Tantara tamin'ny Oktobra, 2012
Filipina: Fanairana “Epal” Zava-Mahamenatra Ataon'ny Mpanao Politika Hita Ao Amin'ny Aterineto
Herintaona latsaka alohan'ny fifidianam-pirenena 2013, namoaka fanentanana tao amin'ny aterineto ny mpiserasera, fanairana manohitra ny fomba fanaon'ny mpanao politika Filipina “mahamenatra” amin'ny fametrahana ny anaran'izy ireo amin'ny tetikasan'ny governemanta izay tohanana na/sy ampian'ny minisiterany. Petahana marika hoe “epal” ireo mpanao politika, “epal”, tenin-jatovon'ny Filipino midika hoe “tandremo mpangalatra,” noho ny fampiasana ny volam-bahoaka...
Panama: Nitodika Tamin'ny Vahoaka ny Filoha Martinelli Rehefa Nofoanana ny Lalàna 72
Niezaka nanakatona ny herinandro izay namoizan'ain'olona efatra ny filohan'i Panama, Ricardo Martinelli omaly. Nanao kabary fampihavanana izy izay manasa ireo vahoaka mba hitady fihavanana taorian'ny fifandonana tao Colon nandritra ny hetsi-panoherana ny Lalàna 72. Lalàna manome alalana hivarotra ireo tany miorina ao amin'ny Faritra Afaka (Haba) ao Colon . Nalefa tao amin'ny fahitalavi-pirenena...
Syria Anaty Fahapotehana
Mampiseho, mizara ary mandrakitra ho tahiry ny fitroarana tany Syria amin'ny alalan'ny fampirantiana sarim-pahapotehana ny mpaka sary Syriana manerana ny firenena. Na dia voafetra aza ny loharanom-pampahalalam-baovao dia mampihoronkoditra kosa ny zavamisy iainan'ny Syriana ao an-toerana
Venezoelà: Sioka sy Tenifototra nandritra ny androm-pifidianana
Raha asaina misafidy tambajotran-tserasera tiany indrindra ny Venezoelana, ny heverina ho aliny indrindra dia ny Twitter. Satria, io no be mpisera indrindra nifaresahana indrindra tamin'ny fifidianana alahady 7 Oktobra 2012. Amin'ireo tenifototra isan-karazany mahazo vahana amin'ny lisitra ironana ao amin'ny firenena ny Venezoelana no milaza sy miady hevitra, mitatitra ary mizara. Saingy...
Kolombia: Mpanao Gazety Voaraoka Fa Namoaka Lahatsoratra Momba Ilay Orinasan-Tsolika
Noroahina avy tao amin'ny habaka an-tserasera Kien&Ke ny mpanao gazety kolombiana Daniel Pardo taorian'ny namoahany lahatsoratra iray momba ny faneren'ny orinasan-tsolika Kanadiana Pacific Rubiales amin'ny fampahalalam-baovao tahaka ny W Radio. Maro ny mpiserasera no nitovy hevitra fa famelezana ny fahalalahan'ny mpampahalala vaovao izao fandroahana izao.
Okraina: Teknolojia Ho Amin'ny Fifidianana Mangarahara
Nifidy solombavambahoaka ny Okrainiana tamin'ny 28 Oktobra teo. Noho ny fanagadran'ny filoha am-perinasa ankehitriny ireo mpanao politika mpanohitra, nahasarika tanteraka ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fizotry ny fifidianana. Manoloana ny filazan'ny antokon'ny fitondrana amin'ny fampiasana ny fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra, nampanantena ny governemanta Okrainiana ankehitriny fa atao mangarahara, marina izany ary mpanara-maso iraisam-pirenena...
Slovakia: Mamelona Adihevitra Ilay Fihaonambe “Mitady Fiainana Mendrika sy Azo Antoka”
Nanodidina ny 3000 ireo olona tafahaona “ho amin'ny zon’ny vahoaka mendrika” tao an-tananan’ny Partizanske, tamin'ny Septambra. Tamin’ity volana ity, ny 13 Oktobra kosa, olona nihoatra ny zato no tafahaona tahaka izany – “hiaraka ho amin’ny fiainana mendrika sy azo antoka” – tao an-drenivohitr'i Slovakia tao Bratislava (horonantsary). Niaraha-nanomana tamin’i Oskar Dobrovodský ...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...