Tantara misongadina tamin'ny Febroary 2011
Tantara tamin'ny Febroary, 2011
Kambodza: Iza no nanome baiko amin'ny fanakanana ireo vohikala mpanohitra?
Hatramin'ny Janoary, misy ireo vohikala sasany manohitra ny governemanta tsy afaka hidirana any Kambodza. Milaza ireo mpandrindra ny raharaha fa noho ny fahasimbana ara-teknika izany raha milaza kosa ny governemanta fa tsy manao fanivanana izy. Kanefa namoaka taratasy fangatahan'ny governemanta ireo tamban-jotra mba hanakana ireo vohikala maro ny vondron'ny media.
Yemen: tonga amin'ny mangotrakotraka? (Video)
Ny Filohan'i Yemen, Saleh dia nanomboka nandefitra tamin'ireo mpanohitra, tamin'ny fanomezana baiko ireo hery fiarovana ny mba hiarovana ny mpitolona. Nefa toa tsy vonona ny handray izany teniny izany ny ankamaroan'ny olona. Mandritra izany, mitohy ireo tolona goavana manohitra ny fitondràna. Mety ho voatsapa ny fahatsaram-panahin'ny governemanta amin'ny diabe nomanin'ny mpiaro ny fitondràna any amin'ny renivohitry ny firenena amin'ny Zoma.
Bahrain: Fanajàna ny Andro Fisaonana
Ny Zoma (25 Feb) dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho 'Andro iray Fisaonana' an'ireo maritiora rehetra lavo nandritra ny Hetsi-panoherana tamin'ny Andron'ny Hatezerana ho an'i Bahrain, izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011. Misaintsaina ny amin'izay andro izay ireo mponin'ny aterineto.
Tonizia: Nametra-pialana ny praiministra taorian'ny vono-olona ny Asabotsy
Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana mikasika ny Revolosiona Tonizia taona 2011. Nametram-pialana ny praiminisitra vonjimaika Mohamed Ghannoushi taorian'ny fatiolona ny Asabotsy tao an-drenivohitra Tunis. Ny fifandonana niseho tamin'ny Zoma alina tao amin'ny lalana Habib Bourguiba, nitarika fahafatesan'olona telo nisy teo amin'ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana. Narahina fampisehona...
Libya: Tahotra sy korontana ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli
Tahotra, korontana, tebiteby ary hakivina - nampiasaina hitantarana ny zava-manjaka ao an-tseranam-piaramanidin'ny renivohitra Libyana nandritra ny andro faramparany avokoa ireo voambolana ireo. Tafiditra anatin'ny tsy fahafantarana izay ho avy i Libya hatramin'ny nisian'ny fitroarana hikomy amin'ny mpitondra ity firenena iray ity, dia ny fikomiana amin'ny Kolonely Muammar Al Gaddafi ny alin'ny 16 Febroary 2011 (#Feb17) .
Bahrain: Zara raha niova ireo Ministera
Nambara ireo fanovàna minisiterialy tany Bahrain ny alina lasa mba hampitony ireo mpanohitra miantso ny fanavaozana hatramin'ny 14 Febroary. Ireto misy fihetseham-po mlikasika ireo fanovàna ireo, izay mbola tsy voalaza ofisialy.
Malezia: Mitombo ny famonoan-tena
Voahazon'ny olana sosialy mampanahy i Malezia tato ho ato: ny famonoan-tena. Voavinavina fa eo amin'ny 60 eo ireo famonoan-tena isam-bolana mitranga any Malezia. Nisy mihitsy aza tanora Maleziana iray namoaka naotina famonoan-tena tao amin'ny Facebook.
Hanara-dia an'i Tonizia sy i Egypta va i Alzeria?
Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana momba ny Fihetsiketseham-bahoaka taona 2011. Na dia teo aza ny fionganan'ny Filoha Toniziana Zine El Abidine Ben Ali, taorian'ny fikomiana sy ny fanerena ny Filoha Egyptiana Hosni Mubarak hiala, dia mbola tsy nidina an-dalambe ny mponina Alzeriana . Ireo andrana roa nataon'ny fandrindrana nasionaly ho...
Côte d’Ivoire: Fanentanana ao amin'ny Twitter mba hisarihana ny sain'Anderson Cooper
Nitana ny anjara asany ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices Anna Gueye tao anatina fanentanana vao hainagana handresena lahatra ny mpitatitra mora resen-dahatry ny CNN Anderson Cooper mba tena hijery ireo mpanohitra any amin'ireo firenena Afrikanina tahaka an'i Gabon sy Côte d’Ivoire, tahaka ny nataony tamin'ireo fikomiana tany Tonisia, Ejipta sy ny tontolo Arabo hafa.
Bahrain: Ny “meme”-n'ilay lehilahy nihiaka TAKBEER
Vokatra tsy nampoizina tamin'ireo hetsi-panoherana nandritra ny Andron'ny Fahatezerana izay mbola mitohy any Bahrain, niara-nivondrona ireo mampiasa ny media sosialy ary namorona ny "meme" voalohan'i Bahrain : ilay lehilahy nihiaka "TAKBEEER"