Mey, 2010

Tantara tamin'ny Mey, 2010

Uruguay: Diabe ampahanginana ho fahatsiarovana ireo voafonja nanjavona

  26 Mey 2010

Tato anatin'ny 15 taona nifanesy, isaky ny 20 May dia mifamory ao Montevideo ny Uruguayans mba handray anjara amina diabe am-pahanginana ho fahatsiarovana ireo novonoina sy nanjavona nandritry ny jadona miaramila izay nanomboka ny 1973 ary nifarana tamin'ny 1985. Ny vondrona Mujeres y Familiares de Detenidos Desaparecidos (Vady sy fianakavian'ireo voafonja nanjavona) no nikarakara ny diabe, ary tamin'ity taona ity ry zareo dia nanomana video iray [es] izay ilazan'ny mpitondra teny iray avy amin'ny vondrona mikasika ny niandohan'ny Diabe sy anazavan-dry zareo ny ady ataony

Chili: Tolo-kevitra avy amin'ny mpizahantany

  26 Mey 2010

Ao an-tanànan'i Arica, any Chili ny mpamaham-bolongana Tomás Bradanovic no nanoratra hoe “tokony hihaino ny mpizahantany isika [es],” fa maro diamaro manko ny mailaka azony avy amin'ny mpizahantany izay saiky...