Desambra, 2011

Tantara tamin'ny Desambra, 2011

Costa Rica : Sehatra Maro Mitsipaka Ny Vinan'ny Governemanta Momba Ny Hetra

  31 Desambra 2011

Amin'izao fotoana izao, ny zava-dehibe ho an'ny governemanta ao Costa Rica dia ny hanekena ilay vina ara-ketra antsoina hoe "Solidaridad Tributaria"(Hetra faobe)(Solidaridad Tributaria) vina ara-ketra. Na dia izany aza, sehatra maro ao amin'ny fiarahamonina, antoko politika ary mpandraharaha maro no nanao fanambarana ny amin'ny fanoherany mafy io fanovana io.

Singapore: Todran-drano, sa Rano Mihandrona?

  30 Desambra 2011

Tamin'ny 23 Desambra 2011, orambe matevina no niteraka fiakaran-drano vetivety tao amin'ny faritra maro ao Singapour, voakasik'izany  ny magazay mpivarotra fehikibo be olona ao amin'ny Lalana Orchard sy ny manodidina azy. Tsy zava-nitranga nahasosotra na hoe tsy nampoizina anefa izany, satria efa niseho  izay tranga izany tamin'ny volana Jiona 2010....

Tanzania: Manentana An-tserasera Mba Hanampiana Ny Tra-boina Ny Tanora ao Dar

  30 Desambra 2011

Nanentana ireo tsara sitrapo Ao Dar es Salaam ny vondrona tanora mpiserasera mba hanatevin-daharana amin'ny famonjena ireo olona niharam-boina taorian'ilay tondra-drano nahazo ny faritra midadasika ao Dar es Salaam, izay niteraka fahafatesana olona maro sy fahasimban'ny foto-drafitrasa. Mampiasa ny tenifotra #Darfloods ireo mpisera Twitter amin'ny fampitana vaovao amin'ny olona  ary manentana hatrany amin'ny fandraisana...

Chile : Raha Mpanampy Ianao, Avaho Ny Tenanao

  29 Desambra 2011

Fanakavahana ara-tsokajy sa lalàna tsotra mifehy ny klioba tsy miankina iray? Ny fitsipiky ny kliobanà "golf" iray izay mandràra ireo mpanampy na mpitaiza zaza tsy hiditra anaty dobo filomanosana sy manery azy ireo hanao aron'akanjo mba hahafahana manavaka azy ireo dia nahatonga fanehoan-kevitra maro tao amin'ny tontolon'ny Cyber ao Chili.

Mozambika : Ilay Bilaogera Tsy Voafehy Ao Amin'ny Facebook

  28 Desambra 2011

Mozambika dia firenena vitsy bilaogera ngezalahy ary ankoatra izay dia kely amin'ny fitantaràna ny resaka fanehoan-kevitra mazava ao anaty aterineto malalaka. Miaraka amin'ny firoboroboan'ny Facebook (amin'ny alalan'ny finday), olona iray be herim- po no nivoaka avy tao amin'ity tontolo fotsy voahodidina manga ity.. Miaraka amin'ny fanadihadiany ara-politika mivantambatana sy ny tsikerany"Apóstolo da Desgraça" dia lasa loharanom-baovao, ary naharay fandrahonana