Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Oktobra, 2017

Tantara tamin'ny Oktobra, 2017

17 Oktobra 2017

Ny Vola Inti Fahatsiarovana Ny Fotoana Nahamontsana ny Toekarena Peroviana

Raha Peroviana ianao ary maherin'ny 35 taona, mety ho tsaroanao ny fotoana nahagaigy ny toekarenan'i Però, indrindra nandritra ny tapany faharoa ny taona 1980.

Nosakanan'ny Polisy Sy Ny Andian'Olona Anti-Komonista Tsy Hiresaka Momba Ny Vono Olona Taona 1965 Tao Indonezia Ireo Vondrona Mpiaro Ny Zon'Olombelona

Ny tsy fihetsehan'ny polisy hanakana ity herisetra ity dia manampy amin'ny fanimbana ny demokrasia sy ny fanitsakitsahana ny zon'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fivoriana ao Indonezia.

Nanao Fitokonana Tsy Nihinan-kanina Ny Bilaogera Roa Nogadraina Tao Alzeria

GV Mpisolovava

Tafihana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Alzeria.

Azerbaijàna : Trano Filalaovana Tantara an-Tsehatra Mpisava Làlana Manome Sehatra ho An'ireo Mpiantsehatra Manana Fahasembanana

“Tsy tetikasa ara-tsosialy ity, tsy fialàmboly, miasa amin'ny fomba matihanina izahay."

Ny Foiben'ny MySpace.com ao Meksika

Antenaiko indray andro any ny mba haka sary any

Shily: Ny Andro Nahafatesan'I Pinochet

Iray amin'ireo bilaogera malaza indrindra ao Shily ilay mpitantana dokambarotra Roberto Arancibia . Ny feony feno hatsaram-panahy sy ny fomba fijeriny feno fanantenana no ahaizany mandanjalanja ny fanadihadiana lohahevitra isankarazany. Nefa tsy mikaroka firy izay mety hahaliana amin'ny adihevitra politika ny bilaoginy El Mundo Sigue Ahí ("Mbola Eo Ny Tontolo ").

Iran: Fizarana Ovy Maimaim-poana Niteraka Resabe Momba Ny Fifidianana

Nizara ovy maimaim-poana tany amin'ireo tanàna samihafa ireo manampahefana iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Mpanao politika Iraniana maromaro no nanakiana ity fizarana ovy maimaim-potoana nataon'ny fitondràn'ny governemantan'i Mahmoud Ahmadinejad ity ho toy ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena ary miantso izany ho fandaniam-bolam-bahoaka fotsiny.

Nampiato Ny Famokarana Noho Ny Fitokonana Ny Toeram-pitrandrahana Varahina Escondida

Nahatonga ireo mpiasa ao amin'ny orinasa varahina lehibe manerana izao tontolo izao hanomboka fitokonana 12 andro lasa izay ny fiakaran'ny vidin'ny varahina iraisampirenena . Mitaky karama tsara kokoa izy ireo. Ny alina lasa teo, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany miisa 800 no nifandona tamin'ireo mpitandro ny filaminana niezaka handrava ny fitokonana.

Iran: Mety Hiatrika Sazy Ho Faty i Hossein Derakhshan (“Hoder”), Bilaogera Nogadraina

Loharanom-baovao azo antoka no nilaza tamin'ny Global Voices fa mitady hanameloka ho faty an'i Hossein Derakhshan, bilaogera Iraniana (fantatra amin'ny hoe "Hoder") ny mpampanoa lalàna ao Tehran.

  Zazalahikely Valo Taona Notafihan'ny Alika

Hanaiky ny fanirian'ity zazalahy kely ity ve ny mpanapa-kevitra ara-politika ao amin'ny Govenemanta? Toa tahaka ny henjana loatra izany, tokony hovonoina tsirairay ve ireo alika mpirenireny. Angamba mety ho tsy mifaditrovana  mihitsy aza izany.