southeast Asia

Free Rohingya Coalition

Red Dot Foundation

Hope and Courage Collective, Ireland

Tech Justice Law Project

Makan

Myanmar Internet Project

Global Witness

ECCP – European Coordination of Committees and Association for Palestine

Annir Initiative

Palestine Legal

UAWC – Union of Agricultural Work Committies

Global Voices

Forum for Secular Bangladesh and Trial of War Criminals of 1971

ACRE – The Action Center for Race and the Economy

IFEX

Sharek Youth Forum

AFIC – Africa Freedom of Information Centre

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.