Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Oktobra, 2007

Tantara tamin'ny Oktobra, 2007

31 Oktobra 2007

Tontolo iainana : Fanamaitsoana an’i Nairobi sy mety hakana tany ao antendrombohitry Kenya.

Misy vaovao tsara sy vaovao ratsy avy eto Kenya. Ny vaovao tsara aloha dia ny handravahana zavamaitso [zavamaniry] ny renivohitra Nairobi, ary ny vaovao ratsy kosa dia ny mety hakana tany na handavahana tany amin’ny toerana manodidina ny Tendrombohitra Kenya. Hojerentsika ao amin’ny GV tontolo iainana ny momba izany tantara...

Borkina Fasô : Manampy ireo Borkinabe hiady ny fanampenam-bava ireo blaogy

Any Borkina Fasô, tsy fandanian'andro fotsiny ihany ny fitorahana blaogy fa tena manandanja tokoa. Satria ireny no mba maso sy sofina entin'ireo olona aman'arivony eto amin'ny Aterineto [manaraka ny toe-draharaha any an-toerana]. Nandritra ny fankalazana ny fahatsiarovana ny faha-20 taonan'ny namonoan'ny sasany an'i Thomas Sankara, filoha amperin'asa fahizay, izay notanterahina...

30 Oktobra 2007

Egypta : Fahafahana hoan'ny Vehivavy

Ny mpiblaogy Egypt Guy monina any Egypta dia mizara ity sarimihetsika nototonsain'i Ahmed Sharif, teratany Egyptiana ity mba hamelana ireo Vehivavy ho tompon-tsafidy amin'ny lafiny ara-pivavahana. Amira Al Hussaini

Alzerìa : Feno rano eny rehetra eny

Vakio ny lahantsoratry ny mpiblaogy Alzeriana Nouri sy ny antony namalian'ny rain'ny namany azy hoe : « there's water everywhere, but not a drop to drink! » « feno rano eny rehetra eny, saingy tsy misy vongan-drano iray akory hosotroina ! » [FANAMARIHANA: « mangetaheta ambony lakana » angamba no...

Afrika : Saritanin'izao tontolo izao sy ny fahalalana ny teo-javatra any an-toerana

Ny blaogy White African dia mampiharihary izay ambaran'ny sarintanin'izao tontolo izao izay mirakitra ny làlana mifehy ny zava-pisotro mahamamo, momba an'i Afrika : « This map instead represents a real problem that we face in Africa: the lack of local content (data) available in a digital format. » « Ity...

Oganda : Bilaogera nikopak’elatra noho ny tahotra

Efa nosoratana teto amin’ny Global Voices ny hevitra feno fihantsiana nataon’ny bilaogera sy mpanolotra fandaharana amin’ny onjam-peo Ogandey Dennis Matanda momba ny kolontsaina afrikana, ny (filoha) Idi Amin ary ny momba ny fiverenana hisian'ny fanjanahantany indray izay efa nosoratana teto amin’ny Global Voices. Dia mbola niteraka resabe ihany ny fanaony...

29 Oktobra 2007

Myanmar : Ny Aterineto sy ireo Mpanokantena

Ny blaogy Sacred Media Cow dia manazava fa ny figejan'ny fitondrana jadona ara-miaramila ny Aterineto dia mety ho nanampy tsy an-pidiny ireo Mpanokantena Birmana : « The little fragments of information that did manage to get through got elevated to a level of ennunciative power that would not have existed...

Barbada : Miblaogy koa ny ao amin'ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena FMI

Ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena FMI na Fonds Monétaire International | International Monetary Fund dia manana blaogy ary heverin'ny blaogy Living in Barbados fa : « this recent step into the blogosphere, and its subcategory the econoblogsphere will be interesting to watch. » « Hahaliana ny hanara-maso ny fivoatr'ity dingana vaovao ao...

Arzantìna : Raharaha fanampiny mahakasika ireo mpiasan'ny seranam-piaramanidina

Ny mpiblaogy Jorge Gobbi dia mampita amin'ny alalan'ny Blog de Viajes [Espagnôla] ny raharaha farany tsikaritra mahakasika ireo mpiasan'ny seranam-piaramanidina any Buenos Aires, Arzantìna : dia ny fangalarana ny entan'ireo mpandeha. Eduardo Avila

Repoblika Dôminikana : Sarin'ireo mpanao ratsy voasambotra

Ny blaogy Remolacha.net [Espagnôla] dia mihevitra fa tsy maintsy halan'ireo mpanao ratsy izao ireto finday sy fakan-tsary vaovao nohon'ireo sary izay nosamboriny, izay ahitana ireo mpanao ratsy ireo voasambotra. Eduardo Avila