Janoary, 2019

Tantara tamin'ny Janoary, 2019

Syria: Voasazy higadra telo taona any am-ponja ilay bilaogera Kareem Arbaji

GV Mpisolovava  31 Janoary 2019

Ny 13 Septambra 2009, nosazian'ny Fitsarana Ambony misahana ny Fiarovam-pirenena Syriana higadra telo taona an-tranomaizina ilay tanora bilaogera Kareem Arbaji noho ny "famoahana vaovao diso mety hamparefo ny fitondrantenan'ny firenena", araka ny andininy faha # 286 amin'ny fehezan-dalàna famaizana Syriana.

Shina : Famoronana tarehintsoratra Han vaovao

  31 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Vao tsy ela akory izay no nanambara ny firindran’ny endriky ny sarin’ny tarehintsoratra Han miisa 44 ny Minisiteran’ny fanabeazana ao amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Shina. Tsy dia nisy dikany loatra sy tsy nisy antony akory ny fanovana ka maro ireo mpisera Aterineto...

Vietnam: Bilaogera voasambotra noho ny fitsikerana an'i Shina

GV Mpisolovava  31 Janoary 2019

Mbola mitohy ny famoretana ataon'i Vietnam amin'ireo bilaogera. Vao marainan'ny 3 septambra, nosamborin'ny mpitandro filaminana mitam-piadiana ilay bilaogera Nguyen Nhu Quynh, natory niaraka tamin'ny zanany kely. Tamin'ny volana Jolay, nosamborina noho ny fikatrohany amin'ny fahalalaham-pitenenana ilay bilagera Nguyen Tien Trung.

Maraoka : Nosamborina ilay bilaogera Bachir Hezzam

GV Mpisolovava  31 Janoary 2019

Natsangana hanohanana ilay bilaogera nogadraina tao amin’ny fonjan’i Goulmim any Atsimon’i Maraoka ny vondrona iray tao amin’ny Facebook . Voampanga ho namoaka tao amin’ny bilaoginy ‘’AI Boushara’’ (‘’Ny vaovao mahafaly’’) ny fanambarana momba ny firotsahan’ny polisy an-tsehatra tamin’ny mponina iray tao Goulmim izy.

Nahena ho 20 taona ny sazin'i Sayed Pervez Kambakhsh

GV Mpisolovava  31 Janoary 2019

Nofoanan'ny fitsarana avo Afghana ny fanamelohana ho faty ho an'ilay mpianatry ny asa fanaovan-gazety izay voampanga tamin'ny fanevatevana noho ny fametrahana fanontaniana tao am-pianarana momba ny zon'ny vehivavy eo ambanin'ny finoana Islamo . Saingy mbola nanameloka azy hisazy 20 taona an-tranomaizina ireo mpitsara.

Shina: Hetsi-panoherana vahiny maromaro, notohanan'ny fitaovana 2.0

GV Mpisolovava  31 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Iray amin'ny (angamba) lahatsoratra farany momba ny hetsi-panoherana alohan'ny hiverenantsika indray amin'ny lohahevitra eto; ny voalohany dia ny solon'anaran'ny mpiady anaty akata Eksodosy 8: 1 ilay iraka nataon'ny mpikatroka Kristiana Eddie ‘iamgadfly’ Romero ho an'ny zon'olombelona tao Shina izay...

Azerbaijan: Bilaogera roa voasazy

GV Mpisolovava  30 Janoary 2019

Araka ny efa natahoran'ny ankamaroan'ny mpanohana azy ireo, dia efa nanameloka an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli sahady ny fitsarana iray any Baku, Azerbaijanary ny andro nanaovana ny adihevitra momba ny raharaha hanenjehana ireo tanora mpikatroka roa amin'ny fibilaogina lahatsary, .

Shina: Adiny iray taorian'izay, nisy naka izy

GV Mpisolovava  30 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Fisamborana bilaogera iray hafa, kisendrasendra fotsiny tamin'ity indray mitoraka ity no nahitanay izany. Andro vitsivitsy taorian'ny famaranana ny WordCamp China 2008, tao Beijing i Wen Yunchao, ilay olon-tsotra mpitati-baovao sady toniandahatsoratry ny tranonkala iray ary namoaka ny lahatsoratra hoe ‘Adiny iray taorian'izay,...